hialana amin'ny olana vary

61. fijo ( 30/03/2005 21:51)
kay tsy mihinana anandrano hoe,??????? kay le alefaso aty fa tena mahazo bizoroka feno be ndry,za miantoka henakisoa
62. pitchou ( 31/03/2005 19:12)
ataonao tsara sasa nefa an! mihanaka indray manko ny cysticercose aty!
63. iartistika ( 01/04/2005 17:31)
tsy mieritreritra an le fanondrahan'ny mpandalo azy fotsiny
64. pitchou ( 01/04/2005 18:51)
ehe! d aoka hijanona ihany ka
65. fijo ( 01/04/2005 21:47)
alefaso aty wa fa tsy olana izany.
66. pitchou ( 02/04/2005 16:36)
le anandrano? ao fa andefasako e!
67. fijo ( 05/04/2005 21:38)
sady aty izao tsy misy mihintsy
68. Merinaforever ( 06/04/2005 09:36)
Miarahaba!
Aza ataonareo ho tery saina aho raha manambara ny tahotro ny momba anareo sy ny mpamaky Mala rehetrany amin'ny resaka vary.Ary tsy ny amin'ny vary ihany fa ny amin'ny zavatra hafa ihany koa,toy ny tontolo iainana,ny tenin-drazana,ny kolon-tsaina sns sns.Ny momba ny vary aloha dia kolo nentin-drazana mihitsy io.Hatrany Atsinanana (Dewi-shri=Andriamanitry ny vary any Indonesia) ka hatrany Andrefana (Andevo merin-pihaviana nojirihin'ny Sakalava namidiny tamin'ny USA any caroline atsimo) dia tsisy afaka fa ao anaty rany avokoa ny vary.Noho izany dia tsy sakafom-batana ihany ny vary,fa sakafom-panahy ihany koa.Raha itarina ny fitenenana azy dia azo lazaina mihitsy hoe:andriamanitra ny vary.
Noho izany dia aza misy manonofinofy isika fa ny momba antsika jerena:aza miala amin'ny vary na misy aza ny amborogora (hamburger),na be aza ny paty.
Aza manaiky ho vazaha ary ataovy ho henatra tsy ahajerena masoandro izany.Hevitra hafa zahana ho an'ny mpiray tanindrazana:ohatra hoe ny SRI (syst de riziculture intensive).

I Frantsa 'lay reny malala

Iniako odina tsy fantatra
Ianao ry lemak'i Betsimitatatra
Totofako anorenako orin'asa
Mba hanadinoako ny lasa

Fa aza dia tezitra mafy
F'ireto zanakao hitafy
Sady ho lavi- mosary
Raha pâtes no asolo ny vary

Atao veloma sahady daholo
Ireo Vohitra maherin'ny folo
Hahetry izy ireo ka hianjera,
Ho carrière ,amin'ny bildozera

"Ambohimanga no nanjakako"
Any aoriana ho fanariam-pako
"Antananarivo izay namoriako"
Hovako tsy haharikoriko.

Nofidiko tsy misalasala
I Frantsa 'lay reny malala
Ho anao ny foko tsy miova
Ka misaotra ny mpandoro Rova.

Itony "afindrafindrao"
Ho soloiko amin'ny slow
Le "mandihiza rahitsikitsika"
Soloiko RAP hipitika.

Z'inona 'zay fiteny mahonena ?
Ny frantsay 'nie iraisam-pirenena !
Tsy ampy morse ve ny Zatovo?
Amin'ny teny latinna manovo.

Tsy misy dikany ‘zay Nosantara
Tonga teto tamin'ny sambo fiara
Ny tena raitra dia ny Créole
Surtout ceux du métropole

Aleo ‘ngaha atao hoe Malagasy
Sao trop dur ka mangasiasy
Sady cool no vitsy mpanana
Ny langue vary amin'anana.

'Zay no tiako lazaina aminao
Je laisse le stylo aloha, fa tchao!
Sao aho lazainao mi-dérailla
Rah'tsy faly ianao soraty ny email

Merinaforever
(merinaforever@keepconnected.com)
Blogué sur www.rktmb.org
69. fijo ( 06/04/2005 22:30)
mankasitraka e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6368