hialana amin'ny olana vary

1. fijo ( 15/02/2005 23:03)
aza homena tsiny ry zareo fa mba nandalo fotsiny ity an.
misavoritaka ny olona amin'ny resaka vary any mada.aty anefa aho vary 4kg tsy laniko iray volana.ny antony dia tsy vary ihany no haniko fa mihinana zavatra hafa koa aho.salady,karoty,ovy,tsaramaso,...miova matetika e.
azafady ihany ,tsy fanadalana ny olona fa raha toa ka mba miova sakafo ve tsy mety sa dia tsimaintsy hoe izay ihany??
aza raisina vazivazy fa mba heritreritra nandalo e
novalian'i fijo ny 06/04/2005 22:30
2. intelligenzia ( 15/02/2005 23:15)
tsara tokoa ilay initiative hitady vahaolana. ireo zavatra narosonao ireo anefa vao maika lafo kokoa noho ny vary. ireo ilay antsointsika hoe laoka.
ny sitrapon'ny gasy ve tsy aleo aza mihinan-daoka fotsiny raha misy ny atokona! saingy ny vary aza tsy takany ny vidiny dia izay no izy.

ny vahaolana arosoko:
Jereo aloha hoe avy taiza ilay olana. ireo nanangona tany an-tranony ve? koa maninona raha natobaka fotsiny ny vary sady efa i Magro ihany no nisahana azy? (tsy lafo akory izany fa ataovy ny kajy). Sa kosa misy tetika fampijaliana ambadika dia rehefa akaiky ny fifidianana tambazana indray, dia hoe nahavita miracle izahay? (diniho akaiky ohatra ilay lalana etsy besarety)

Rehefa hitanao ny fihavian'ny olana dia mora ny mamaha azy: Esory sy fongory ny fanetriben'ny firenena!

3. ikaretsaka ( 16/02/2005 00:52)
fijo> marina io.. saingy ny legumes ange lety ka vao mainka lafo nohon'ny vary e..
sady hafa ihany ilay be am-bilany e
4. dadabe ( 16/02/2005 05:53)
fijo>ny ahy lety 5kg 1 volana hihi,zah lesy milaza hoe tsy le hoe tsy tokony tsy hihinambary fa le karama gasy lety no tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena a,
ikaretsaka>ny legumes lety arakarak'ilay tanana ihany a,any bira zao lah,mahazo ovy sy karaoty mora sady tsara ,fa raha mandeha kely fotsiny hoe morondava ohatra na tamatave de efa lanjaina,sady amizay indray malizotra kle 8O
5. andansonia ( 16/02/2005 10:16)
Tsy ny vary ihany no misondrobidy fa ny zavatra rehetra. Avy @ fitsitonganan'ny volan'ny gasy hono.Ao anatin'izany ny sakafo teneninareo ireo.Ny fahefamividy anefa mihena, satria ny vola miditra eo ampelatan'ny olona tsy mihetsika, tsy nanaraka izay ny karama.Ka vao ny vidimbary no misy fiovana ohatra io, dia hitan'ny isampianakaviana ny lanjany.Satria
ny ankabeazan'ny gasy dia efa zatra vary.
Io vary 700 ariary io ary anie mbola tena ambony @ maro ê, tsorina izany.
Raha ovaina sakafo hafa ny vary? rehefa voatery ilay olona satria tsy mahavidy vary intsony izay efa tranga hita any ambanivohitra lavitra any dia mihinana zavatra hafa maniry mora nohon'ny vary izy.Ka samihafa ilay hoe hosoloiko zavatra hafa ity vary ity, manambola aho hividianana zavatra hafa sy ny hoe voatery aho mihinana zavatra hafa satria tsy mahavidy vary intsony.Zavamisy izany tsy afenina eto @ ity tany fiavintsiaka ity
6. Chuan ( 16/02/2005 10:20)
Ho ahy aloha de hita fa mahamenatr`olona , indrindra amin`ny vahiny ny hoe tsy ampy sakafo ny malagasy kanefa ny tany midadasika be sady 85% n`ny olona tantsaha avokoa ! Matoa miakatra ny vidin-kanina dia tsy ampy ny vokatra eo am`tsena raha oharina amin`ny tinady ! Tsy mamokatra araka ny tokony ho izy zany le 85% tantsaha noho ny antony samihafa !fa ny anisan`ny tena mila fanamboarana haingana sy mahakivy ny tantsaha dia ny fizakàn-tany sy ny fandriam-pahalemana (dahalo) ! Raha ireo no mbola tsy milamina dia nofinofy ihany ny hahavitantsika tena ara-tsakafo amin`ny vidiny sahaza ny any anaty poketra !Raha hitady tany vaovao hambolena mantsy ireo tantsaha ireo dia tampotampoka eo misy olona mitondra titre avy any milaza fa tompon`ny tany efa masaka nefa tsy mahavita mamboly na de 1m2 aza ! Tokony hasian`ny fanjakana conditions ( izany hoe mila mamokatra ilay tany aloha mandritry ny fotoana maharitra) zany ny fanomezana tany eto amintsika fa tsy izay te hangataka na te hividy dia mahazo daholo satria lasa manome vahana ireo mpijirika (mpividy sy mpivarotra tany ) fotsiny izany nefa tsy hahitan`ny firenena tombo-tsoa mivantana sy haingana .Raha ny fandriam-pahalemana indray dia ataoko fa ny Ministeran`ny Tafika no anisan`ny mandany vola be indrindra kanefa atao inona fotsiny ireo miaramila sy manamboninahitra be dia be ireo (ny isan`ny Jeneraly fotsiny eto amintsika angamba efa mifanisa amin`ny volon-doha ) kanefa ny dahalo aza tsy resintsika eto an-toerana . Mbola betsaka ny ezaka miandry ny fanjakana amin`izany ka asa ............
7. pitchou ( 16/02/2005 17:50)
chuan> ho an'izay manaraka vaovao mikasika an'i mada d io fizakan-tany io izao no isan'ny tetikasa ifantohana!

mikasika ny sakafo indray dia angamba ny olona mipetraka aty afovoan-tany ihany no tena nahita problema! ny tany ambato dia efa nazavaiko tary ambadika hoe naninn rizareo no tsy nanana hoanina tampoka teo!

angamba fotoanany tokoa izao hanatsarana ny fomba fisakafoanan'ny gasy o? satria trsy ny habetsaky ny vary ao am-bilia no tena mahavoky fa ny fifandanjan'ny sakafo rehetra hoanina!
8. fijo ( 16/02/2005 22:38)
ny salady sy ny karoty ary ny ovy koa ve lafo le?tamin'ny za tany aloha mbola hitako antoniny le izy fa izay izao no tsy haiko.
9. intelligenzia ( 16/02/2005 22:42)
mbola lafo noho ny vary ireny ry fijo a. sady ny vary anie mitombo rehefa andrahoana e.

pitchou> mba izarao yaourt sy ronono sahala @ fanaonareo t@ propagande ny sarah-babem-bahoaka e! Ny ronono mantsy no aliment complet mialoha ny soja sy vary. :)
10. fijo ( 16/02/2005 23:38)
kay le izay indray no tsy haiko.
11. pitchou ( 17/02/2005 17:58)
intellizenss> alefaso aty aza le ronono sy yaourt izarako azy e! sady zà tsy mbô afaka nandray anjara t@ fizarana le yaourt nomenao ireny! ataovy b d b d ! hay enao no nanao an'ireny propagandy isy zazakely mihinana yaourt ireny? ntsôoooo! tsara ve le izy?
12. intelligenzia ( 17/02/2005 22:20)
ary maninona raha averina le mpandraoka devoly t@ minisitera ireny, sa tsy hitany fa misy devoly be eto amin'ny firenena ankehitriny.:-D
nivadika horera hoy Nanahary izay

pitchou>za ry pitchou tsy mba Teo Ihany Miverina (TIM) a.
13. xxx ( 17/02/2005 22:37)
fa ny ahy hoa @ zao fotoana izao ny tsy azoko dia rehefa mijoro mpanohitra dia lazaina foana hoe naman'ilay "nodimbiasana' foana e!
nga izoa tsy mba misy mpanohitra vaovao fa rehefa manohitra de mpomba ilay taloha izay?
14. fijo ( 17/02/2005 22:50)
ny hatahorana anie dia ny hiverenany e.fa raha toa izao anefa no vokany aleo tsy manala intsony fa izay vao tonga manahirana
15. intelligenzia ( 17/02/2005 22:55)
fijo> izay tahotrareo izay indrindra no exploiter-n'ny mpitondra ankehitriny. dia na efa mihinan'ny...tsy misy aza ny olona dia mbola "indulgent" ihany.
zay ilay ataon'ny frantsay hoe "TROP BON TROP CON"
16. fijo ( 17/02/2005 22:59)
ka manajary sasatry ny manolo nefa mitovy ko
17. intelligenzia ( 17/02/2005 23:11)
raha mitovy ve moa ry fijo haninona fa ity ankehitriny toa vao maika loza.

izaho aloha tsy manaiky hoe "trop bon trop con" dia araraotin'ny mpitondra eo e. amiko rehefa tsy hanao miala an-kitsirano.

raha hendry sy misaina izy mametra-pialana dia apasy amin'ny olona akaiky azy kanefa tsy dia ratsy "image" amin'ny vahoaka ny baolina.
ohatra hoe ratsirahonana (na olon-kafa) aloha tendrena praiminisitra mialohan'ny fametraham-pialany. Izay olona tendreny eo ange afaka miaro azy rehefa avy eo e. fa izany hoe mety tsy takatry ny sainy izany.

Ampianaro ihany ny ankizy re olona mba tsy hanao hadalana rehefa lehibe an.
18. pitchou ( 18/02/2005 04:03)
intellizensss> pire noho izany enaoka mibaradaka ny afeninao ! hita hoe efa lasa obsession ao aminao le izy! manatona ihany psy sao ho sahirana an!d rahatrizay MOINS CON enao d masahia manongana ze efa eo d mirotsaka ho eo @ plasiny! izany koa ve d tsy ho takatry ny sainao! tsy sarotra ange izany e!sa ... miandry ho tolorana fotsiny?

fijo> misy te-ho eo @ io toerana io ange fa tsy mahasahy e!
19. intelligenzia ( 18/02/2005 04:07)
raha ilaina aho dia ho avy tokoa fa efa manomboka may volo-tratra ny devoly an!

ny fomba fiadin'ny kely saina tokoa mantsy dia sahala amin'ny taloha hoe "tano ny azo fa sarotra ny mila" inona izany tsy hoe ny Teo Ihany Miverina!
20. pitchou ( 18/02/2005 18:48)
tsy hisy hiantso anao izany eo fa tongava fotsiny raha mahasahy e! d arangarangao alohan'ny hilatsahana hoe inn avy no mba efa vitanao, ankoatry ny tsikera tsy mamokatra! sady be saina efa mila hipoaka loha otranao v d tsy hahatakatra an'izany e!
ary tena tsy afa-mipetraka intsony enao zany an! tena zao zany le we devoly mandihy? hum!!! tsy dia mitovy @ rap nefa zany zao no malaza aty!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3363