Andry dimy

1. hery ( 16/01/2005 02:14)
Mba ilaina ho fantatra ho an\'izay tsy silamo (zah tsy izy) fa misy andry dimy lehibe izay mibaiko ny fiainan\'izy ireo.

- Fivavahana (ara-drafitra)
- Fivahinianana masina (Lameka?)
- Finoana (Andriamanitra tokana sy Mahomet mpaminaniny)
- Fifadiankanina (Ramadan)
- Fandoavana ny Zakat

Mba misy afaka manazava bebe kokoa ny fomba fijeriny an\'ireo ve?

Antoka iray hahazoana ny Paradisa (araky ny silamo) ve ireo ? Ahoana raha tsy mahavita? (oh Lameka)

Firy ny silamo any Madagasikara?
novalian'i dadabe ny 05/03/2005 08:27
2. fatsoraly ( 16/01/2005 06:11)
Izaho tsy silamo fa Kristianina. Ny fijeriko an\'ireo dia tsy mitovy fijery @ Ramaso ary tsy mitovy fijery @ silamo koa aho satria:

Ny Andriamanitra inoako dia Andriamanitra FITIAVANA, TSY MASIAKA, TSY MPANASAZY, TSY MIJERY HARENA....

tsy voatery hitovy hevitra amiko ianao fa hevitro nindramiko t@ Bessssss io.
3. xxx ( 16/01/2005 09:25)
Tsy haiko zay lazaina fa ny arosoko @ty alou de zay fivavahana zareo zany ,tahaka antsika iany refa mivavaka isika , Fa ny a/tra zareo alou araky ny fahitako azy de io masoandro io .
4. ikaretsaka ( 16/01/2005 20:16)
za koa tsy izy fa za manaiky ny safidiny raha izay ny lalana eritreretiny fa mitondra azy any @ paradisany..
fa ny TSY ekeko fotsiny dia ilay fanaovana hoe ny azy ihany na korontanina ny hafa rehefa tsy mitovy na manaraka ny firehan-kevitra (fireham-pinoana) ....
tsy ny azy ihany no tiako hotenenina amin\'io fa ny an\'ny tenanao koa!
misy manko na samy kristianina kao aza de mandeha ilay hoe ny anay ihany ...
5. moi ( 17/01/2005 06:42)
Miandry izay silamo mba hanazava tompoko o !

Ny ahy ny vie pratique no tiako ho fantatra kokoa. Ohatra hoe ny silamo hono tsy mahazo mivadika finoana fa vonoin-dry zareo ho faty raha mivadika finoana, izany hoe tandremo ny sipasipa silamo fa izy tsy manaraka ny finoanao raha kristiana ianao, fa ianao (na lehilahy aza) no mivadika ho silamo vao manambady azy.

Tandremo fa misoko mangina, efa mampatahotra raha ny fitombony eto Madagasikara, sy eran-tany mihitsy !
6. isrine ( 17/01/2005 13:34)
Silamo aho, na dia mbola vao haingana aza izany.
Marina tokoa io voalazan\'i hery io. Toy ny adidy tsy maintsy ataon\'ny mpino silamo io. Kanefa tsy ny rehetra akory no mahavita hanaraka an\'ireo andry 5 ireo, indrindrany fivahiniana masina any Lameka, kanefa tsy holazaina fa tsy mpino silamo akory izay tsy mahavita mankany Lameka farafaharatsiny 1 mandeha @ andro iainany, satria ny vola no antony.
7. booboo ( 17/01/2005 13:51)
moi>ao @ Coran efa voasoratra mazava mitsy oe tsy manery ny hafa hivadika ho silamo Allah raha toa ka manaraka ny \" religion du Livre \" ilay miaraka aminao :na Juif na Chrétien na Musulman.
8. moi ( 18/01/2005 13:05)
Mba hazavao ary ity \"religion du Livre\" e !
9. booboo ( 18/01/2005 13:12)
manaraka ny Thora na Bible na Coran oun e
10. isrine ( 19/01/2005 13:50)
boboo: tsy misy olona hanery anao hivadika finoana mihitsy ao @ coran, fa izay te-handray ilay finoana no miditra @ ilay finoana vaovao. Ny fomba entina mivavaka anie no misy mahasamihafa kely azy fotsiny fa Atra tokana 1 ihany no itodihana rehefa mivavaka na inona na inona finoana arahinao;
11. booboo ( 19/01/2005 13:57)
isrine>ka zay angé ôa e. Ilay Religion du Livre indray Imam zay no nanazava anà an\'io
12. ikaretsaka ( 19/01/2005 19:01)
isrine. fa toa hoe ny miditra ao hono mora fa ny mivoaka avy ao sarotra..
za nahita sipa izay nanana sipa tavaratra dia nivadika silamo izy tsy haiko na nivady na nanakory .. de avy eo nisaraka ry zare dia hoe hiverina ho kristianina izy de nisy probleme be.. dia toa namono tena mihitsy aza ny niafaran\'ilay kalakely fa tsy maty
13. yonikafopl ( 20/01/2005 14:42)
Izaho tsy silamo an, fa mba misy kely haiko ny momba ny atao hoe silamo dia handray ny anjara birikoko @ fanazavana aho, ahitsio raha misy diso izay lazaiko eto :wink: :-*

Ny fivavahany:
Mivavaka in-dimy isan\\\'andro ny silamo, ary efa misy ora voatondro ny fanaovana ireo fivavahana ireo. Raha toa ka tsy afaka manao ny fivavahany @ fotoana voatondro ny mpino silamo sasany , dia afaka manao ny fivavahany @ fotoana hahafahany izy, ie vavaka dimy no atao amin\\\'izay fotoana izay.
Misy fomba hatao alohan\\\'ny hivavahana, dia ny fisasana izany( tarehy, tanana, tongotra) ary efa misy fomba hianarana manokana koa ny fomba fisasana.
Tsy manao kiraro rehefa mivavaka
Ny fomba fivavahana dia misy orientation, otran\\\'ny hoe zoro fivavahana any amintsika, atodika any ilay tapis natokana hivavahana . Misy drafitra arahana koa ny vavaka atao, ary arahana fihetsika toy ny mitsangana. mandohalika, mitsongoloka.
Misaraka ny toerana fivavahan\\\'ny lahy sy ny vavy.
Ny bokin\\\'ny koran no fototry ny fivavahana silamo.

Fivahiniana masina:
Io tsy dia haiko loatra hoe tsy maintsy atao ve na tsia fa ny fantatro fotsiny dia hahitana soa ny fandehanana any lameka, indrindra moa fa ny fahazoana mikasika ilay tabernakely iny. Toa hoe raha manana faniriana tiana ho tanteraka dia any no mangataka ilay izy dia tanteraka hono izay tadiavinao, asa !!

Finoana:
Tsy hoe masoandro araka ny nolazain\\\'i xxx ny Andriamanitra hinoany fa Ilay Andriamanitra namorona izao rehetra izao ihany koa, Izy no Andriamanitra tokana ozy ny koran, atry I Mahomet no Ilay Mpaminany lehibe nirahin\\\'Atra hanavotra ny olona,
Ny silamo dia mino an\\\'i Jesosy ho Mpaminanin\\\'Atra fa tsy Atra, mino izy ireo fa maty Jesosy fa tsy nitsangana.
Tsy mihinana kisoa ny silamo satria biby maloto noraran\\\'Atra tsy azo hanina, toy ny voalaza ao @ testamenta taloha ao @ baiboly.
Tsy misotro zava -pisotro misy alcohol koa raha tena silamo, fa misy koa manko ny silamo sadasada. :-P
Eo amin\\\'ilay resaka hoe afaka manambady maro ny silamo, maro ny diso fandray io ka manaonao foana hono ny sasany, Mahomet nanome io didy io noho ny fankam-panahy izay mahazo ny lehilahy maro, saingy kosa, nanafatrafatra izy, fa afaka manambady hatramin\\\'ny efatra ny lehilahy iray raha afaka mampitovy ny zon\\\'ireo vehivavy ireo, na resaka fitiavana , na resaka vola izany. Izany hoe fahotana ho an\\\'ny lehilahy ny fanambadiany vehivavy maro raha toa ka tsy mitovy ny fitondrany ireo vadiny.( Impossible nefa io hoy aho manokana satria tsy maintsy misy ny tiana kokoa )

Ny fifadian-kanina( ramadan)
Io dia tsy maintsy hatao indray mandeha isan-taona, fomba iray hinoan-dry zareo hahazoana ny paradisa ny fanatanterahana io fifadian-kanina io. Misy ny ora voatondro tsy ahafahanao mitelina hanina eny fa na dia ny roranao aza tsy azo atelina, fa kosa misy ny ora izay hihinana-dry zareo sakafo ny alina.
30 andro ny faharetan\\\'ny ramadan, ary raha misy fotoana tsy ahafahanao , manatanteraka eny anelanelany eny, dia manampy andro aorian\\\'ny hahatamperan\\\'ny ramadan.Ny zaza sy ny antitra ary ny marary dia tsy voatery hanao ramadan, toy izany koa ny vehivavy tongan\\\'ny fadimbolana.
Mandritra ny ramadan ny mpino silamo dia manao asa soa sy fanomezana( ary tena tsara fanahy zareo @ io fotoana io an! :-P ).

Ny fandoavana ny zakat:@ aleo am manaraka indray fa lava loatra hihihihihi
14. yonikafopl ( 20/01/2005 20:39)
Ny fandoavana ny zakat indray dia toy ny fahafolon-karena ihany. Amin\'ny silamo io harena azonao io dia tsy anao irery no nanomezan\'Atra azy, fa hiarahanao @ ireo mahantra manodidina anao, ka tokony omenao azy ireo ny anjarany.

Hanampiako ny lazain\'i booboo, afaka mivadika finoana ny silamo raha toa ka manaraka ilay religion du livre, fa ny tsy azony atao dia ilay miala ka mijanona ho tsy mpino.
15. ikaretsaka ( 20/01/2005 21:06)
yonika> fa ahoana ary ilay tantara ao ambony io?
mikamenina ry silamo raha lasa mmiala tsy ho silamo intsony ny zanany?
16. isrine ( 21/01/2005 13:41)
raha manaraka ny finoana silamo za tsy midika fa niala t@ maha-kristianina aahy mihitsy. Noho izaho nanambady ka raha misy ny ilana ahy à fianakaviana dia izay no antony, tokony haharaka ny zavamisy rehetra aho.
miaina @ finoana 2 aho ankehitriny.
17. chipie1 ( 21/01/2005 14:39)
yonika> misy tavany mangalatra nefa fotoanany ramadan an! :evil:
18. booboo ( 21/01/2005 22:16)
hihihihi
19. yonikafopl ( 21/01/2005 23:00)
chipie1 ka reny ilay silamo sadasada ka
20. ikaretsaka ( 21/01/2005 23:09)
hatrany kao no misy sadasada..
chipie> sady reny tavaratra ireny hono manoatra nohon\'ny bandin\'i bekiraro raha hilaiso sy hanao sito mahery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0877