fa ratsy ve ny mandeha boîte e???

1. tenio ( 06/01/2005 10:08)
Mahagaga hoa fa rehefa mandeha any amin\'ny trano fandihizana matetika ianao,indrindra fa any Mada dia lazaina fa maditra e, lasa ataon\'ny fiaraha-monina resaka.
Torohevitra fotsiny:
Ho an\'ny rehetra:
1-Fidiana tsara ny toerana aleha, ireo trano fandihizana tsy azo ifohana sigara sy misy mpisava eo am-pidirana no tsara
2-Aza adino sy ataovy ara-dalana tsara ny taratasy rehetra alohan\'ny ivoahana ny trano: kara-panondro, taratasin\'ny fiara
3-Omany dieny mialoha ny fomba hodiana rehefa vita ny lanonana ( tsy dia tsara loatra ny mandeha tongotra @ alina )
4-Fadio ny mitondra zava-mahadomelina na zava-pisotro mahamamo
5-Mahaiza mano TSIA rehefa misy zavatra tsy tianao, ohatra: enitn\'ny olona mamo @ fiara, tolorana zavatra tsy tianao

Ho an\'ny ankizilahy:

1-Fadio ny zava-mahadomelina sy ny toaka
2-Mihataha raha sanatria misy korontana fa aza miseho ho be sandry koa
3-Aza mila vanony @ videur na sécurité raha misy tsy ifanarahana fa aleo mangina fotsiny

Ho an\'ny ankizivavy:

1-Tsy tsara raha mandeha irery fa miaraha foana @ namana AZO ANTOKA
2-Aza manao trop sexy loatra na fitafy na fandihy fa mampisy hevi-dratsy ho an\'ny sasany
3-Fadio ny manaiky haterin\'ny olon-tsy fantatra na entiny mivoaka any @ maizimazina
4-Fadio ny manaiky zavatra fihinana na zava-pisotro omen\'ny olona tsy fantatra ( sao misy poizina na fanalemena )
5-Aza mifanary @ namana fa mifampitsinjo hatrany ao anatin\'ny lanonana, indrindra rehefa hody

Toromarika efa fantantry ny rehetra ihany ireo fa fampatsiahivana ny ahy. Ny fahaizan\'ny tsirairay mifehy tena anefa no tena zava-dehibe. Dia mahaiza ary manararaotra fa tsy indroa ho tanora anie @ fiainana e.

novalian'i sonwin ny 25/03/2005 11:22
2. ramoul ( 06/01/2005 12:29)
Dia misaotra betsaka tam\' ny fampahatsiahivana ry tenio!
Io ange tsy hoe fahaditrana ny mande am\' inreny trano fandihizana reny am\' alina é! fa le fomba fisainan\' y mpiray monisa fotsiny no tsy mety, satrsia, ianao matoa mande am\' ireny de te hiala voly ary hitady ny mahasoa fa tsy hoe hosotro tôka fotsiny na koa animba vanatana
3. fanja1 ( 06/01/2005 17:40)
Misoatra tenio fa za alou tsy tia mandeha @ reny mihintsy e! :-D
4. watafon ( 06/01/2005 18:26)
amiko alou voalohany indrindra d za alou tsy mpandeha kou fa efa nandeha ihany talou e ! tsy hoe ratsy le mande boite fa mila manaraka tsara ireo toromariky tenio ireo fotsiny e! tsy misy diso reo na d iray aza !
5. maditra ( 06/01/2005 18:42)
Dia lazaina maditra karaha zah ve nareo rehefa mandeha amin\'ny boite? ha ha coul!
6. ikaretsaka ( 06/01/2005 19:28)
mersi @ le torohevitra letsy e.
ny tsy fanarahana ireo tokoa matetika no mahatonga ny gidraak any @ ireny boite ireny
za kao aloha tsy de reny loatra fa ny ahy aleoko cabaret
7. chipie1 ( 06/01/2005 19:55)
zahay aloha mande ndraindray e!
8. ikaretsaka ( 06/01/2005 20:04)
de manaraka ireo torohevitra ireo ve i chipie?
9. chipie1 ( 06/01/2005 20:10)
reo aza mila ampina !
10. ikaretsaka ( 06/01/2005 21:06)
ampiana inoan ohatra?
11. chipie1 ( 07/01/2005 08:25)
refa mande de misy bandy fa tsy mande sipa samy sipa oatra!
12. welieoelee ( 07/01/2005 11:50)
tenio
:-* bizzz be enao pour ces conseils an!
Zà aloha tsy mpandeha boîte fa na izany aza...ilaina ihany reo conseils ka! :lol:
13. ikaretsaka ( 07/01/2005 15:28)
chipie> fa maninona raha sipa samy sipa?
14. pitchou ( 07/01/2005 19:47)
fa maninona tokoa raha sipa samy sipa? sao d ny bandy namana mba nantenaina ianteherana indray no manondrana!
zà tsy mpandeha boite ary tsy tia mandeha boite indrindra raha eto Tana, fa raha misy namana mba te-handeha d lazaiko azy zany hoe i tenio pro fa any alou maka lesona an! mety ve?
15. chipie1 ( 07/01/2005 20:59)
hafa iany ny ambiansy refa misy bandy raha amiko manokana alou e!
16. mihanta ( 08/01/2005 12:50)
refa misy ny ambiance tsy hitako zay maharatsy ny mandeha boaty(refa tsy techno b manadala)
17. ikaretsaka ( 08/01/2005 16:55)
mihanta> fa le totohevitra io ambony io arahana sa tsy arahana
18. cutie ( 11/01/2005 22:24)
za mandeha bal fa mbola tsy nandeha boite :)
Ikaretsaka sao de lazain\'ny oul fa hitady bandy raha samy sipa no mandeha boite.
19. ikaretsaka ( 12/01/2005 05:50)
de inona ny olana?
20. ravatorano ( 12/01/2005 08:37)
za aloha d mpandeha amin ireny boite ireny na ireo antsoina koa hoe cabaret eto amin ny nanata fa kosa tsy be barofo.Marina ny teny anatra nataon i tenio fa izao kosa raha misy managan tsandry amiko v d avelako fa hilefa za io indray d tsy ekeko fa d mivoaka maka malalaka :idea: , izany tsy midika fa be sandry za sady za rahateo tsy besandry fa bekibo , fa za tsy mahazaka hoe manana ny rariny nefa kotabaina.Ny fivoahana ohatran ireny koa matetika dia misy toaka foana eh :-P vitsy izany namana mandeha miboite tsy manapi izany raha kofa io fa raha sipa indray no manapi dia aleo ialana avy hatrany fa mety hanahirana :evil: .Ny tena atao amin ireny boite ireny amiko dia fanitsanana satria mandihy no tena anton dia any mila tsembotsemboka manala azy eh 8) :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0092