Raha enao filoha ve de nandroso i M/car?

1. tanala ( 23/12/2004 18:03)
Mba valio hoe io fanontanina io ry zareo.
novalian'i xxx ny 15/01/2005 21:24
2. fanja1 ( 23/12/2004 18:29)
f\'angaha mora² ity mitondra? :roll:
3. xxx ( 23/12/2004 23:06)
andraso aloha hianatra ny raharahampitondrana dia omeko anao ny valiny
4. xxx ( 24/12/2004 00:47)
Peut etre! lol! Nefa arakaraka ny fahaizako ny fampanantenana ataoko. izay aloha efa sure!
5. mihanta ( 24/12/2004 09:41)
tsy hidirako lalina zany fa raharaha sarotra,aleoko mitonja poketsa
6. sechat ( 24/12/2004 09:51)
mety ié, mety tsia :roll:
zany ngah moa hita raha tsy efa mitondra le ol ? :-D :-D :-D
7. mihanta ( 24/12/2004 09:53)
sechat hihihih oui c ça lol
8. tanala ( 24/12/2004 10:10)
Marina zany tsy mora2 no mahazo an-Ra8 @zao. Fa ny tena mahavarina ahy de reo gasy tsy mety tonga saina mihitsy hoe inona mampahantra azy de mba mijery koa inona no vahaolana. Tsy ny Euro mihitsy aloha no hiandry ny Ariary be ny Dollar ary minanaka. Ny filoha niova fa ny gasy manohy ny fanaony ihany. Koa ra tsy Ra8 no inona koa.
9. tanala ( 24/12/2004 10:16)
Marina zany tsy mora2 no mahazo an-Ra8 @zao. Fa ny tena mahavarina ahy de reo gasy tsy mety tonga saina mihitsy hoe inona mampahantra azy de mba mijery koa inona no vahaolana. Tsy ny Euro mihitsy aloha no hiandry ny Ariary be ny Dollar ary minanaka. Ny filoha niova fa ny gasy manohy ny fanaony ihany. Koa ra tsy Ra8 no inona koa.
10. xxx ( 24/12/2004 13:44)
raha azoko tsara izany dia tsy miankina @ filoha ny mampahantra na tsia?na hoe mahay mitondra ra8 fa ny gasy mihintsy no te ahantra, na hoe,tsy hanala ny fahantran\'ny gasy akory no maha eo an-dra8, sa ve hoe ny gasy mahantra no maha-mpanana an-dra8 sa ahoana fa tsy azoko no tianao lazaina,,,,,,,?????sao dia mba fanatique loatra ianao...ohatra
11. heartbreakkid ( 24/12/2004 17:17)
Aleoko ny tokantranoko no hataoko izay mahatsara azy! Tsy manana aina hatao zany resaka pôlitika zany aho!
12. pitchou ( 28/12/2004 18:43)
xxx> aleo atao reka-X ity fa enao aza tsy sahy miseho sy mijoro akory nefa b tsikera:
mety tsy ra8 no tsy mahay mitondra fa ny olona no tsy mahay entina!
mety tsy ny firenena no miha-mahantra fa ny olona no te-hipetra-potsiny ho fahanana d aleo mitsikera! na farafaharatsiny manao aferafera sy mangalangalatra @ fomba samihafa
mety tsy ra8 no b fampanantenana fa ny olona no tsy maharaka ny hafaingana-pandehany d mampitarazoka ny fampandrosoana azy
13. xxx ( 01/01/2005 14:36)
sarotra b zany mitondra zany fa fara farafaratsiny tokony ampidininy lery ny yahort ra tena tia tanindrazana lery
14. maditra ( 01/01/2005 20:28)
hita hoy aho! Sady zah izany efa te hinana yaourt fa tsy mahavidy!
15. ikaretsaka ( 02/01/2005 00:35)
maditra> omby vavy be ronono vidiana fa iny sady durable no rapide
16. crrlanto ( 02/01/2005 12:31)
ny fijeriko azy ,haigam pandeha loatra ny filohantsika eo amin,ny asa fampandrosoana,ohatra,amin,ireny toerana vao nahavitana lalana ireny zao,oh vatomandry,toerana tena tsara ,nahoana no vao vitsy kely tsy maharaka akory ny mpandraharaha momba ny hotely,vao haingana aho no nadalo tany,fa tena betsaka ny mpizahan tany, saingy indrisy,tsy mahay mananaraotra ny mpandraharaha gasy,variana loatra @ zavatra tsy mamokatra .Amin,ny maso tsy miangatra, izao fotoana izao no tena fananaraotana @ fandrarahana,sy fampandrosoana, indrindra ianare avy @ faritany,araraoty zalahy an,aza amelana ra8 raha tsy vita ny lalana, sy ireo foto drafitr asa,raha tsy tafiditra an tsekoly daholo ny zanakareo,aza variana @ adilahy politika,zaranareo mba misy filoha(c,est la premiere fois) mba mieritreritra anareo, na isika eto antananarivo , araraoty ihany zalahy an,lasa eo ra8 vao eo sika no raisina
17. ravatorano ( 03/01/2005 13:28)
pitchou>tsy marina velively izany hoe tsy ny mpitondra no mampahantra fa ny vaohoaka no mipetra potsiny tsy mikaroka zavatra na farafaharatsiny hevitra entina hampandroso ny firenena.Laviko marindrano io.
Izaho dia mahita any rehetra any rehefa mandehandeha izany fa miasa mafy tokoa ny olona fa ny fitaovana entiny miasa no tsy maharaka.Ny tany amboleny aza izao misy lasan ny fajakana indray , ny trano onenany arodana mba hanajariana toerana ho an ny fanjakana na ireo miara mipetsa aminy.
Ny zezika v mba misy izany eto amitsika ary moa v mba misy vahaolana naroso momba ny fampiarana tanteraka ny fambolena vary maro anaka amin ny alalan ny SRI.Inn no tena ataon ny fanjakana foibe amin izao fotoana izao hanampiana ny vahoaka madinika.Manao lalana ekeko nefa tadidido fa tany Maintirano dia nisy fiara lehibe kamio nitatitra olona lasan ny rano raha niampita radiers izy ireo.Olona teo amin ny dimam polo teo no maty.
Ny depité andry zareo any moa aleony aza miaro ireo voarodana trano eny Ivato toy izay hijery an izany nefa herinandro talohan io nisy 404 baché iray ihany koa nentin ny rano teo amin io toerana io ihany ary olona telo no maty.
Inn no fampandrosoana amin izany ?
Raha izaho nno filoha aloha raha amin izao dia tsy handroso madagasikara fa tsy tsara ny midedaka hoe mahay sy mahavoa satria tsy manana ny enti manao amin izany ny tenako ary tsy ampy fahaizana sy traikefa . :oops: :oops: :x :x :x
18. costo ( 03/01/2005 14:28)
Raha izaho no ataonareo filoha dia ataoko enjana ny fitondra ampiova ny fomba fisainana kamo sy mpandrava ny efa vita fotsiny. :twisted:
19. sechat ( 03/01/2005 14:45)
:-D :-D :-D izany an!
20. xxx ( 03/01/2005 17:42)
ravatorano> an3 fa za kouss mahita fa betsaka ny kamo any dago any!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102