FAMOAHANA MPIANATRA KABARY 28/11/2004

1. naritsimba ( 16/11/2004 11:05)
Dia fifaliana lehibe no ilazana amintsika izay mpitsidika eto @ Lohahevitra Kolontsaina fa:
Hamoaka ireo mpianatra nahavita ny fianarany taona 2004 izahay, izy ireo dia nianatra ny momba ny KABARY MALAGASY.
Ny toerana hanaovana izany dia ao @ Ankany FJKM AMBOHIPO ny Alahady 28 Novambra 2004 manomboka @ 2 ora tolakandro. Koa anasana antsika namana izay afaka mba hifanotrona @ izany.
Misy 45 mianadahy mianaka no havoaka amin\'io andro io ka 30 ny olon-dehibe ary 15 kosa ireo solofo dimbin\'ny ala.

Dia manantena ny fahatongavantsika maro.

Tsy misy vidim-pidirana.
Misaotra mialoha eh!
2. xxx ( 18/11/2004 14:47)
Tonga an\'eritreritra any zahay Ranaritsimba a ! Aza vonoina ny tahirintsary mihetsika t@ jolay ireny fa sôvenira a ! Tsarà de tongava avy @ izay iriana eeee !!!
3. naritsimba ( 19/11/2004 08:25)
Misaotra ry samoina ah!
na tsy mitonona aza fantatro foana, misaotra @ fankaherezana.
Dia mirary anao ho tonga @ izay tanjona irina,
4. tsilan ( 19/11/2004 16:59)
Dia avoaka aiza ry zareo ireo ry Naritsimba. Ohatran\'ilay mamoaka omby ireny ve zany?
5. ravatorano ( 10/12/2004 07:30)
tsilan>raha elah zao no avoaka fa vita ny fianaran elah v d azo lazaina fa ohatran ny hoe mamoaka omby v sa avoaka aiza elah ? :-D
ramaso>tsika aloha d tsy maintsy misy fanalana kely foana eh soa ihany anefa fa misy anareo :-D amin itony eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3318