inona no atao hoe lehilahy na tovolahy maditra ho anareo naman vehivavy

1. ravatorano ( 12/11/2004 10:07)
Asa raha efa nisy nanolotra teto ity lohahevitra ity fa mba tiako ho faritanareo namana vehivavy ny antsoinareo hoe lehilahy na tovolahy maditra ary misy ambaratongany v izany ?
Misaotra.
novalian'i fijo ny 04/05/2005 21:44
2. kally ( 12/11/2004 10:11)
Ny ahy ny lehilahy maditra dia izay tsy mahay manaja ny manodidina azy,tsy manaja ny vadiny na ny sipany,tsy manaja ny ray aman-dreniny ary tsy manaja ny tenany.
Tsy mahita afa-tsy ny androany tsy miraharaha ny rahampitso,tsy mahita afa-tsy ny tenany tsy te-hahalala ny hafa.
3. ravatorano ( 12/11/2004 10:47)
hum tena tsara faritra izy zany kally ary hitako fa mibahana amin ilay hevitrao ny fanajana
kally>aona moa ilay manaja vady na sipa manaja ara bakiteny sa manaja ara fizika sa manaja amin ny lafiny manontolo izany ?
4. ramoul ( 12/11/2004 13:42)
raha ny fahazahoako io hevitry kally io dia ilay fanajana ara-bakiteny ho fiheverako an\' io zavatra io.
Fa misy koa nefa ry kallly no tsy manaja ny manodidina, ny hafa, ny vady aman-janaka, tsy mahita afa tsy ny tenany, ny an\' ny afa tsy raharahany .
Samy misy an\' io dôly ny olom-belona retra fa ny vehivavy manafona ny artsy vitany sy izay mbola tsy navôkany , d ôtran\' ny hoe mba hendry ery nareo vhv
5. maditra ( 12/11/2004 14:20)
Tsy izany mihitsy izahay! :-D :-D :-D

6. arimalala ( 12/11/2004 14:31)
ka tsy any mihitsy ry ramoul ny resaka fa ny lehilahy nge zao no tenenina eto e!
7. ikaretsaka ( 12/11/2004 14:36)
eny e.. fa tsy mety kosa aloha ilay hoe nareo ty de zay ry... fa samy misy ilay maditra lazan\'i kally sy ramoul io daholo..

misy tokoa (tsy voatery lahy na vavy ihany fa izy 2) tsy manaja ny manodidina, ny hafa, ny vady aman-janaka, tsy mahita afa tsy ny tenany, ny an\' ny afa tsy raharahany .
ny manafona ny ratsy vitany sy izay mbola tsy navôkany ,
8. kally ( 12/11/2004 16:42)
Ka ny fanajàna lazaiko eto,manaja e!angaha moa ny fanajana ry reto mizara ho ara-bakiteny sy ara-batana izany?
Ny hoe hajaina izany anaovanao azafady,tsy kitakitaina, olombelona tsy anjely fa rehefa tsy nety ny natao dia miala tsiny dia tsy mamerina intsony,na vady io na ray aman-dreny na minisitra na mpamafa lalana rehefa hajaina dia mitovy e!Raha olona hajainao tsy handainganao,tsy fifanarahana ve tsy hisy fa atao amim-panajana e!mahay mijanona rehefa hita fa mitady hihoatra.
9. poupounesana ( 13/11/2004 06:40)
meci kally han!tena ekena tanteraka
ampiako kely fotsiny tena maditra ihany koa ireo oll tena tsy mieritreritra hafatsy ny hiliba fotsiny, ny fahafinaretany manokana ihany no tadiaviny (zany hoe ankoatra ny tsy fahaizany manaja ny manodidina eny fa na d ny oll akaiky azy fotsiny aza, d tia tena b koa ireny maditra ireny no sady tsy mba mieritreritra ny hoaviny, tsy mieritreritra ny \"conséquence\"ny zavatra ataony! matetika izy d tsy matanty mena miraviravy no sady tsy mahalala limity @zavatra ataony. rah misotro toaka oh d misotro bdb, raha hanao sipa ohatra d sipaina daolo zay azo sipaina rehtra, rah tia vola oh d tena tompoina mitsy le vola!!!d farany d tonga any @fisolokiana sy famonoan\'oll!tsy zay koa v le maditra eh?
10. dezy ( 13/11/2004 08:02)
zany hoe tsy mitombona zany le teny hoe:tiavo ny namanao tahaka ny tenanao .Ra dinihina io teny io de midika :enao klou manao le fizahana de avy eo ra hitanao fa mety ho tsara ho any namanao de mba zarao @ ; ny ratsy avela zay navoa anao ;ka ostan\'zay ny lhl mitady le izy klou de mizara ho any manodidina avy eo .Ny fandiniako azy an :-P :-P :-P
11. ikaretsaka ( 14/11/2004 04:12)
tsy afaka miteny ny olona hoe maditra aloha raha tsy mahatsapa ny tenany koa..
12. pitchou ( 14/11/2004 06:01)
nenà aloha raha vao tonga eo @ le hoe manohitohina ny mahaolona sy maha izy ny hafa, eo @ lafiny rehetra dia efa maditra izany amiko! na eo @ vady io na eo @ zanaka na eo @ namana na eo @ manodidina!
13. fijo ( 15/11/2004 22:20)
na manao izany rehetra izany aza ka mahay miaraka tsara amin\'ny olona fa tsy misy olana dia efa hendry izany ka
14. zavona ( 16/11/2004 10:12)
Tsara le hevitra hoe refa manohitohina ny hafa dia maditra izy izay.Amiko ny maditra raha ao @ couple dia mivoaka @ lalanan\'ny fiaraha monina ny couple. tsy misy ny maditra raha saamy mahatanty mantsy
15. tandanitra ( 16/11/2004 11:36)
tsara be ilay lohahevitra saingy mba tokony samy hilaza NY ANTONY mampahaditra ny lehilahy isika satria tsy maditraditra foana akory ny lehilahy fa misy antony ....?( avy @ fiarahamonina ? avy @ ray aman-dreny ? avy amin\'ny ....vehivavy ? etsetra....) Dia inona ary no atao hoe lehilahy na tovolahy HENDRY aminareo ?
16. fijo ( 16/11/2004 22:49)
lehilahy hendry.
misotro toaka fa kely,
mifoka sigara fa kely,
midaina fa kely
manao sipa fa sipa kely.(fohifohy)
manao sport BE
mikaly BE
mihira BE
mianatra antoniny.
17. dezy ( 17/11/2004 10:31)
tsy ampy kely fijo a: manao rahara kely ao an-trano ,tsy matory maraina fa @ 10 ora de tsy maintsy mitsangana,hihihihihi
18. felampaiso ( 17/11/2004 11:09)
:-D :-D
lehilahy madiditra:
misotro toaka fa tsy kely,
misotro sigara sy midaina fa tsikelikely
manaonao sipasipa fa tsy mety mahita fahafahampo satria.....

eisy ééé!!! :^) :^) hihihi !
19. fijo ( 17/11/2004 22:16)
ok dezy a.hadinoko iny fa za mifoa maraina be foana mantsy.
felampaiso>satria maninona?
20. pitchou ( 20/11/2004 15:16)
fijo> maditra enao zany satria manaraka ny fepetra sasany ho an\'ny lhl hendry!
lhl hendrihendry:
tsy mifoka sigara fa mangalatra mifoka
tsy misotro toaka fa mba varimbariny indraindray
tsy manao sipa fa mangala-pinana
tsy manao raharaha ao an-trano fa manampy foana
tsy mivoaka alina fa tsy mody an-trano (ndraindray!!!!)
tsy laniny daholo ny kaly ao an-trano fa mba amelany ihany ho an\'ny hafa
tsy kamo b fa mba manao spaoro kely ihany (isa-maraina ohatra!)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1655