ny virtuelle makany amin\'ny réelle : maro ny namana no mahatsiaro fatsy mety aminy io !

1. ravatorano ( 08/11/2004 10:31)
Raha jerena dia eto Madagasikara dia maro b ny mpikambana ao amin ito namana.serasera ito.Raha nanao fanadihadiana ihany koa ny tenanay dia nahatsapa fa betsaka ireo namana tsy sahy miala amin ilay ps virtuel omihitsy ka tsy sahy miteny ny tena anarany na dia efa mifankahita aza fa dia aleo ravatorano ihany no iantsoana anazy.
Fa ity no tena henjana>Marobe amitsika namana ato amin ity site ity nno mieritreritra fa tsy d ialaina loatra ny fandehanana any amin ny réel izany hoe mifankahalala eto amin ny virtuel eto dia mifannkahita indray d lasa tena fihavanana tsy hay tohaina intsony amizay.
Io dia samy manana izay eritreriny aloha ny namana tsi1-1.
Amiko rehefa atokisako ilay olona dia ampy ahy ny mahita azy amin izay ka hanariko ny akanjo virtuel. :wink:
novalian'i fijo ny 22/12/2004 21:59
2. zandrinifijo ( 08/11/2004 10:54)
fita oa :-D :-D :-D
3. naritsimba ( 08/11/2004 10:59)
Misy marina io ravato raha raisina @ hevitra tokana monja.
1-Ny olona izay tsy mety miseho fa miafina ao anaty solon\'anarana foana dia na izy saro-kenatra, na izy matahotra satria mety ilay mpiteniteny foana, ao ihany koa ireo ilay efa tena toetra tsy afaka aminy intsony ny fiafenana na inn na inn ataony. mahatsiaro tena ho hafa noho ny hafa izy raha miaraka @ olona hafa izay tsy fantany sy tsy mbola niresaka mivantana taminy.
2- Ny olona sahy miseho kosa rehefa avy niafina tao anaty solonanarana dia ny mifanohitra amin\'ireo ny toetrany mazava ho azy.
3-Azo atao ny manary ilay akanjo niafenana rehefa mifankahita nefa kosa, tsy azo ariana be fahatany fotsiny amin\'izao iny satria raha olon-kafa mpiserasera ato no mifankahita aminao dia tsy maintsy ilay PS aloha no entina hifankahalalana @ izay dia mora ny fifandraisana fa raha tonga dia hanary be fahatany dia tsy voatazona intsony ny naha tato @ serasera antsika raha vao ariana iny PS iny.
4-Ilaina daholo izany amiko ny PS na aiza na aiza fa ny fotoana ampiasana azy no samihafa, raha mpiserasera dia ampiasaina ny PS fa raha ankoatran\'izay dia tsy ilaina izy fa miankina @ safidiko, ny ahy izao ravato de Naritsimba no ahalalana ahy ato dia noezahiko nampahafantarina ny any an-trano ilay izy mba tsy hahataitra azy rehefa mandré io anarana io.
tadidio ilay fiteny hoe: IKOTOZAFY ihany kay no ALEXIS.
Misaotra ravato fa tsara ilay lohahevitra.
Ity kosa no hevitro ahy manokana:
4. six ( 08/11/2004 11:41)
zany mintsy! satria enao ihany anie iny e!

ny ahy kou d ny amafisiko d we ataovy serieux fotsiny e!

fa misy tokoa angamba manala azy fotsiny eto, nefa ny tanjona d we \"serasera\" ka tsara kokoa ary ny mivantana noho ny virtuelle amiko, za mantsy zao na d ts mahita lazaina firy aza rehefa misy ny fandraisana fitenenana @ le mihaona mivantana reny d azo lazaina fa présent hatrany, sady mety amiko daholo izay iantsoana ahy na am ps na ny prénom

d zay
5. ramoul ( 08/11/2004 13:09)
surrrrrrrrrrrrrrrrrrrrra marina mintsy zany ravatorano a!
6. fijo ( 08/11/2004 20:52)
efa mba niheritreritra an\'io koa aho ary dia tsapako izay voalazan\'i ravato izay.ka dia asantsika tsirairay io e.
7. fatsoraly ( 09/11/2004 00:52)
ny ahy moa dia efa voalazan\'ny anarako hatr@ fihaviako ka dia tsy asiako olana. hahaha!
8. fijo ( 09/11/2004 21:08)
mety koa anie le ps,fa ny olana dia isika le mbola tsy zatra mifandray amin\'olona vaovao e.
9. bekorontana ( 10/11/2004 05:54)
virtuelle mapikorotana zanakatido
10. sambatra73 ( 10/11/2004 08:57)
io ps io kosa no nahabotrabotra teto ravatorano sady io ange dia samy nifidy zay tiany e. Sady amiko tsy ny anarana no mah-olona fa ny fo sy saina.

naritsimba: refa ela niseraserana eto ngamba mba mety iala iany io sarokenatra io ka :-)

Eritreritro io a.
11. pitchou ( 10/11/2004 19:59)
ny tsirairay angamba afaka misafidy hoe le namana ranona tsy maninona intsony raha ifankahalala mivantana fa ry ranona kosa aleo ny eto ihany no hifandraisana aminy! satria tsy misoratra eny @ tapokandriny ny toetran\'ny olona tsirairay!
12. fijo ( 10/11/2004 21:28)
izay mihintsy ry pitchou.
13. raketrika ( 11/11/2004 09:17)
ka raha azoko d ilay fialana amin ny virtuelle no tian dravato lazaina eto.
Misy zao fihaonana d voabahan izay ireo naman d tsy mandeha satria mbola tsy te hiseho izy
pitchou>marina ny anao aloha eh
ramoul>hihihihi tokony hifanena mivantana amin izay zany nao sy pitchou fa efa mifanakaiky b ny hevitra
14. angie ( 11/11/2004 10:00)
nena indray tsy mampaninona ahy na mihaona daholo aza fa rehefa avy eo hita eo hoe iza no tena namana :-* ary iza lay tena virtuel fotsiny :evil: . misy le tena milay be ireny ange ato fa manampaka lalandrà avy eo, indrindra fa ireny manana PS 3 sy 4 ireny dia mihevitra ny olona ho ovy :-D .
15. pitchou ( 11/11/2004 17:47)
ramaso> sao d manaiky fotsiny aza enao satria nanaiky i fijo? nareo 2lahy manko mifanohan-kevitra foana na ho any na tsy ho any kou! ;-)
raketrika> ramaso io fa tsy ramoul ka!
16. fijo ( 11/11/2004 20:53)
angie >nefa ilay olona paty o. :-D :-D :-D
pitchou>marina kosa anie nendramaso io e.manaiky izy rehefa tsara ilay hevitra fa manohitra izy rehefa tsy mifanaraka amin\'ny azy.
17. ravatorano ( 12/11/2004 09:35)
marina dhl ny voalazanareo fa ny tena hitako mantsy rehefa misy fihaonana ireny eto Dago dia milaza ny ho avy daholo , handray anjara izahay eh , aiza ny toerana fa zahay tsy metsy tonga any ! ! ! Indraindray izahay mpikarakara ireny fihaonana ireny vaky loha hoe raha araky ny hevitra tonga sy ny fampilazana dia kely loatra ity efitra na trano ity fa andao rangahy hanofa local mihitsy ah .Feno fisalasalana ny tena hany ka izay no nahatonfga ahy nametra panontaniana hoe sao kosa aza tsy dia fahasahirana loatra fa tena tsisy te hiala amin ilay virtuel ny namama raha ny fahazahoako azy
18. xxx ( 13/11/2004 06:34)
Ravatorano/ Maro amintsika angamba no efa mambrana fikambanana ( sosialy, fanatanjahantena, ets...) hatry ny fony kely ka mandrak\'ankehitriny.
Amin\'ny alalan\'ity serasera virtoaly ity koa anefa dia azo antsoina hoe iray fonosana koa isika. Saingy hafakely satria tsy mbola fahita taloha. Ka izay vao manavao izay amiko no heveriko fa mbola maro amintsika ny mankafy mijanona @ io maha-virtoaly azy io ! Mbola maka tsirony hoy ny fitenenana. Mino marimarina aho fa afaka taona vitsy tafankahita ny ankamaroan-tsika fa afa-po mifanalanala ambadika eto.
Momba ny ps moa, tsy tsaroako akory t@ nifankahita t@ Ravato sy Naritsimba ny tenako raha nifampilaza ny tena anaran-tsika isika. Tsy nampiova inona anefa izany fa rehefa tsara sy nahafinaritra ny fifandraisana dia nahafinaritra. I Samoina aza efa noheveriko fa maty hay io no ahatadidiavan\'ny namana samihafa ahy ka naleoko notsofitsofina velomina tsindraindray eny ihany !! :lol:
Tsarà daholo e !
Samoina
19. kitjo ( 13/11/2004 14:32)
Mety ho arakarany io...raha finamanana eto fts
satria raha hoe tsy fantany mitsy ilay olona dia azony resahian dol zay tiany resahina...fa vao hoe fantatra hoe ty le olona d mety lasa menatra na tsy haiko aloha e

finamanana tsotra no lazaiko hoe mety ho antony io
20. pitchou ( 14/11/2004 03:24)
ie! marina izany! ilay tsy fahafantarana hoe iza tokoa moa izany samoina izany na i fijo izany no mety mahamora ny firesahany izay olana mba tiany resahana @olona nefa tsy tiany resahana @ manodidina azy akaiky, na mba eto anoloan\'ny solosaina izy no mba manala stress e (otran\'ah! :D )!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1549