Tsy hitomany aho satria...

1. fyjl ( 28/10/2004 03:05)
- Efa nankiniko tamin\'Andriamanitra tanteraka ny momba ny fahasalaman\'ny zokiko.
- Efa nanaiky aho fa izay sitra-pony ihany no aoka ho tanteraka.
- Efa tato amiko ny finoana fa tsy manome mihoatra izay zakako Izy.
- Fantatro ihany koa fa izay lalana nizoran\'io zokiko io dia tsy maintsy hizoran\'izay mivahiny rehetra eto an-tany.
- Manaiky ihany koa aho fa Andriamanitra tsitoha izay nanao antsika ary tompontsika sy tompon\'ny fandaharana no nahita fa tapitra ny fotoana fivahinian\'ilay zokiko narary ela dia ela teto ambonin\'ny tany, ka nanapak\'evitra fa hitondra azy hody any aminy.
=>Noho izany nivoady aho fa tsy hitomany na malahelo aza satria izay no lahatra ary izay no sitrapon\'Andriamanitra.
-
Isaorako be dia be ianareo namana nanohana am-bavaka sy nampahery.
Ny Ray be fitiavana homba sy hitahy antsika hatrany mandram-pialantsika eto. Ho azy irery ihany ny Haja sy ny Voninahitra izay efa azy hatramin\'ny taloha ka ho mandrakizay.
Amen
novalian'i fyjl ny 17/11/2004 12:21
2. loockx ( 28/10/2004 03:36)
D mamangy amfahoriana e. Tombondalana ny azy fa isika d tsy maintsy ho any ihany. Izy no nanome d izy koa no naka. Mahereza e.
3. ralay ( 28/10/2004 05:04)
Mamangy @ fahoriana an\'ise sy ny fianakaviana dia aza misosoka alahelo intsony.Zay no lahatr\'Andriamanitra.Tsara levenana ny maty ary henikaja ny velona.
Mahereza hatrany
4. tln2004 ( 28/10/2004 05:05)
Sambatra ny olona mahay manankim-po amin\'Andriamanitra sy manaiky ny fitondrany sy ny fandaharany nyamin\'ny fiainany ary manana finoana sy fanantenana, satria Izy Andriamanitra no manam-pahefana amin\'ny lafiny rehetra sy mahafantatra izay mahasoa antsika tsirairay.
Mampahery anao hatrany e!
5. ikaretsaka ( 28/10/2004 05:06)
mamangy @ fahoriana lehiroa.. dia midera an\'ialahy koa amin\'ny finoana be anan\'ialahy.. Nomeny dia nalaiy satria Azy e!
AMDG
6. mimich ( 28/10/2004 06:05)
Fyjl> mamangy @ fahoriana, izaho koa dia tena midera ny herin-tsaina sy ny finoana anananao. Izy Andriamanitra mahefa sy mandahatra ny zava-drehetra anie hanome fankaherezana sy fiononana tanteraka ho anareo fianakaviana izay nilaozany.
Mahereza e!
7. ravatorano ( 28/10/2004 06:11)
mamangy amin ny fahoriana zandry d mahaiza mionona fa zakain ny miakandrefam baravarana avokoa io.Tombon dalana ny azy fa mbola ho any daholo ihany eh
8. fanja1 ( 28/10/2004 06:13)
mamangy @ fahoriana anao sy ny fianakavinao! aza misosoka alahelo! ho raisin\'i Tompo eo anilany anie ny fanahin\'ny zokinao! mahereza
9. naritsimba ( 28/10/2004 06:32)
Dia mamangy amin\'ny fahoriana.

Ho antsika namana izay afaka dia rahariva @ 5 sasany no fotoana eo amin\'ny arrêt bus 133 eny @ 67 ha (akaikin\'ny restaurant VENUS) mba hanatanteraka ny adidintsika.

Misaotra mialoha.
10. catalina ( 28/10/2004 06:35)
mamangy @ fahorina aho ary mankahery anareo fianakaviana rehetra.Aza misosoka alahelo intsony e. Mino aho fa efa voavelan\'Andriamanitra ny fahotany satria tsika efa nivavaka sy nangataka ny famindrampony ho azy. Izaho koa dia misaotra antsika rehetra nanampy vavaka azy.
Izay fa mahereza.
11. bichette ( 28/10/2004 06:51)
mamangy amin\'ny fahoriana fyjl a ! mpahatsiaro ambavaka anareo hatrany tsy mijanona .
12. mamybe ( 28/10/2004 07:13)
Mamangy amin\'ny fahoriana. Ary koa mampahery anao hatarany. Efa niala nenina na tamin\'ny fitsaboana na tamin\'ny fitondrana amam-bavaka. Andriamanitry ny fiadanana anie hampionona anao sy ny fianakavianao.
13. mihanta ( 28/10/2004 07:35)
miara-ory aminao izahay fyjl,ho lasan\'izay anie ny ratsy rehetra.izay no lahatr\'andriamanitra ka d mahaiza mionona.ny fiainana anefa mitohy foana ka d manome korazy sy mampahery anao ny namana.mivavaka mangina ho anao sy ny fianakavianao.
14. mumu ( 28/10/2004 07:53)
mamangy amin\'ny fahorina anao sy ny fianakavinao ny namana rehetra de mahereza !
15. blackman ( 28/10/2004 08:23)
Mamangy @ fahoriana ry rahalahy Fyjl , Andriamanitra no nanome ary izy ihany koa no naka , efa nanao izay azontsika natao ihany isika fa izay ny lahatr\' Andriamanitra ko dia mahaiza mihonona aza misosoka halahelo .
16. hery ( 28/10/2004 09:57)
Mamangy amin\'ny fahoriana fyjl ary misaotra anao nizara ny fiainanao ho an\'ny namana. Tsy noraisinao ho olona hafa izahay fa noheverinao ho toa ny fianakavianao koa isika rehetra no miara-mizaka an\'izany. Dia mahereza hatrany ary ampitao amin\'ny fianakaviana manontolo ny fampaherezana avy aty amin\'ny namana rehetra.
17. kinaoly ( 28/10/2004 10:49)
fyjl> mamangy amin\'ny fahoriana dia aza misosoka alahelo intsony, mahereza
18. kally ( 28/10/2004 11:46)
Mamangy @ fahoriana Fyjl,vita ny fijanian\'ny zokinao tety an-tany,fa eo akaikin\'Andriamanitra no mahatsara azy ka nalainy izy.Mitrakà sy mahereza hatrany.
19. sahyman ( 28/10/2004 11:54)
Fyjl >>>\"mahereza sy mahatanjaha ; aza matahotra na mivadi-po fa Jehovah Andriamnitra no miara-dalana aminao sy ny fianakavianao\". Izany teny nolazain\'ny Tompo tamin\'i Josoa izany no tiako hampiononana anao. Sambatra izay manana fanantenana ny fitsanganan-ko velona ao amin\'ny Tompo: izay ilay finoana kristiana tsy mba voafehin\'ny fotoana sy ny elanelana :o
20. nikopol ( 28/10/2004 11:59)
Mirary fiononana feno.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3413