Tsy hitomany aho satria...

41. paola ( 30/10/2004 09:20)
Mamangy @ fahoriana fyjl a.
Mahereza hatrany ary aza adino fa ny namana rehetra dia miara-miombona alahelo aminao sy ny fianakavianao.
42. fyjl ( 30/10/2004 13:12)
Fisaorana sy fankantelemena no atolotra ho an\'ny namana rehetra tsy ankanavaka.
Mahatsiaro tokoa aho fa tsy irery amin\'ny fotoan-tsarotra tahaka izao.
Tsy ny fahafatesana no mahafaly fa ny firainsankinantsika tsy manam-paharoa.
Efa nionona tokoa ny tena satria izay no efavoasoratra fa manaraka ny fandaharana fotsiny isika sia.
Manan\'aina ka mety maty ary manan-tompo ka tsy misy mpaka.
Misaotra indrindra eeeeee!
43. kitjo ( 30/10/2004 15:45)
Mamangy @ fahoriana Fyjl an...
Dia mampahery anao sy ny fianakaviana fa efa zay no lahatra tsara avy amin\' Andriamanitra sady fijaliana ho azy fts koa raha mbola niaritra teo ka Andriamanitra tsy mampitondra izay tsy zaka.

44. cafe ( 31/10/2004 14:23)
Dia mamangy aminy fahoriana FYJL mahaiza mihonona tsy mora fa izay angaha no lahatra ary mahereza hatrany akino aminy Andriamanitra ny finoanao
45. sipagasy ( 31/10/2004 19:37)
Entan-jaray mora zaka hoy ny fitenintsika izay ry fyjil ka dia miaraka ory aminao & ny fianakavianao manontolo izahay aty, efa noraisinao tahakan\'ny havanao izahay matoa nizaranao ny fiainanao, ka dia mahereza fa mbola maro ny adidy miandry anao @ taranaka navelan\'ny zokinao, aza mihafahafa fa eto ihany izahay namana rehetra hifanohantohana eto isika é!

Aza misosoka alahelo intsony é!
46. fyjl ( 17/11/2004 12:21)
Isaorana daholo ianareo namana rehetra fa tsy ho hadino mandram-pahafaty ny fankaherezana sy ny firaisan-kina natolotrareo.
Ny faniriana dia mba ho tsara hatrany no hiarahantsika eto fa lasa an\'izay ny ratsy rahetra.
Misaotra éééééééééééé!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7208