Tsy hitomany aho satria...

21. chipie1 ( 28/10/2004 12:15)
mamangy ny fahoriana dia mahereza
22. hadasy ( 28/10/2004 12:19)
Mamangy amin ny fahoriana tompoko , mahaiza mionona e , dia misaora an \'Andriamanitra amin\' ny zavatra rehetra fa izay no sitrapon \' Andriamanitra ho antsika ao amin \' i Kristy Jesosy .Mahaiza mionona tompoko.Aza misosoka alahelo intsony.Alavitra izahay fa mitondra am-bavaka no azo atao .
Mahereza de mampitondra ny fampiononana any amin ny fianakaviana rehetra.
23. fraulo ( 28/10/2004 12:30)
Miray fo aminao ry sakaiza, midera ny finoana anananao ary dia mirary fiononana indrindra ho an\'ny fianakavianao aman-tsakaizany manontolo.
Marim-pototra ny fiononanao, nefa raha mandre maharary ny fo aza toherina tsy handre fa tsy Andriamanitra no hanatsiny an\'izany akory, ny fiononana an\'ny saina fa ny fo mandre ihany ary natao handre. Marina tokoa fa any amin\'ny tontolon\'ny tsara kokoa aminy izy izao.
Aza tsiny indrindra re raha tsy hahatratra an\'ilay fotoam-pamangiana fa somary lavidavitra no misy ny tena.
Mirary soa indrindra an

24. fraulo ( 28/10/2004 12:37)
FyJl>
Dia io efa voalazan\'i Fraulo io ry sakaiza no teniko manontolo. Faniriana tokoa ny ho tonga vatana miray fo sy saina amin\'ireto namana ho any nefa ialan-tsiny re ny tsy fahafahana.
Dia ho tahian\'Andriamanitra an
25. arimalala ( 28/10/2004 13:19)
@ maha mpinamana dia iaraha-mizaka izay miseho rehetra na fifaliana izany na fahoriana, koa miombom-pahoriana aminao @ zao nahalasanan\'ny zokinao izao
Mamangy @ fahoriana
Marina tokoa fa Andriamanitra irery ihany no mandahatra ny @ fiainantsika rehetra eto ambonin\'ity tany fandalovana ity sady hoy koa ny oha-pitenenantsika Malagasy hoe, toy ny voly varin\'Andriamanitra ny olombelona ka izay tiany alaina d alainy
mafy tokoa izany hoe mamoy zoky iray tampo izany
ka d mirary fiononana sy fahatanjahana ho an\'ny fianakaviana rehetra
d ho lasa @ zay anie ny ratsy fa mba ny tsara ndray no hifanotronantsika rehetra
26. nykanto ( 28/10/2004 13:33)
Mamangy amin\\\'ny fahoriana fyjl, faly aho satria Kristianina ianao, ary mino aho fa tahaka anao koa ilay zokinao, ary izay maha-kristianina izay indrindra no tsy itovizana amin\\\'ireo izay tsy mino ny fisian\\\'Andriamanitra sy ny fitsanganan\\\'ny tena amin\\\'ny maty. Isika Kristianina dia manana fanantenana fa mbola hihaoana any aoriana, tsy tapitra hatreo noho izany ny fiainana fa mbola mitohy ny azy sy ny anao koa, fisarahan-toerana ihany izao.

Any ankoatran\\\'ny havoana tena misy lohasaha,
Aorian\\\'ny hasasarana vao hisy fitsaharana,
Aorian\\\'ny alin-kitroka no hiposahan\\\'ny maraina,
Aorian\\\'ny fahafatesana no tena misy ny fiainana

Mirary soa ho anao sy ny fianakvianao mandrakariva eh!
Ny Namanao tsy manadino.
Ny Kanto.




27. rvoulah ( 28/10/2004 14:35)
elaela hoa tsy niditra teto @ forum de zao vao nahita ny zava-niseho sy ny taratasy nalefano; Nisy taratasy 2 tao @ boite ko , de ny 1 hoe mbola tsy sitrana ny marary , iny no vovakiko aloha , kay ilay faha 2 hoe namoy ny ainy ny zokinao.
De mampahery anao hatrany ary misaotra anao nizara ny fahorinao teto @ namana , mahereza ranamana ary aza kivy fa tombon-dàlana ihany ny azy.
Olona mivavaka sy manakimpo amin\'Andriamanitra koa ka aza kivy , mitraka fa izy tsy hanome zavatra tsy zakatsika zanany.
Miala tsiny fa tsy afaka mamangy fa aty lavtra fa efa any ny namana sasany misolotena.
rvoulah
28. rafara ( 28/10/2004 14:36)
fyjl, midera ny fahendrenao aho. Mirary, miaraka amin\' ireo namana, fankaherezana ho anao sy ny fianakavianao.
Harisoa.
29. oully ( 28/10/2004 15:06)
Marina fa mahay miteny daholo izay tsy eo amin\'ilay toerana saingy ataoko fa tsy azo lavina izay voalazan\'ny namana rehetra. Làlana tsy maintsy hizorana io fa tombony ny azy. Iray fo sy saina aminao izahay. Ary miara-mitondra izay mangidy. Mahereza zoky an!
30. atmos ( 28/10/2004 15:17)
Efa be izay voalazan\'ny namana izay fa mitondra ny anjara birikiko koa aho mitondra ny teny fampiononana hoanao. Andriamanitra tsy manao zay zavatra tsy zakan\'ny zanany, fa matoa nataony dia zakantsika olombelona, mahereza ary miombon\'alahelo aminao zahay rehetra ry fijl.
31. yonikafopl ( 28/10/2004 17:12)
Midera ny fahendrena hanananao aho ry fijl. Sambatra ny zokinao nandao ity tany be fahoriana ity, ary inoako tahaka ny finoanao fa efa eo an-tratran\'ilay Mpahary azy ny fanahiny.
Miaraka milanja ny fahoriana aminao miaraka @ ireo namana aho.
Mahereza, mitrotro am-bavaka ho anao sy ny fianankavianao aho.
32. pitchou ( 28/10/2004 19:15)
Mpivahiny natao tsy hitoetra ety an-tany isika zanak\'olombelona- Na natao aza ny ala-nenina rehetra hitazonana ny havana tsy foy rehefa tonga ny fotoana tokony hodiany dia tsy maintsy misaraka satria tsy tompony rahateo isika fa mpindrana fotsiny! Ny mamy hatrany anie no hitoetra ho fahatsiarovana ao am-ponao!
Miombom-pahoriana aminao izahay namana ary mino fa Andriamanitry ny fiadanana eo anilanao mandrakariva!
Aza misosoka alahelo intsony!
33. fijo ( 28/10/2004 19:49)
mamangy amin\'ny fahoriana dia aza misosok-alahelo,fa tombondalana ny azy fa isika rehetra dia mbola homba any daholo.
ary indrindra aza hadino fa maro ny namana eto no manohana hatrany an\'ise amin\'izao fahoriana izao.
dia mahereza ry sakaiza fa tsy ho irery ianao.
34. xxx ( 28/10/2004 19:50)
Lavitry ny tanindrazana izahay aty andilambato saingy miombona alahelo tanteraka aminao ry namana fyjl @ izao nilaozan-jokibe toa Ray izao. Mahatoky koa fa ny Mpanjakan\'ny fampiononana dia hampitraka hatrany anao sy ny fianakaviana satria olon\'ny finoana ianareo.
Mahereza hatrany.
Samoina
35. anjaritiana ( 28/10/2004 19:50)
Mahaiza mionona ry sakaiza fa efa nanao ny nenina rehetra mba ho sitrana ny zokinao! Mety aminy ny miaraka amin\'ilay Nahary azy ka mahaiza mionona ! tsy ho be teny aho fa aza atao ny mivoady fa tsy mety! ranomaso io fa tsy inona sao koa tsy mety aminn\'y fo ny mitana izany satria efa ela be ianao no niafy ! ny tomany anie tsy midika hoe fahoriana ihany fa koa hafaliana e! mitambatra ireo satria tsy faly ve ianao fa lasa izy ary tsy hijaly intsony? lalana mandalo ny fiainana ka mahereza! miaraka aminao sy ny fianakavianao izahay namana eto!
36. ainaheri ( 29/10/2004 08:10)
Ny tenako dia mirary fialantsasatra feno ho an
ny zokinao ary Andriamanitry ny fiadanana
anie hitsimbina ireo kamboty nilaozany ary koa
miara ory aminao sy ny fianakavianao mahaiza
mionona ary koa mahereza f\'izay no lahatra!!
37. betty ( 29/10/2004 08:11)
Mamangy amin\'ny fahorianar Fyjl .Ary midera anao amin\'ny finoana anananao.Mirary fiononana indrindra ho anao sy ny fianakavianao manontolo.

Dia ho tahian\'Andriamanitra.
38. booboo ( 29/10/2004 09:07)
mirary fiononona feno ho ani\'fyjl sy ny fianakavianao rehetra. Jeso Kristy anie hameno ny toerana banga navelan\'i zokinao ao am-ponareo tsirairay avy, ary Izy anie hampitraka sy hanohana anareo mandrakariva.
39. chuan ( 29/10/2004 10:34)
Ralahy Fyjl , mampahery anao sy ny fianakavianao ny tenako ary mirary fiononana ! saches que les amis du serasera sont tous avec toi de près ou de loin ary indrindra koa isika kristiana noho izany dia mino sy manantena ny fitsanganana @ maty ! mahereza ralahy !!
40. ari.malala ( 29/10/2004 11:12)
Mirary fiononana be dia be ho anao sy ny fianakavianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6737