ravalo

1. fijo ( 14/10/2004 22:05)
raha izao moa ravalo no miala tampoka tsy ho filoha intsony.ahoana no hitranga?
novalian'i fijo ny 25/10/2004 21:46
2. ravatorano ( 15/10/2004 05:28)
mandalo izany eritreritra zany fijo ah
fa izao ny mahazolo anazy bobaka b fa ny milaza hanao zavatra b d b fa mandra pipetrak ilay olona sy ny ekipany mety ho gidraka b ny tanana satria ireo mpanohitra marobe amin izao fotoana izao d b d b ary samy maka ho azy.Io ilay mpanohitra miparitaka ny tanjona iray ihany d ny hialan ny filoha ra* eo fa raha tonga tokoa izay ohatra d minoa ahy marimarina tokoa fa hifanjevo ao ny SPDUN , ny Mafana sy AVI ary Leader Fanilo ireo izay tsy mpanohitra fa manohitra ihany io ilay politikan ny fiahatsaram bela tsihy.D ho avy eo ny AREMA andry Vao2 Benjamin izay efa nanilika an dry Raharijaona Pierre ,ary ny tsy hadino d ny tariky ny filoha teo alohaloha teo d Albert Zafy zany sy ny UNDD sy ny namany.
Raha ny mpanao politika d maro eto , iza tamin ireo no tsy efa nandalo teo amin io fitondrana io fa inn marina no tena vitany , na ity fitondrana amin izao ity aza izay efa afaka nampidina ny euro ho 7.000 fmg amin izao nohon ny fahamatoran ny vola malagasy.Na izany aza dia ny indro kelin ny mpandrafitra d mbola ao foana satria tsisy ny parfait tanteraka.
Amiko d mbola ho sarotra ny hitady olona tena hasolo an ilay Rangahy io satria ny mpanao politika eto amintsika d olona saika efa teo dhl no niala na zanaky ny teo d heverin ny olona fa mitovy ihany izany nefa tsy izay mihitsy fa samy manana ny fomba fijeriny ny rehetra.
Farany raha miala tampoka i Ravalomanana d tonga amin ny fitenim bazà hoe bonjour les degats fa ho degany b eto amin ny tanana :^)
raha tsy d hoe angah hoe i fijo no hasolo anazy tsy propany izany fa eritreritra mandalo :wink: eh :wink:
3. naritsimba ( 15/10/2004 05:43)
Salama indray eh!
Tsara ilay fanontanian\'ny fijo.
ny valiteny azoko omena dia izao:
1- tsy misy olona tsy azo soloina izany eto ambonin\'ny tany.
2-raha ny momba an-dra 8 kosa dia mba vakio ao anaty Baiboly na dia tsy mpamaky izany aza ise ry fijo, fa ny mpitondra fanjakana tsy mahalala afa-tsy ny manangona ho azy izay tsaratsara rehetra dia tsy haharitra eo @ fitondrana na dia milaza azy ho mpivavaka aza izy( jereo ny tantaran\'i Davida mpanjaka)
3-hatramin\'izao dia raha nilaza i ra8 fa afa-trosa i Madagasikara dia lainga satria dia ny antsasaky ny trosa ihany no nekena ny namafana azy(Banque Mondial), dikan\'izany dia mbola tsy afaka akory ny trosantsika fa mbola misy \"2 milliard de dollard\".
4-Raha ny hevitro dia tokony hametra-pialana @ izay izy rehefa hita fa tsy mahavita manondrotra ny fari-piainan\'ny olona tsirairay, sy tsy mahavita mampidina ny vidim-piainana.
4-Raha izao ange no mitohy dia hiarahantsika mahita eo fa dia hikomy tanteraka ny olona ary dia izaho no anisan\'ny voalohany.
Koa asakasatsika io eh!
rehefa tsy mahatsiaro tena dia aongana rehefa tsy hiala ho azy
Misaotra eh!
4. sambatra73 ( 15/10/2004 07:19)
fijo: tsara fipetraka ny fanontanina, ary fasairanana no itako vokany 1° araka ny resaky ravatorano.

naritsimba:
- 4° sy farany: efa misy vonona sy mahavita ireo aingakaingana ve?
- 5° hikomy: solution mahomby ve ho an\'ny tsirairay, firenena?

>>> tokony iezaka mafy Ra8 sy ny ekipany iovan\'ny fiainam-bahoaka aingakaingana fa reraka ireo
>>> tsy maitsy manomana olona \"azo antoka sy mahafeno ny fepetra\" isolo azy ny ray tanana fa io koa ange tsy CDI

(rediredy???)
5. naritsimba ( 15/10/2004 09:56)
Ho an\\\'ny sambatra 73:
a°)raha ny fahavononana no tianao ho fantatra dia mazava ange t@ andron\\\'ny Ra-didy fa vokatry ny fiheverany fa tsy misy manana ohatr\\\'azy dia izay no nahatonga azy nanaiky fa manana 20million vao mahazo fidiana eh! avy eo indray nampitomboiny 100 million ary teo izy vao gaga fa hay misy sahy mifaninana aminy ihany; amin\\\'izao fotoana izao kosa dia amiko tsy tokony ho ferana intsony ny taona(36 taona vao mahazo mirotsaka raha tsy niova) fa raha ny vola na ataonao milliard aza io dia misy foana ny manana ary azoko antoka fa mahavita azy kokoa.
Dikan\\\'izay misy foana ny vonona na ara-bola na ara-toe-tsaina ary indrindra ny ara-panahy.
b°) Asa na odianao tsy fantatra na efa henonao fa nanagana ny \\\"TIKO AIR, sy TIKO PETROLIUM i Ra 8 ankehitriny, ny tsy azony dia ny hoe: ohatran\\\'io ataony io ange no nataon\\\'i RATSIRAKA Didier Ignace tamin\\\'ny androny fa aiza izy izao? ary dia tsy mahalala afa-tsy izay koa ve RAVALOMANANA Marc ankehitriny?
d°)Ny zavatra miseho sy mitranga ankehitriny dia efa mampiseho sahady fa rehefa tapitra ringana ny mahantra ato ambonin\\\'ny tany dia manjaka irery r\\\'izareo izay lazaina fa manana.
Amiko dia averiko ihany ny hevitro izay voalazako tetsy aloha ary tazoniko ny hevitro: TSY MISY OLONA TSY AZO SOLOINA ETO AMBONIN\\\'NY TANY NA IZA IZA NA IZA AFA-TSY ILAY MPAHARY SY NY ZANANY IZAY NAHAFOY NY AINY HAMONJY ANTSIKA.
Hoy ny Soratra Masina: TSY MISY MANANA FITIAVANA LEHIBE TAHAKA AHY, FA RAHA MISY MANANA IZANY DIA AOKA IZY HAHAFOY NY AINY HAMONJY NY SAKAIZANY.Manana izany ve ianareo sy ra8 sa mbola tia tena ihany?
Hoy ny fanontaniana izay apetrakay rehefa manatrika raharaham-panambadiana:raha eo anatrehan\\\'ny alika masiaka ianareo roa(Berger allemand) izay nifanaiky fa tena hifankatia ireo, inona no ataonao ralehilahy; ny ainao ve no avotanao sa ny ain\\\'ilay olon-tianao(vadinao) hatramin\\\'izao dia mbola tsy nahita aho olona sahy niatrika izany ankoatran\\\'ny tenako.
Koa raha tena tia ny mpiray firenena aminy Ra8 dia tsy hionona intsony @ hoe:MINOA FOTSINY IHANY na koa MAHARETA KELY fa hanao asa mivaingana ka hampanana ny tsy manana fa tsy haka ny an\\\'ny tsy manana sy ireo efa manana araka izay voalazany sy nokabariany.
koa ny hafatra apetrako dia ny hoe: aoka isika tsy ho menatra ny hitsikera sy hanakiana rehefa hita fa tsy mety ny zavatra ataony fa ny tsy filazana ny marina no miteraka savorovoro indrindra fa ho antsika izay miaina sy mipetraka eto @ ity renivohitry Madagasikara ity. Ho an\\\'ireo izay mipetraka any ivelany kosa dia izao aoka re mba tsy ho \\\"Variana @ kabary tsara lahatra ianareo na ho sodokan\\\'ny akanga tsara soratra, ka ho variana @ adin\\\'akoholahy dia hanary ny adin\\\'ombalahy\\\"
sao dia hanao tahaka \\\"Ilay adala nomena tanan\\\'ondry ka na ho soloina hofany aza tsy tia\\\"
fa ny zavatra iainana eto Madagasikara izao dia ny Teo Ihany no Miverina, ary ny \\\"Nantenaina hanirina indray izao no mampivandravandra\\\" ary isika izay nanantena indray ity no tonga @ ity tononkira fanaonay ity hoe:

Hatrizay dia nizotra
Nandeha amin\\\'ny lalana tsy izy ô!
Tena ana sy reraka ankehitriny
Ka dia kivy ô!
Nanantena hiakatra
Kanjo nanjary nidina
Mba naniry ny hiarina
Indrisy fa nitsingidina
Fahazarana sisa
Izany mandeha mivavaka
Ny ao anatin\\\'ny fo feno avona
Sy mpanavaka
Dia ny akanjo no amboarina,
Ho tsara ety ivelany
Nefa re bibilava mpamitaka,
Roa ny lelany.
saro-babay ka izay voa az tezitra e!
6. kiady2004 ( 15/10/2004 16:44)
miarahaba,ary moramora amin ny mpijery tokoa ny mandalina ity resaka ravalo ity nefa raha izaho no anontaniana dia tsisy hasolo azy .fomba ny olombelona moa ny mitsikera nefa tadidio fa raha izay efa vitany izay dia efa hita fa miakatra izy zany, fa misy olona manofy antoandro hoe miakatra efa eny amin ny tampokavoana isika..
7. ramoul ( 15/10/2004 20:23)
De ra miala eo ravalo de zah ndray ny hisolo anay kou! samy eritreritra mandalo ihany ny an-tsika ato, de mba zah ndray no anolo an\' lery é! :lol: :-P :-D
8. pitchou ( 17/10/2004 03:27)
alefa ramoul fa misy mpanohana foana io a!

ny olana eto amintsika angamba dia misy manantena fahagagana b sahala @ ao anaty baiboly ka mihevitra fa ny toe-karena nopotehina nandritra ny 25 taona d tokony ho voaharin\'ilay bandy io tanatin\'izay 2 taona izay! ka rehefa tsy nahavita an\'izany izy d \"miala teo\"! tokony tsy adino fa ny gasy no b trosa d ny teo aloha no tsy nahay nitantana, fa tsy tao anatin\'izay 2 taona izay akory no nazahoana izany trosa firy miliara dolara zany! ka tsy azoko hoe maninona no tsy ny teo aloha nampiditra t@ kizo no kianin\'ny sasany fa izay nanala ny farafaharatsiny ampahany t@ trosa indray ny anaovana komantera! naninona ny teo aloha ary no tsy nahavita namafa ny trosa nalainy koa, fa ilay tsy naka indray no nahavita?
tsy sanatria mpanohana an-dra8 aho akory fa mijery @ saina tsy miangatra ny zavatra efa vitany!
tsy nanao fahagagana akory izy ka nahita vola bdb hanaovana lalana tampoka teo! mety vola efa tao ny ankamaroany saingy naninona no tsy natao ny lalana, izay antony nakana ireny vola ireny ary t@zany?
Raha mamerina mijery ny tantara isika dia isaky ny misy hetsika ataon\'ny eto @ firenena dia mitovy tsy misy valaka @zao ny zavatra iainana: taorinan\'ny 72 d nihamafy ny fiainana, taorinan\'ny 75 lavaka b no nianjerana, taorinan\'ny 91-92 sahala à baolina nahita fidinana, sns ka raha izaho aloha tsy ataoko mahagaga io e! ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny teo aloha nanafina ny fampidirana antsika t@ trosa fa ny ankehitriny nanokatra ny bokim-bolan\'ny firenena eo anoloan-tsika! samy manana ny paikadiny io! ny sasany koa mody saronana lasoa ny diky maro napetraka (miala tsiny fa sarotra be le teny gasy !!!!) ny sasany maka kifafa sy serpillère amafana sy anasana ny loto rehetra, ny mandoto anefa mora lavitra noho ny manadio (fandoto sy fandio re e!)
Minoa (fotsiny ihany!!!) izay tsy faly @ zava-mitranga @izao fotoana izao fa raha miala tampoka eo ra8 d araka izay voalazan\'i ravatorano no hitranga!
9. tiaana ( 17/10/2004 14:12)
Tsy azo lavina aloha ry zareo fa nanao zavatra ra8, fa ny ahy ny amnelingelina ahy de hoe sty nahitana alaolana mialoha ve ity fiakarany vidimpiainana ity e! io mantsy amiko no tena miantefa mivantana amin-tsika vahoaka, koa raha manompo vahoaka ny fitondrana tokony hijery bebekokoa ireo olona tantaniny, amin\'zao fotoana izao raha nyfijeriko an! dia tena miady @ fiainana daholo any fa de mikarama 2mllon aza tsy hiaina milamina izany nefa firy @msy no mandray izany vola izany, manaiky aho fa tena nanao zavatra ny fitondrana(lalana, tsena,...) nefa ve izany miantefa mivantana @vahoaka, amiko aloha dia tsia e! indraindray aza dia toa mahatsapa ny tena fa tsy raharahin-dry zalahy ny olona, ny vola raisin\'ny isan-tokatrano tsy miova ny vidin-javatra avo roa heny na dia manana ny ampy aza ianao dia mahatsapa ihany fa mihena ny tahiry tokony hangonina,
raha fehizin-tsika izay de hoe ny mpanao politika eto amin-tsika dia mihevitra fa ny mitondra fanjakana no toerana ahafahana manankarena haingana ka tsy maintsy atao izay hanonganana izay eo hidiran\'ny sasany, izaho aloha tena nanahana an-dra8 100% e! saingy ankehitriny zary lasa 51% izany,
Tsy miteny akory hoe tokony hanao fahagagana tampoka ra8 fa kosa ny fiainana anie niha mafy be tampoka ka mizaka ny tsy eran\'ny aina ny olona e!, jereonareo anie ireo mahazo toerana e! manjakazaka ery, ambonin\'ny lalana zaho tsy miteny hoe ra8 no mampaniraka azy ireo fa kosa olony ireo ary natokisany matoa nomeny seza nefa izao, ny any amposy aloha, ny fananganana ny lutte anti-corription ve heverinareo hampihena an\'io kolikoly io amiko vao maika hampitombo ary jereo fa afaka taona iray de ho mpanefoefo ry zareo ireo, fa izay e! ambava homana am-po mieritreritra, izay tsy mety aloavy fa mba diniho ihany ny zava-misy ô
10. tsilan ( 17/10/2004 18:54)
Asa angaha na hampihena ny kolikoly io na tsia. Satria ireo efa voky kolikoly mbola te mibahan-toerana foana.
Ny tokony jerena indray angaha dia hoe ahoana no ahazoan\'ny Malagasy toa ahy sy ianao manana tany, satria io sisa no hany harentsika. Ny vola efa tsy manana isika. Ny olana mantsy dia hoe tsy misy mahazo tany intsony raha tsy mividy amin\'ny fanjakana. Dia ahoana ny tantsaha izay tsy mbola nolalovan\'izany mpiasan\'ny fananantany izany mihintsy tao anatin\'ny 100 taona?
11. fijo ( 18/10/2004 21:06)
tsilan>any mahanoro sy vatomandry izao dia manome tany ny fanjakana raha mitady rangahy.tsy vidiana io fa mamaritra dia mankany amin\'ny domena.
12. tsilan ( 19/10/2004 15:31)
Fijo

Marina ve izany fa izaho mantsy mikarakara tany mba nangatahiko izay nefa dia izany no navaly anay
13. fijo ( 19/10/2004 20:02)
tsilan>
tsy vazivazy io ary efa nijery aho tany fa tsy ampy ny fotoana nijanonako no tsy nahazoako.
14. kinaoly ( 20/10/2004 12:13)
tiaana>za koa manaraka ny fomba fijerinao,
tsy azo lavina fa efa nahavita zavatra ra8, fa ny priorités noraisinlery no nahagaga, mety ho misy tanjona lavitrezaka tratrariny ao, nefany mandrapahatongan\'izay dia hijaly foana ny vahoaka.
aleo kaloa havahana ilay hoe mitsikera ny tsy mety sy le fanonganana( hoe esory teo le zalahy io fa tsy mahavita azy), ny an\'i naritsimba zao tonga de hoe esory teo fa tsy mahavita azy :?: , za mitsikera fotsiny satria mihevitra hoe mbola azo atsaraina ny zava-misy,
naritsimba>de zao koa e, olombelona ane io e, tsy voatery ho marina fona ny zavatra ataony raha tsy zany izy lasa anjely (sic), sady tsy mpnaoa afahagagana koa sady tsy lery rery fona no tomponteny farany amzay zavatra mitranga ao, hafa ny t@ andron\'ny fivondronana, fa zao efa misy ny poltique internationnale tsy mentsy jerede aveo mazava be hoe azo soloina daholo ny olondrehetra, fa zao kosa, efa mba manana semblant de credibilité zao ve ny gasy de raha aongana ndray le tary io de ho very ndray zany, de zao koa, omeo olona presidentiable azany we hatramzao manko toa mbola le dinausaures taloha be reny ihany no mbola mahasaky mipostule @io poste io, sa .... naritsimba zany toa mahavita zavatra tsy vitan\'ny olondrehetra, maninn raha ianao no milatsaka miaraka @ i ramoul :wink:
15. fijo ( 20/10/2004 20:46)
za koa aloha tsy momba ny hevitr\'i naritsimba fa na izany aza tsikera koa ny azy ka tsy tokony atao hoe ise izany no mahavita.misy tsy mety hitany ao ary mankaleo azy dia izay no amoahany ny heviny.
ny antsika sy kinaoly izao mitovy ny hevitra fa tsy midika izany hoe isika koa no tena mahavita manampy azy ao.
ampiadio ny hevitra e.
16. ravatorano ( 21/10/2004 07:36)
nenah wa izao iany eh hihihihihihi
ny hahasolo na handimby toerana izay mitondra eo d sahirana foana .Teo ny Filoha voalohany ny rain ny fahaleovan tenany nisolo azy teo sahirana satria miaramila ka ny politika momba ny hahazahoana fandresena eny antanim piadiana no hainy fa tsy ilay politika heverina hahsoa tanteraka ny vahoaka,Na izany aza nisy ihany tao anatin ilay fitondranana nanao hezaka nikasa hanorina tokoa ny tena hoe politika malagasy enti mampandroso ny malagasy>Raikitra tao amin io fitondrana io anefa ny adilahy ara poko sy ny sisa ka d nametra pialany ilay Jeneraly ary ny nandimby azy mouh d efa fantatsika rehetra ny nahazo azy fa dia teo Ambohijatovo ambony no nialany aina. :cry:
Nitohy indray ka tafiditra teo amin ny resaka revolisionera isika , natao daholo ny oé2 , ny fanaovana investissement à outrance ary farany dia niverina nanao liberalisme economik isika rehefa avy andalo teo amin ny foto pisainana sosialista kominista ary djoutché.
Nanomboka teo ny fitrosana entina hampandroso ary nanomboka teo ihany kouh ny tena baranahiny tanteraka .Ilay repoblika voalohany na dia nisy indro kely na indro b aza nisy zava bita maro ary mbola mitsangana hatramin izao faf ilay faharoa tsy we tsy fitiavana fa iaraha mahalala aloha eh fa d izay no hita fa rendrika tao anatin ny fahantrana isika.Nanomboka teo ny filaharana vary savony menaka sns ary saika nilahatra saribon koa ary
D tonga ny repoblika fahatelo d nilaozana nifanala baraka nifanendrikendrika , nifamaly ary nifandramatra ireo izay ati doha be nikotrika ny fanapotehana ny repoblika faharoa satria nahazo izany demokrasia izany ny firenena ary d niainana izany tao anatin ny tebiteby ihany kouh satria tsy naharitra ela d niverina ilay raika lahy talouh.
Mbola nandova trosa izay nataony tamin izy nitrosa izy ary nametrah ny teo aloha kouh.Nanomboka teo d ny fikarakarana ny fianakaviana no nataon ny mpitondra fa tsi izay hanasoavana ny vahoaka malagasy hany ka na asa efa tokony natomboka aza tsy natao fa variana nihodina loatra.
Ny fifanarahana fahazahoam bola efa vita ne fa tsisy asa natao d iny hitatsika iny kouh no niafaran i Deba fa tsatsan Ingahy Maire antananariivo ny toerana rehefa nisy grevy sy barrage teto amin ny firenena ary d mbola ny vahoaka ihany no nizaka ny tsy eran ny aina.
D io tonga amin izao iainanay aty izao.
Niniako nasiana tantara fa tiako ihaviana ilay hoe iza no mahazolo azy na iza no mety afaka mandimby izao fitondrana izao.Ireo nifandimby tamin ity fitondrana ity d olona mpanao politika daholo afa tsy tamin ny fitondra miaramila zay niantsorohan Itpklah Ramanantsoa.
Ka ami izao faly avokoa fa nofafaina ny trosa 2 milliards de dollarsizay ny fitondrana amin izao fotoana izao no nahavita izany , nolazaina fa manan vola 860 milliard fmg isan taona isika ambim bava vokatr iny famafana trodsa iny.
Izaho tsy pro ravalo fa hitako aloha fa nahay nampiasa ny vola izay nentina hampandrosoana ity firenena ity ry zareo.Ny olana tamin ity fitondrana ity dia mbola ilay toetsaitsika malagasy ihany , aza hadino fa isika no champion ny moramora tsy taitra tsxy maika fa ela vao tonga ka amin izay dia maro ny sakana eny andalana eny arymatetika ny donne economik miovaova foana .Tamin ity kouh no niakatra b ny vidin ny solika nefa tsy nanana hevitra hanalefahana an izany ny gov nefa mety azao natao tsara izany.
Ny vidim piainana miakatra ity dia miankina amin ny any ivelany ihany kouh.Manafatra vary ianao nefa ny vidin ny vary iraism pirenanan miakatra dia izay miakatra kou zany ny vidiny aty.Ny tsy miala amitsika koa dia ity manao subvention lava ity ka aiza ihany no tena hahafantarana ny verité d prix hany ka manjary voafitak io ny vahoaka.
Ny lalana aloha d nanao ity fitondrana ity eh , ny fanatsarana ny tanana ihany kou fa ilay fampihenana ny vidim piainana no mbola tsy hitan dry zareo ny lakileany nefa io no tena aimbahoaka.
17. sambatra73 ( 21/10/2004 07:55)
Lasa tary @ resaka afa no vô-kôly ty marina hihihi...

eritreritra mandalo dôly nentsika menakavy ka samy manao tora-po eto e. Soa iany fa tsy toraka bilao na vôtabia lo ;-)

Nenà aloa d mbô t-ieritreritra pôsitifa @ zao ftôna zao, fa na tsy \"pas de géant\" aza no nataon-dRa8 defa mbô nisy dingana vita nialana tanaty lavaka b araka ny lazain\'i tiaana.

Fa maika ny hiaina tsara ny oull, drindra ny inam-bary ara-dalana, efa leon\'ny kabary sy fapanatenana pôkaty ka any no mila tedavana sol° aingana.

naritsimba: misôtra @ info fa zay mitsy zà vô naalala ny fisin\'zany Tiko air sy Tiko petroleum zany. Fa efa nanadiady tsara v enao oe volan\'iza no ampesana ao?
Tsisy blema mitsy nenà rà ny volany no anôvany zany. Faita mitsy zany oe tsy mionona @ activité 1 iany ny société @ zao fotôna zao fa aleony multi. D ao ny tafita (jerevo Bouygues (télécom, immobilier,...), ao ny rendrika (Tati very vô tsy nijanona t@ varotra discount naazatranazy).
Fa rà misy porofo fa maizimaizina d aza amelana mitsy.

>>>am-bava omana, am-po mieritra e... ahitsio zà rà diso
18. kinaoly ( 21/10/2004 13:43)
fijo> hihihi, eritreritra sendra nandalo koa zany iny e, fa ny voalazan\'i naritsimba ihany no naveriko \"Hoy ny fanontaniana .... raha eo anatrehan\\\'ny alika masiaka ianareo roa....tena hifankatia ireo, inona no ataonao ralehilahy; ny ainao ve no avotanao sa ny ain\\\'ilay olon-tianao(vadinao) hatramin\\\'izao dia mbola tsy nahita aho olona sahy niatrika izany ankoatran\\\'ny tenako.\" za alou mety tsy hahavita e, :roll:
19. chipie1 ( 21/10/2004 14:05)
kinaoly> vonoina le alika :-P :-D
20. fijo ( 21/10/2004 20:04)
za aloha raha alika iray sahako ny miady aminy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.135