ravalo

21. sambatra73 ( 22/10/2004 07:24)
kinaoly: tsipazako bôbô ny alika d iny zay 2 no mitsôka (tsy maitsy misy bôbô fôna aty am-pôsiko manko ;-)
:lol:

22. tsilan ( 22/10/2004 12:33)
Tiaana
Mikasika ny vidim-bary dia fanahy iniana mihintsy io satria vao nanomboka ny fanangonam-bary dia efa 500ar ny akotry teny an-tsaha. Dia mbola namafisin\'ny minisitra indray afak\'omaly hoe ny fampiakarana ny vidim-bokatra, vary, eny an-tsaha dia famporisihina ny eny ambanivohitra hamboly vary bebe kokoa.
Ny resaka trosa sy fahantrana indray iny dia efa voalazan\'Atoa filohan\'ny UN, fa ny fianjadian\'ny fahantrana amin\'ny tany afrikanina dia noho ny tsy fampandraisana anjara azy ireo amin\'ny fampandrosoana. Mety misy marina ny azy nefa mitombina ihany koa, satria raha mandroso i Afrika, na Amerika Atsimo dia
1 Tsy aharaka ny harena voajanahary ampiasaina toy ny solika fotsiny ohatra. Vao ny tao anatin\'ny 2 taona monja no nividianan\'ny Sinoa fiara miisa 2.000.000, dia efa ifandritahana ny fanafarana solika.
2 Very fihinana i Eraopa sy Amerika Avaratra. Izao aza vao ny Indianina sy ny Sinoa fotsiny no miotra dia efa mifanaretsaka ny tany mandroso rehetra. Ao ny manery ny Sinoa hampiakatra ny sandam-bolany mba hifanatsahana amin\'ny vidin\'asa any Eraopa ny vidin\'asa any Sina.
3 Tsy misy toerana azon\'ny FMI sy ny WB hampitomboana ny volany intsony. Tao anatin\'ny 20 Taona monja dia efa nahazoan\'ny WB 50% tombom-barotra ny vola nampindramina an\'i Afrika. Ka dia izay no antony hamohanana ny trosa aty amin\'ny tany Afrikanina amin\'izao fotoana izao.
4 Tsy misy firenena azo atao mpiasa an-tselika intsony mantsy raha mandroso i Afrika sy Amerika Atsimo. Ny UE ohatra tamin\'ny farany dia nanambara fa mandrara mafy ny fifindra-monina tsy manara-dalana. Etsy an-kilany anefa ny fanjakana misy any dia mifanaraka amin\'ireo indostria mba ahafany mahazo ireo mpifindra-monina tsy ara-dalana ireo. Amin\'izay mantsy ny vokatra Eraopenina afaka mifaninana amin\'ny vokatra vita amin\'ny toerana hafa.
Fa na izany aza dia mila filoha tena mafy loha isika, ary tena tohantsika. Satria raha manana ny maha izy azy ilay filohantsika ohatra, dia eo foana ny mpihetraketraka, ny mpikaramanady ka izany no ilana ilay fanohanana matomboka be. Saingy rahoviana isika no hahita izany?
23. pitchou ( 23/10/2004 18:19)
mino aho fa tsy ho sarotiny mihitsy ny fitondram-panjakana raha misy manana soso-kevitra mahomby! :wink:
sady angamba io tsy problema-na filoham-pirenena fa probleman\'ny toetran\'ny gasy! marary fo raha mahita gasy tafita sy mahay mampitombo harena ( :lol: misy tezitra be zao mamaky an\'io!) d lasa mila vaniny! azo atao tsara ny manadihady hoe volan\'iza no ampiasainy! Tiatia kely ka tsy miraharaha afatsy ny tenany d ny hafa daholo no diso, ary izay ange no fototry ny kolikoly e! tsy problemany ny tantsaha na farany ambany aza ny vidim-bokatra !!!! snifff! izaho manko tantsaha ihany koa e! d... d.... d ... miafara @ hoe ilay filoha no mahatonga an\'itsy sy iroa!!! raha sady boto no patrô angamba ny tsirairay tsy hisy zava-banona loatra sa ahoana hoy nareo?
Vao reko omaly ity: ny famatsiam-bola hoy rizareo mpikirakira vola matetika tsy izay mahay mamelabelatra hevitra mety hahomby no mahazo azy, fa aleon\'ny mpamatsy vola lavitra omena olona fanta-daza fa efa nahomby!!! betsaka ny resaka nande t@ fivelaran\'ny Tiko, toa hoe anisan\'ny orinasa azo isaina @ rantsan-tanana nahavita sy nahatanteraka ny rehetra nifanarahana rehetra hoe ! d manjary lasa ho azy ny saina hoe izany zany no mahatonga ny mpamatsy betsaka mifanontona aty ve? saingy wagons v maharaka ny lohamasinina???? isan\'nizay isika tsirairay!
24. fijo ( 25/10/2004 21:46)
mahalaza zavatra be io voalazan\'i pitchou io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6603