Informaticien ve ny mpanao page web tsotra ?

1. zamahery ( 07/09/2004 03:57)
Misy tari-kevitra vaovao ity. Betsaka ny boaikely tena henjana tokoa amin'ny fanaovana page web. Saika tsy nandia lakilasy fampianarana ireo antsoina hoe Informatique izy ireo nefa dia tena mahagaga ny zava-bitany.

Heno efa hatry ny ela fa dia misy gasy kely iray ao amin'ny Microsoft ao Texas dia io no asany ao, nefa mbola collegien ilay ranamana.

Ahoana ny fahitanareo izay : azo lazaina ve fa informaticien ireny olona manao page web ireny satria misy maro ihany ny mitady asa milaza hoe mahay manao page web nefa tsy mahita asa ary somary velon-taraina eo amin'ny tsenan'ny asa.

Sa ve tsy azo ianteherana ny fahaizana page web raha mba te hitady asa.

Ankehitriny mantsy dia raisina toy ny outils (stylo, règle, tourne vis, cure dents, ...) ny informatique fa tsy hoe spécialisation ohatra.
novalian'i nilsen ny 03/01/2005 18:49
2. fatsoraly ( 07/09/2004 04:04)
...sy ny dikan'ny hoe "page web TSOTRA"
3. zamahery ( 07/09/2004 05:07)
Informaticien : mpikirakira sy nandalina ny lafiny informatique (en général dia ilay hoe programmeur, développeur, ... miondana software eo ihany koa ireo mihosy amin'ny hardware)

Page web tsotra dia toy izao am-piasaintsika eto izao fa tsy tahaka ny www.ebay.com ohatra. Izany hoe couche iray ihany.
4. drtriniti ( 07/09/2004 05:29)
F'angaha Page Web ihany azo atao amin'ny Informatique?! Ilay Informaticien dia izay mahefehy ny rehetra.
5. hery ( 07/09/2004 08:13)
Lasa zamahery indray :)
Farany dia zaman'i Hery :)

Izaho aloha tsy informaticien fa tsy haiko hoe rehefa ahoana vao informaticien. Angamba rehefa manana diploma momba ny informatika vao informaticien fa tsy hoe rehefa mahaihay etsy sy eroa...

Tsy izay manana asa momba ny informatika koa angamba. Iny mety ny expérience no ahazoany asa. Izaho izao miasa amina agence informatique fa resaka CV feno experience fotsiny no nahavoaray ahy fa tsy resaka diploma informatika.

Misy tena informaticien tsy mahita asa koa kah. Satria feno diploma fotsiny fa tsy nanana experience mihitsy... dia ambakain'ny tsisy diploma kanefa mitsikaraka.

Samia hotahian>Andriamanitra isika eto
6. tsiperifery ( 07/09/2004 08:24)
Aoka zama êêê !! hihihihihi ! Lavabe indray izany sonianareo izany ry Hery a ! Mahery marina nareo ka tsy mety "mibolisatra "e ! :lol: :lol:
7. kitjo ( 07/09/2004 09:25)
Reschak' Ambositra tsa ho lagny izy ty.....

Ny tantara dia mbola hitohy e...dia hitohy ee.....
Sareraka moa?

Mba misy informaticien v ao mba asiana link manokana hisafidianana prenom ho an' any ankizy ato...pesudo manko e!
8. vegas ( 07/09/2004 15:49)
Non ny valiny. Sa tsy maintsy azavaina?
9. viavirozy ( 08/09/2004 00:35)
Marina izany Vegas ... ny feno tapany no mikobana hoy ny avy any Atsimo izay.
Ary i Hery izany anie toa tsy mahazo resaka, sa efa miharomotra be izato izy. Milamina fa sao dia tapaka ny lalan-drà.
Manahoana izany very hevitra izany nefa ny loha-hevitra mazava ?
10. zamahery ( 08/09/2004 03:20)
Ny informaticien dia saika mahita asa foana kanh, raha tsy hoe faux informaticien izany. Ny olona mahaihay informatique dia ireny orinasa tsotra ireny no mampiasa azy amin'izay tsy dia lafo ny hanakaramana azy. Izany hoe tsy dia ilay professionalisme no tadiavina fa manao latasy. :-D :-D :-D

Izany agence nareo izany angamba ireny mpanao latasy ireny, asaasa fa tsy asa. Fa marina ny an'i Vegas io ary tena tohanana tsy misy fepetra. Izahay mitady informaticien fa tsy mpilalao mpanao copie coller manao page web zara fa vita ireny, dia alefaso aty amiko ny CV. Tena resaka marina io ry zareo anh ...
11. ikaretsaka ( 08/09/2004 03:23)
Informaticien=olona mpanome informations... tsy azo afangaro @ mpanao gazety :-D nefa hahahahaha :-D
12. nikopol ( 08/09/2004 06:45)
Tena manambany ny ankamaroan'ny olon-tsotra mihintsy ny tenin'i Zamahery, nefa toa olona iray ihany no nokendreny taminio.
Raha bandy mahery marina mba tokony hanana recul. Tsy hitako ny ilaina fianarana na fivavahana raha hiafara amizao firefarefana amin'ny tany toy izao.
Sa zao vao mivoaka eo amin'ny tsena iraisampirenena ny tena sandanbola marina?
Dia ahoana koa ny manaraka?

:lol:
13. hery ( 08/09/2004 07:01)
hihihi

Noheveriko fa olona hafa indray i viavirozy dia saika hanazava ny hevitro aho kay i zamaherybe ihany :)
dia io ambony io ihany izany ny hevitro kou. Ny fanontaniana teo anie hoe informaticien ve ny mpanao web tsotra e. Dia io novaliako io :) ovay indray le ps e...
14. tsiperifery ( 08/09/2004 07:18)
zamahery > Aza manambony tena ranamana fa mba ampio ny mpanao latasy raha tena mahery nareo a ! Tsy simple VC fa WC feno copier-coller mihintsy no alefako any aminareo fa omeo ahy ny adiresy e ! Toa tianareo tsara mantsy io mibolisalisatra io ! :D
15. zamahery ( 08/09/2004 11:18)
io fa misy mikoropaka sahady. Ary tsy misy fanambaniana eo fa izany no zava-misy. Tena tsy mahazaka ny atao hoe forum ianareo izany rey olona. Alalaho ny saina dia diniho ny hosoratana.

Mibotsina be angaha hono ny oron'i Nikopo sy Hery ary ny namany manoloana ny resaka atao eto. Ilay mpanao gazety aza tsy hita hoe lasa aiza ko. Voaray hono r'Ikaretsaka izany zavatra nalefanareo izany hoy i Viavirozy.

Alefaso aty ny CV-nareo informaticiens fa tena misy asa tokoa anie fa tsy vazivazy izany ry zareo e ?
16. kitjo ( 08/09/2004 16:22)
zamahery> tsy eto @ forum no filazana hafatra manokana oh io fa misy ny hafatra ho an' ny namana.....

sa raha tsy izay tsy hita oe manana namana ato? oh tsy mba informaticien koa ry zamahery tsy mahalala an' izany....zay ary tsinotsinona

ouuppsss....nivoana le sujet le!
17. besoiiin ( 08/09/2004 20:41)
Kitjo a! f'angah ianao mihevitra hoe informaticien izama??? :D :D :D raha informaticien izy tsy nametraka ity sujet ity kou! dia mba fomba ahoana letsy ry zama no hitsaran'ialahy ny CV ako raha alefako any??? mitady informaticien ialahy kanefa ny definition an'izany informaticien aza tsy hain'ialahy akory fa mbola anontanian'ialahy olona??? :D :D :D sao dia ialahy letsy no tsara mandinika kely alou vao manoratra??? mba ampiasao ihany ny saina fa toa lasa fohy loatra kouuuuu! hihihihihi :-D :-D :-D
18. dotmg ( 12/10/2004 10:17)
Izaho informaticien. Tsy nianatra ny fanaovana page web mihitsy izaho tany am-pianarana, kanefa miondana ary mitantana samirery ny site web-ko. Raha anontaniana ary aho ka ilay olona miseho milay ireny no manontany dia izao no valiny omeko, valiny manambony tena sady manambany olona :

Ny atao hoe TSY INFORMATICIEN aminay dia ireny olona nandia fianarana nianatra manao page web ireny, na ireny nianatra bureautique, satria ireny aminay (tamin\' ny fampianarana anay) tsy ianarana fa hay ho azy.

Raha azavaina lalindalina kokoa izany dia tsy mila olona nianatra momba ny informatika ianao raha resaka page web no ilainao satria ny olona tsy nianatra informatika fa mampiasa informatika no mahay an\' ireny kokoa.
Informatisiana izany amiko tsy ny isan\' ny langage hainy no amerana ny fahaizany fa ny fotoana ahafahany mampiana-tena hamolaka langage vaovao. Ohatra : Firy andro izy mahafehy ny PHP, raha ny echo \"Hello world\"; aza tsy fantany tamin\' ny voalohany.

Ato amin\' ny toeram-piasanay misy stagiaire nianatra informatika dia manao site intranet ato. Be zesita be ry lerony amin\' ny pitsopitsony (activeX, Flash, Javascript, ...). Nasehoko azy hoe mila manaraka norme ho\'aho ny page, dia nasaiko no-valideny tamin\' ny validator.w3.org, raofina amin\' ny sobika ny erreur. AMIKO indray dia ny page web tsotra no tena page web fa ny be filirony tsy izy, azo antoka fa tsy hisokatra amin\' ny browser manara-penitra toy ny Mozilla,...

Dia raha ny ebay no mba lazain\' i zamahery fa hoe page web tsy tsotra (ny henoko amin\' izay mantsy dia hoe milay) dia hoy aho hoe page web ratsy io ary tsy manara-penitra anefa mba matihanina ihany. http://validator.w3.org/check?uri=http%3A%2F%2Fwww.ebay.com ny fitsarana an\' io takelaka io hoe manara-penitra sa tsia? 900 ny erreur mbola tsy vita ny takelaka ...
19. besoiiin ( 12/10/2004 13:20)
amiko vaste b izany informatique izany! sombiny kely @ soft fotsiny io voalazandrangahy eo ambony io! kanefa azo ambara fa ao anatin\'ny groupen\'ny informaticien ingahy sa tria mitrandraka informatique! ny tsara ho fantatr\'ilay namorona ity sujet ity sy izay tsy mahalala fa misy spécialisation bobaka b izany informatique izany ka aza dia miambo ho mahay loatra e! tsarovy fa misy ny ingenieur informaticien spécialiste en télécom ohatra ; kanefa tsy mahafehy excel akory! izay tsy mahay sobiky hono mahay ...........
20. six ( 20/10/2004 12:16)
ataovy serieux e!

io nge misampana bdb e!

d anontanio kou we oul ve ny zazakely vao teraka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3328