Informaticien ve ny mpanao page web tsotra ?

21. xxx ( 21/10/2004 13:14)
heheh ramaso!

fa ito misy annonce hitako zao! :

Cherche des informaticiens maîtrisant le développement WEB

- ASP / ASP.NET / SQL Server
- XML / XSLT
- Environnement .NET (C#)
- HTML / DHTML / Javascript

Envoyer lettre de motivation + CV (si poss. avec photo scan.) + prétention + num. tél. par mail uniquement, à l\'adresse recrute@domaine.com
22. xxx ( 21/10/2004 13:29)
sao kosa diso annonce io fa web developer fa tsy informatician . izao ko mantsy ny annonces de soratsoratana fahatany.. ohatran\'ny hoe mecanicien mahay manamboatra sarety!
23. besoiiin ( 24/10/2004 18:12)
fa nareo ve tsy misaina daholo e! ny loha ange tsy atao fitondrana kasikety fotsiny e! Raha vao olona nianatra sy nandalina momba ny informatique na soft io na hard io dia informaticien izay! fa ny spécialisation no samy hafa oh: informaticien concepteur ! informaticien developpeur , informaticien maintenance ; informaticien wawawa....
24. dotmg ( 25/10/2004 06:38)
Ny mpampiasa Excel kosa ve dia informatisiana? Ny mpitsangatsangana ve dia lazaina fa mpamily fiara? Ny mpamily fiarakodia ve dia lazaina koa fa mekanisia? Olona ny zazakely vao teraka fa tsy azo ianteherana hoe mba andrahoy ny sakafo antoandro. Misy sokajin\' olona mpampiasa informatika fa tsy mpiasa informatika.
Ny mpamboatra fiara tsy voatery hahay hamily fiara, dia toy izany ny injeneran\' ny informatika tsy voatery hahay hampiasa excel.
Ekena fa fampitana information ny informatika, fa ny mampiavaka ny matihanina sy ny mpanandrakandrana dia ny fanajana ny asa atao. Raha mpampianatra malagasy ve no mampiasa ny voambolana hoe professionnel dia mba ho mety? Tsy maintsy asehony hoe izahay no teny nianatra manokana momba ity zavatra ity, amin\' ny alalan\' ny fampiasana voamboalana malagasy madio.
Dia ny tena informatisiana rehefa manao zavatra dia miezaka manao ASA MENDRIKA. Tsy filam-boatsiary ny fitsimponana erreur fa fanajana fenitra.
Ianao anie mety folo minitra dia mahavita takelaka manintona ny maso sy mahate-hijery, fa raha tsy manara-penitra ianao mety amin\' ny IE ihany izany no hisokatra e. Dia ahoana izany ny olona mpankafy Mozilla sy ny hafa?
25. atmos ( 28/10/2004 14:45)
Raha hainareo ny mampiavaka an\'ireto dia ohatr\'izay koa ny informatisiana sy ny faux-informatisiana.

\" Hainareo ve ny mampiavaka ny atao hoe teksnisiana sy ny bricoleur?\", raha mahita ny valin\'io fanontaniana io ianao dia mahita ny valin\'ny fanontaniana etsy ambony.

Betsaka ny zavatra hain\'ny informatisiana, tsy resaka software fotsiny no nianarany fa hatrany @ hardware. Ka raha tsy nisy nanamboatra ny hardware, de nanao inona ireo faux informatisiana reo? hihihihi...
26. atmos ( 29/10/2004 10:16)
Ny tena mahagaga koa mantsy @ ity titre \"informaticien\" ity tena diso vague loatra. Raha tena manana ny specialité ny ilay olona oh. administrateur systeme, programmeur, developpeur, administrateur réseau, administrateur web etc... nefa ireo rehetra ireo dia azo lazaina hoe \"informaticien\" daholo, zany hoe raha tena nianatra ilay olona dia nahazo diplaoma, dia manana titre hafa. Amiko le we \"informaticien\" dia tsy tokony ho anarana metier. C\'est mon avis et ca n\'engage que moi, sao misy mihevitra fa hitako tany ho any izany.
27. mcfy ( 28/11/2004 02:22)
oadray le, toa tapitra sady? tsisy tohiny tsony angah? sa rahoviana indray ny saison manaraka? :lol:
28. ikaretsaka ( 28/11/2004 03:56)
raha ny fazaoko azy iznay dia rehefa info ny resak adia izy izany e
ny mpanao gazety koa informaticien zany satria manome \"information\" e
de ny detective koa satria mitady \"info\"
29. nilsen ( 03/01/2005 18:49)
Tsy hitako ze mampiady hevitra anareo @ zany rehetra izany?
Raha mba te hantsoina hoe informaticien ny bandy kely mahay manao page web inona ny olana? mba misy hainy ao izany. Raha mahafehy ny teknolojia @ solosaina izy hikirakirana \"information\" ka tsy mpampiasa \"logiciel\" fotsiny fa misy asa famoronana na fandalinana \"extraction\" information na @ lafiny inona io na lafiny inona (na excel sy word aza) d\'efa azo sokajiana ao anatin\'ny kilasin\'ny informaticien, fa io ndray de samy manana ny sokajiny araky ny voalazan\'drazoky atsy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1835