gasy aty an dafy

1. isytaoaka ( 02/09/2004 15:12)
fa tena nahita ahy ry zareo gasy miavonavona fa tena any paris tena enjana mihintsy.tsy miteny za we ny gasy any paris retra2 fa ny akabetsahany tena. any @ aeroport zany tena mifanome lamosina mihintsy le kozy e.miharahaba @ zany ianao hodin ny sasany tsy mahay teny gasy fa ny masony fotsiny no mivandravandra ohatra we sanatria mpamono olona ny tena zay ngamba aloha ny hevitra tiko avoaka e
novalian'i alex32 ny 20/09/2022 23:39
2. yonikafopl ( 02/09/2004 15:28)
Tena velontaraina daholo ange nareo zany @ avonavona any aminareo any zany e!!!!!!!
efa be loatra ilay fitarainana ato fa mba aza miavona tsony hono ry zareo a!!!!
aleo mba asiana salut salut de samy vita e!!!
3. cutie ( 02/09/2004 16:38)
De tena tapa-tsinay za naheno an;io ry isytaoka. soa ihany za tsy any . lollllllllllllllllllll
4. fanja1 ( 02/09/2004 17:11)
Isytaoaka! tena marina mihintsy io! za kou tratra foana de aleoko tsy miarahaba intsony! fa gasy olondehibe no arabaiko,indray mandeha zahay nande metro de nahita gasy vavy iray de noarabainay de tsy namaly nefa hita be zao fa gasy de ouzy ilay namako we tsy gasy angaha enao de ouzy namaly: vietnamienne za!( @ teny gasy izy namaly azy @ izay) tsssssssssssss
5. fijo ( 02/09/2004 19:10)
any na ireo olona efa lehibe atao hoe efa manana fiainana aza dia manao io toetra io.ary aleo aza ilay tanora mizesta ireny no manao an'io toa izay ireo efa lehibe ireo.
6. ikaretsaka ( 03/09/2004 02:43)
dia atsipy ny teny an-tandr5oky ny... gasy ao Paris
7. hoanao ( 03/09/2004 07:57)
na aiza na aiza dia misy gasy miavona foana, fa tsy ao Paris irery :?
kanefa tsy ampy tapa-bolana aho izay no nandalo tao paris, tafaraka bus t@ sipa gasy izay, noarahabaiko izy, avy eo vao niala tsiny hoe "azafady fa tsy fantatro hoe gasy", avy eo dia lasa be mihitsy ny resaka.

Indray2 ilay fiavonavonana anie ka fahatahorana hoe sao tsy gasy ilay olona hita e ! efa impiry aho no tratran'izany hoe miarahaba dia tsy mamaly ilay olona. Efa elaela aty aoriana vao fantatra hoe hay tsy gasy iny :lol:
8. chuan ( 03/09/2004 10:14)
Indray2 koa heverin`ny olona fa hangataka fona angamba ny tena dia ny avona2 no atony tonga aloha .Na ny Ntolo aza efa nahita an`izany ka nilaza oe " Mahantra mivahiny @ ola , raha miditra otran`ny hangataka , mivoka otran`ny angalatra " , ary hoy le pihira oe " samy maka oazy zao ny eto @ tanàna ka tandremo so de mihanahana , ozizy mama " . Toe-tsaina mila miova daolo zany .
9. rambofrau ( 03/09/2004 11:13)
fa tsy azoko mihintsy hoe inona ny mahatonga ny gasy ao Paris manao anizany.
Aty Allemagne tena fahasambarana be izany gasy mifankahita izany,tany Berlin aho nahita andiana gasy nanao mission,dia nifampikopatanana fotsiny ary samy nalahelo fa tsy afaniresaka satria izaho tao anaty bus.
Ny any Paris koa hono raha vao miarahaba ianao dia tonga dia mahazo eso hoe GVT (Gasy Vao Tonga ) indrisy! :(
10. poupounesana ( 04/09/2004 06:12)
mboal tsy henonareo angah le hoe GVT? rah vao gasy miarahaba zany hono hoe GVt iny? Gasy Vao Tonga satria ny gasy any mihitsy fomban'ny akamaroan'ny gasy any hono le mifampiavonavoan io
11. jantina ( 04/09/2004 07:43)
Ny aty aminay (Italie) aloha tsy misy an'izany. Ny aty aza raha vao misy GVT dia tadiavina hoe aiza ireny no mipetraka mba hotsidihana. Gaga mihitsy izay mandalo aty hoe mifankatia be ny Malagasy.
Mandalova aty aminay rehefa miavonavona ny Gasy any Paris eee
12. chipie1 ( 04/09/2004 12:44)
nena njay alou de zay miarahaba ana de arabaiko ny gasy e! sady souvent hita aminy tarehiny ny oul miavona!!!!
13. akama00261 ( 04/09/2004 15:27)
Izao koa ilay izy Rakoto a. Tahaka ahy dia tena tia gasy sady nikarakara gasy aho taloha fa izao dia tapitra hatreo satria nahoana? Nisybandy gasy taty sahirana dia nampianay dia nokarakaraina koa ny fahatongavan'ny vadiny dia notadiavana asa ry zareo ary nisy fotoana ary ry zareo no-héberger-na tao an-trano nandritra ny fotoana tsy naha-teo anay. Ary nokarakaraina ny déménagement-ny nony efa nahita trano ry zareo. Ary nony efa stable sy tafita anefa ry zareo dia tsy fantany intsony izahay ary na dia ny miarahaba anay ary tsy ataony kanefa tsy niady tsy naninona ary ny vavany ary dia hoe tsy mi-fréquenter gasy intsony ry zareo.
Ka ny tiako tenenina dia hoe nohon'ny ataon'ny olona ohatran'izany no mampiavona ny gasy sasany indraindray. Ka tsy dia omena tsiny ny sasany fa efa betsaka ny victime ohatran'izany.
14. fijo ( 04/09/2004 18:59)
za efa voan'io koa taty marseille fa tsy norarahiko,satria tsy izay ampiana rehetra akory dia manao toa izay.
samy misy miavona anie ny gasy aty e,fa ry zareo ao paris ao dia hikoaizana mihintsy.
15. sariaka91 ( 06/09/2004 13:54)
Tena mahasosotra tokoa aloha io toetsaina io e ! Ny ankabeazany aty dia mifampihainohaino fotsiny, zara raha mamaly ny arahaba dia tonga dia manome lamosina. Any @ province anefa tena miray hina be ny gasy. Any Bordeaux ohatra tsy mihafahafa mihintsy fa dia sariaka be daholo ny olona. Maninona angaha ny eto Paris sy RP manao io toetsaina io ? Nisy namana iray teto @ serasera nanosoka ny hevitra hoe mety resaka complexe koa izy io satria misy ny sasany menatra ny fiainany dia miafinafina ka manao miavonavona mihintsy aza. Misy koa matahotra heveriny fa hangataka aminy ianao dia izany no hiavonavonany. Tena tsy mety e !
16. vegas ( 06/09/2004 14:12)
Samy efa mahalala tsika zany zao de anjarantsika sisa no mieritreritra fa tsisy tokony ampimenomenona mintsy zany. Tsy fidiny azy nge ny mizaka ny ngidin'ny fianana ao e :cry:
17. fijo ( 06/09/2004 19:04)
ka dia miavona ary ry parizianina o.mahereza aby eeeeee
18. rambofrau ( 07/09/2004 09:24)
Amintsika gasy mantsy izany hoe mipetraka aty Andafy izany dia tena paradisa be mihintsy ka mety izay koa ny mahatonga anilay izy "complexe" hoe efa tafa aho dia tsy mivaky loha sy tsy miraharaha ny hafa intsony .Indrisy :oops:
19. fijo ( 07/09/2004 21:38)
"TAFA" :-D :-D :-D trano 9m2 no hipetrahan'ny sasany nefa io no toetrany
20. pitsburg ( 08/09/2004 11:31)
salii miarahaba antsikarehetra eh!mhafinaritra mihitsy ny resaka momba io fihavonavonan'ny gasy ao PARIS io han!!
tena resaka be mihitsy i @ izao fotoana ho an'ny gasy rehetra izay vao mba mametrak ny tongony voalohany eto an dafy tena mamapalahelo tokoa satria mnajary manaratsy tarehy ny ankamaroan'ny gasy kely sy manakivy izay vao tonga tokoa. satria ireo ankizy va tonga de mba faly ny tonga aty am pitan dranomasina kanefa ny mitsena azy ireo de ny fo mangatsiaka ireo gasy izay mba hantenainy mba hanome tosika azy ireo @ izato fisarahana ny any an tanin drazana kanefa indrisy toa avonavona no azony! ka mba asiavo fiheritreretana ihany izato izy ry zareo ao paris oh!! gasy ny tena ka mba mahaiza mitsinjo ny gasy toa an'ny tena hoy indrindra ny ntaolo woe " aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kamabana" ka anjaranao ny miheritreritra. ampitiavana be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1255