Tsy tia Mozilla ve serasera.org : bug

1. hoanao ( 31/08/2004 16:36)
Ho an'ny mpiandraikitra ity fiseraserana ity, misy tsy mety kely ny fizahana ny takelaka mankao @ takelaky ny tononkira raha ohatra ka Mozilla no navigateur ampiasaina.
Ity ny zavatra hitako : http://mon.depotoir.free.fr/consult.php?target=bug_serasera

Mozilla Firefox 0.9.2 no ampiasaiko

Misaotra indrindra
novalian'i hoanao ny 01/09/2004 07:39
2. hery ( 31/08/2004 16:51)
Ary ny mozilla izany tsy mandray ny style css amin'ny combo box???
Ahoana no ataon'ny olona raha tiana hampidirina ao anaty 150px ny ?
3. hoanao ( 31/08/2004 16:54)
Dé tsy haiko aloha, mila jerena izany ny norme
4. hoanao ( 31/08/2004 16:59)
hery> raha mpamboatra pejy eto ianao, dia azonao jerena ve ity

style="font-size: 8pt; width=130; height:173"

Soloy
style="font-size: 8pt; width:130; height:173"

Mety ho io faharoa io no mety ('=' nosoloina ':')
5. hery ( 31/08/2004 17:00)
Io liste io dia mampiseho ny anaran'ny mpihira rehetra ao (na tarika), misy lava be ny mpihira ka raha tsy fehezina dia lasa ohatran'io hita amin'ny sary nomenao io. Rehefa fehezina izy (amin'ny css) dia tafiditra ao anaty 150 px.
andraso fa hitady fomba haffa aho.
6. hoanao ( 31/08/2004 17:04)
Misaotra anao ary
7. hery ( 31/08/2004 17:11)
oups, niaraka nanoratra isika :)
aleo jereko io
8. hery ( 31/08/2004 17:13)
Ok tena marina ny tenin'i hoanao. Bug tokoa io. Andraso fa hahitsy kely

Misaotra betsaka e.
9. hoanao ( 31/08/2004 19:00)
Izaho no misaotra anao mikarakara an'ity takelaka ity e !
10. hoanao ( 31/08/2004 19:13)
Tonga matetika toy ny sotro kely hono e ! :lol:
Izaho ihany ity, efa niova kely ilay izy fa mbola tsy mety tsara, izao indray no hitako : http://mon.depotoir.free.fr/consult.php?target=bug_serasera_2

Ny tsy azoko dia maninona ilay izy no asianao "height: 173" ? Izany no mahatonga azy io ho avo sahala amin'izao.

Miala tsiny fa hoatran'ny hoe mi-kritika be loatra :oops:
11. hery ( 01/09/2004 06:58)
Euh :) mahatsara zavatra ilay milaza ny tsy mety kah.
Ny blem fotsiny dia tsy ananako accès tanteraka io fichier iray io satria any @ radio any @ ordinateran'oul dia na mi-contacter azy na mandeha any aminy vao mahaova an'ilay fichier. Miandry valiny avy any indray aho io

Misaotra e.
12. hoanao ( 01/09/2004 07:39)
Hay sarotsarotra kokoa izany ny manova azy.
Lazaiko anao eo ihany raha mahita zavatra hafa aho :wink: Fa tena tsara ilay site kah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3137