ivg? fondamentalement pour ou contre

1. poupounesana ( 11/08/2004 15:14)
mamono oll hono raha manao avortement. misy cas anefa toy ny tatsy ambadika (sos) mety mitranga.condamner-nareo v ny IVG sa d efa tsy maninn @zany nareo tlmt le izy efa banalisé!tadidio fa toa mbola voararan'ny lalàna izy io eto @tsika
répondu par pitchou le 16/12/2004 05:58
2. haingou ( 11/08/2004 15:31)
Rehefa tena sendra ny tsy fidiny kosa aloha raha izaho manokana tsy dia manome tsiny e. Nefa izy koa anie misy fiatraikany raha atao matetika e satria mampanify tranonjaza ary farany aza tsy miteraka intsony. Mbola voarara ny lalana tokoa izy io eto amintsika nefa na izany aza tsy vitsy ny dokotera no manao an'izy io ary za aza toa nahaheno hoe ny marie stops koa aza toa manao avortement. Ka ataoko fa lalana mipetraka fotsiny le hoe tsy azo atao fa na ny mpanao lalana koa aza angamba mba mety ho tratran'izy io rehefa tena tsy fidiny. Le manao fanabeazana aizana koa anie tsy dia tsara e.
3. kally ( 11/08/2004 15:52)
Nanao azy tsy nahalala maty sy tsy nahafehy tena ka avy eo vao hoe oy a oy!
Raha tsy vokatry ny fanaovana an-keriny,TSIA.
Nanana safidy ianao talohan'io,fantatrao ny mety hitranga ka nahoana no tsy mahafehy tena?
4. sipagasy ( 11/08/2004 17:42)
Tsy azoko hoe maninona no olana any Dago, aty frantsa anefa dia azo atao tsara fa izany hoe tsy mahazo mihoatra n'ny 12 herinandro fotsiny, izaho manokana aloha tsy manisy olana izany é! safidy io tahakan'ny hoe te hanan-janaka nefa tsy mila vady!!!!!!!!!
5. gasikely79 ( 11/08/2004 18:53)
Efa misy pilila ka inona no tsy hinana zany raha toa ka tsy mahatanty???
Ary ny aty Frantsa raha mamela malalaka ny IVG e zany izy hoe tany tandrefana efa tsy misy "valeur fondamentale" intsony dia ho ariana ve ny fahendren'ny tena é??Madagasikara anie tsy ho Lafrantsa rahoviana é na ny fitaovana "hanalana le zaza velona ao ankibo" aza tsy mitovy.
Kajio hono ny an'ny tena fa ny an'ny hafa tsy omeny é!!!!!
6. tenio ( 11/08/2004 19:11)
Za aloha contre e! Mamono olona izany amiko ka tsy dia eken'ny saiko loatra.
7. kinaoly ( 11/08/2004 23:05)
mbola ady hevitra mandeha @izao fotoana izao, ary tsy mbola ahitana valiny mazava ny hoe efa \"olona (être humain) ve ilay ao ankibon\'\'ny vhv bevohoka(embryon sy foetus). :?:
hahavita ahafehy tena avokoa ve ireo mpivady (aleo tsy resahana ny tsy mbola mpivady fa hijanona anati\'ny legitime ary izaho) mba tsy hisin\'ny zaza tsy niriana?
raha mitandrina izy ireo, inona ny vahaolana omena ireo sendra ny sampona (accident de preservatif , pillule et autres moyens de contraceptions)
inona ny vahaolana azo aroso ireo sendra vohoka nohon\'ny tsy fidiny (viol et abus sexuel)?
inona no atao ho an\'ireo tsy maintsy manao IVG medicale (antony ara-pahasalamana)?
tsy aleo ve omena fahafahana ry zareo hisafidy ny fiainany mba tsy hiampin\'ny olana , tsy laviko fa misy mahavita mitia zaza tsy niriana fa ny matetika dia hita any @ personnalitén\'ilay zaza ny fiantraikany ary takaitra entiny @ny fiainana maha olona azy
ny momba ny any dago manokana, tsy aleo ve asina lalana mifehy ilay IVG ahafahana mamaritra ny azo atao sy ny fetran\'ny azo atao, @izao fotoana izao manko dia mbola henatra ho an\' ny fiarahamonina malagasy ny IVG, ny ankamaroan\'ireo vhv sendra izany dia manatona reninjaza (tambavy sns..) misy koa ireo dokotera manao IVG nefa noho ilay izy zava-mahamenatra dia tsy afaka mivelatra ary manatsara ny fomba fiasa izy ireo. betsaka ny tsy afaka miteraka intsony nohon\'ny antony samihafa (complications sy ny infections) betsaka ny maty,. raha legaliser-na nefa io dia mety mba hitombo ireo salanisan\'ny manatona hopitaly na ireo toerana ahafahana manao izany ankahalalahana sy eo anatrehan\'ny mpitsabo (encadrement medical), mazava ho azy fa misy fanajana ny anonymat io an
harena ny zanaka, nefa kosa raha tsy natao hateraka hijaly ......
8. sipagasy ( 12/08/2004 06:04)
Mitovy hevitra @ i kinaoly aho é!, tsy misy tokony hahamenatra anie izany é! ary ny hoe tany tandrefana sy ny sisa tsy misy tokony hidiran'izany, tsy mandà ny hoe fahendrena maha gasy antsika anie izany é! fa rehefa @ ilay hoe patsa iray tsy omby vava ary ahoana ny atao???? sitrany tsy manano hoy ny hira izay??????? ka io no tena vaha olana raha amiko ary kouu, aza mikasika dia tsy ho voa!!!!na mahaiza mitandrina, be ny fiarovan-tena azo atao @ izao vanim-potoana ihainantsika izao, na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy, fa toa ny vavy ihany mantsy no hoe heverinareo fa nanao ilay izy; tsia , tafiditra ao anatiny koa ny rain-jaza niarahana nanao io fa tsy hoe akory bevohoka irery teo ilay vehivavy ka izy irery no tokony hizaka izany!!
9. booboo ( 12/08/2004 06:49)
kinaoly>ekena tanteraka !
10. kally ( 12/08/2004 08:06)
Ny olona tsirairay dia samy manana saina sy fanahy ,mampalahelo anefa fa betsaka ny mitady ho fehezin-dalàna foana vao mahay mitondra tena.ka hoy aho hoe anjaran'ny tsirairay aloha io ,na raràna io na tsyraràna misy foana ny manao azy.raha mahatsiaro tena ianao fa nety nys aina aman'eritreritrao dia esory e!aza mifehifehy tena sy ny sisa,manaova dia esory foana isam-bolana aza!
11. diavolana ( 12/08/2004 11:08)
Mahagaga mihitsy fa miresaka momba ny IVG ianareo nefa na iray aza tsisy manome ny famaritana azy
misy afaka manome ny fanalavana ny IVG ve na famaritana?
12. tsiperifery ( 12/08/2004 12:07)
diavolana > IVG= Interruption Volontaire de Grossesse
Na koa amintsika gasy hoe VIG = Vohoka Iniana Gôrobahana !!! :(
Sarotra ny ho pour na ho contre fa arakaraky ny toe-javatra miseho sy ny toe-tenan'ny tsirairay io !
Sady sarotra no tsy fidiny ho an'ny oul ny manapa-kevitra hanaovana azy io ka aoka isika tsy misy hanenji-dresy !
13. kabatritra ( 12/08/2004 12:25)
Ny mba tiako hanontaniana dia ny hoe misy ambaratongany ve ny fahotàna araka izay voalaza ao amin'ny Baiboly (didy 10).
Izay tsy mandà ny satroka (préservatif), ny pilina (pilule), sns, dia tsy tokony hanameloka ny IVG satria samy misakana ny fitombon'ny mponina ireo. Indrisy fa ny mahasamy hafa azy ireo dia izao : ny satroka sy ny pilina dia misakana ny fiforonana, ary ny IVG indray dia misakana ny fivoahana.
Ny tena loza dia ity : any ambany volo any dia lafo ny pilina sy ny satroka ary ny fanabeazana tsy ara-dalàna, hany ka mety ho maromaro kokoa ny IVG. Mpanota kokoa nohon'ny mpanana izay hary fomba ve izy ireo ?
14. tenio ( 13/08/2004 08:55)
Amiko aloha dia tsy dia tsy dia eken'ny saiko loatra ny fanalana zaza noho ireto antony ireto:

1 Tsy mifanaraka amin'ny toe-tsaina sy ny soatoavia malagasy izany izany milaza fa: Zanahary no tompon'ny aina , ny zanaka dia sombin'ny aina , ny zanaka no voalohan-karena

2- Tsy mifanaraka amin'ny toe-tsaina maha kristianina ( tsy asiako fanazavana loatra )

3- Mety hanimba ny fahasalaman'ilay vehivavy ny fanaovana izany: mety tsy hampiteraka intsony , mety hamono hahafaty mihintsy..........

4- Mety hisy vokany ara-tsaina ( conséquences psychologiques ) ny fanaovana izany. Mety hahatsiaro ho meloka izy any aoriana any, mety tsy hatoky ny tenany intsony. Mety hanenjika ihany koa ny eritreritra. Ao ny sasany manofy ratsy, ny tahotra ny ray aman-ndreny moa tsy lazaina intsony.

Hevitro manokana ireo nampiako izay mba hitako tamin'ny boky sy ny sisa kanefa ny tsirairay samy tompon'ny tenany sy mahalala ny ataony.
15. nikopol ( 13/08/2004 11:32)
Ary mba efa henonareo ve ilay tantaran'ilay sipa tsy te-hanao IVG dia novonohiny hatramin'ny tenany? :lol:
16. peluche ( 13/08/2004 11:51)
tena tragicomedie be le izy ry nikopol :?: :?:
17. nikopol ( 13/08/2004 11:57)
Peluche, tantara marina io an!
Tsy zakan'ny lohany lay hoe hanao IVG!
Tahio izy fa lasan-korazana! Tsy izy irery moa izany fa izy roa e! :lol:
18. pitchou ( 14/08/2004 17:29)
raha izaho alou d tsy manameloka mihitsy ny manao IVG aho satria betsaka ny antony tsy itiavana itazonana le zaza, indrindra mou raha ankeriny! maika ery nanao azy hoy ny sasany tary alou saingy matoa esoriny d tsy niriany, ary mety tsy izy no maika fa sendra ny tsy fidiny kou nahoana izy no terena hizaka ny tsy fidiny? ary aleoko lavitra aza IVG toy izay irony manary zaza irony na miteraka nefa tsy afaka hanome fitia le zaza akory satria tsy niriany! ary ny IVG kou ange @ maha volontaire azy d safidy e! ka mbola zony ny maka io safidy io!
19. kally ( 15/08/2004 09:48)
Safidy anie ny hanao firaisana ankoatry ny nisy nanolana ka noho izany tsy misy ny hoe tsy fidiny.Tsy fidiny ahoana moa nefa safidiny.
20. pitchou ( 15/08/2004 13:49)
raha safidiny ny ho bevoka d hafa! saingy raha tsy safidiny ny ho bevoka! samihafa zany kosa! ny vohoka tsy safidy tsy maninn na ajanona aza! ary ny fanolanana ange misy maro ny ankolaka e! isan'izany oh raha tsy mety manao fiarovana le bandy d efa forcé ihany zany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0665