Nanahoana ny tany @ 67?

1. hery ( 01/08/2004 06:55)
Misy namana tany @ 67 vitsivitsy nitantara fa nahafinaritra ny tany. Nisy ankizy teo amin'ny 50 teo ho eo. Mbola ho avy ny sary sy ny lisitra... misaotra antiska rehetra tonga tany e.

Mba tantarao hoe nanahoana ny tany?
novalian'i mayah ny 12/08/2004 00:53
2. sipagasy ( 01/08/2004 06:59)
izahay moa dia niaina nivantana ihany raha azo lazaina fa tao @ karajia é! izany hoe nisy namana nitantara ny fahatongavan'ny namana tao (yahoo messenger) no nanpiasaindry zareo izany fa dia lazainy mivantana tao @ karajia avy teo, fa tena nahafinaritra é! tohizo fa iantsoantsika gazety mihintsy @ manaraka.
3. kitjo ( 01/08/2004 12:07)
Eny tkou!!!!!

Ovina ny manaraka???
Mety possible ve ny faran volana Aout, za manko mba mety any amzany..... :roll:
4. booboo ( 01/08/2004 16:22)
miandry sary boooooooooobaka beeeee dé miandry ny namana tany hitantara lava beeeeeeeeeee
5. ramoul ( 01/08/2004 17:43)
De atôvy bobaka beeeeeeeeeeeeee mintsy zany ny sary nalainareo tany an!
De teneno eto dôly ny ps'reo raharta ao anaty sary.OK! :wink: :)
6. fyjl ( 02/08/2004 06:08)
Misaotra eram-po sy eran-tsaina ireo namana rehetra tonga taty @ 67ha. Isaorako manokana eto i Ravatorano sy Six fa nahafinaritra tokoa ny fiaraha-miasa. Isaorako ihany koa i MCZ izay nisolotena ny birao. Isaorana koa ireo tsy nandevona ny talentany ka nadray anjara mavitrika t@ fanafanana ny lanonana.
Raha fehezina dia afa-po tanterka ny tenako satria tamim-pitiavana sy tamin-pirahalahina tanteraka ny fifandraisana tao.
Niresadresaka sy nitafatafa izahay, nifankahalala ihany koa, nihirahira, nanao tononkalo, nandihy ary nisakafo. Nahafinaritra e! Ho avy tokoa ny lisitry ny namana tonga tao fa tsy ato amiko moa ilay izy. Tsy ireo lisitra ireo ihany anefa no tonga fa nisy ireo izay tsy voasoratra . Tsy fantatra noho izany ny isa marina satria maherin'ny 20 ireo tsy voasoratra. Araka ny henoko ihany dia nisy ireo namana tsy nahita ny toerana ka niverina fotsiny.
Ny momba ny fihaonana manaraka dia mbola halefa eto ihany fa ny fanirina aloaha dia @ ty volana Août ity. Koa mampahery sy manentana antsika rehetra fa mahafinaritra ary mahasoa tokoa ny tahaka ireny
7. mimich ( 02/08/2004 07:52)
Ie, nahafinaritra ka!, i ravatorano no tonga dia fantatro vao niditra ny efitrano @ iny izy somary kelikely (????) iny rehefa eo @ sary :lol: :lol:
@ ankapobeny dia io efa voatantaran'i fyjl io ilay izy. Ny tiana ho marihina fotsiny dia maro t@ ireo nilaza tato @ forum hoe ho avy no tsy hita tao. Asa na naman'ilay voalaza hoe tsy nahita ny toerana dia niverina na vazivazy fotsiny ihany no nataony tato na antony hafa , iny moa tsy hifanomezantsiny fa ny manetsa be mbola ho avy.
Ho anareo mpankafy tovo J, asa na efa fantatrareo na tsia fa izaho aloha dia t@ io vao nahalala fa hay i Ny eja no nanoratra ny tonon'ilay hirany mitondra ny lohateny hoe "teny mamy iny", nataony tany ilay izy, dé nisy nisy nihira indray avy eo.Misy hira hafa ihany koa ankoatra io mbola izy no namorona ny tonony.
Dé izao koa kay, ankoatra ireo namana mipetraka aty mada , dia i Samoina sy i Didi (tsy nentiny i zana-tsamoina) koa no tonga tao t@ ireo namana mipetraka any ivelany ka tonga niala sasatra taty, i Fijo hono tsy afaka fa mbola nisy nataony (mbola nitady kaly izay :lol: angamba mofogasy sy ramanonaka fa ireo no ela tsy hita hihihi!!!!)
Izay aloha fa @ manaraka na ny hafa indray no hanampy izay hitany tao.

8. mimich ( 02/08/2004 07:57)
kitjo a! mbola misy fa aza matahotra, miankina @ fahamatorana sy fahavononan'ny tsi-1-1 ihany anefa io , satria raha manontany eto hoe ahoana horaiketina ve dia manaiky daholo ny olona nefa rehefa avy eo ilay manaiky no tsy tonga dia oh manahirana ihany satria lasa tsy matotra ilay zavatra atao @ izay.
9. hendry ( 02/08/2004 08:05)
Manohana ilay hevitr´i Kitjo, aleo marina asiana @ faran´ny volana août dia mba ho afaka koa aho. Alahady 29.08 ohatra.
10. six ( 02/08/2004 09:05)
Ie, atao izany izay tena fotoana ahafahan'ny besinimaro e,
d ny tamin'iny dia nahafinaritra tokoa fa nisy retraretra e!
ts d misy ambara fa manentana antsika hatrany mba hanana ilay firaisantsaina
11. gasitiako ( 02/08/2004 09:47)
mbola hilay lavitra noho ny teo ny @ manaraka e ! tongava daoly an ry namana rehetra tsy foiko
@ ity volana ity indray ô
enga anie
12. pitchou ( 02/08/2004 10:26)
tena nahafinaritra be mihitsy izy izany!!!!
zà zany tena nikasa ny ho any nefa somary reraky ny dia satria sabotsy vao tonga d tara b vao afaka nefa tsy haiko le toerana! fa @ manaraka atao ze tsy maintsy ahatongavana!
13. kitjo ( 02/08/2004 12:17)
Mmhhhh, nilay be izany!
Oh znay koa ny olana t@ 28dec fa tato nilaza ho avy dol nefa tsy nisy tany akory.

Za sabotsy 28 no miala aty ka mety lahady 29 maraina angamba no tonga any,
Ka @firy ohatra no mety? Mety tara kely fts angamba fa tsy maintsy ho tonga!

Mmhhh, eo reto mbo raiketo an, za herinandro fts no any fa manaraka delegation avy aty no ataoko dia zoma aorian' io dia miverina ka sao tsy mahita!
14. mozart ( 02/08/2004 13:04)
salut daholo! zah isan'ny le tany 67ha fa tena masaka e! de miandry le manaraka ndray, sady nandihy no nivazo de nanao tononkalo de nisotro bex. :?: .....de nifanao fotoana ny sasany (l) , de nisy koa niaraka nody, :*
mahafinaritra ny toa ireny e! de misaotra betsaka ny mpikarakara( ravatorano.....), de mba atao @ toerana kobon'ny rehetra @zay tonga daholo ny namana, raha misy mila fitantarana bebe kokoa de anoraty "mozart"
15. kally ( 02/08/2004 13:46)
Izaho koa ok amin'ilay Alahady 29 Août.Tena marina an!Dia aiza ny fitôna dia iza no hikarakara?Izaho tsy havanana amin'ilay fikarakarana loatra mantsy.
16. ari.malala ( 02/08/2004 13:53)
Tena c promis fa hoavy @ ty août ty raha asianareo. Teo za tsy afaka fa nisy zavatra natao ê!
17. hendry ( 02/08/2004 13:57)
Zaho koa tena ho avy indrindra raha raikitra @ io alahady 29.08 io, raha alohan´zay aho tsy afaka manko.
1. Mety possible ve hoe ilay toerana nanaovana ny fihaonana t@ farany teo ihany ny tazomina?
2. Afaka mbola mikarakara ihany ve ilay nikarakara t@ farany? Raha misy ifanampiana dia lazao eto.
18. fyjl ( 02/08/2004 15:30)
Naheno aho fa hisy sortie karakarain'ny birao fa mbola tsy fantatra mazava ny daty fa ho retsika eto ihany. Ny resaka t@ Asabotsy mantsy dia hoe mila mihaona indray mandeha manapaka an'izay. Koa miangavy ny birao mba hilaza ny momba an'izay fa tena zavatra tsara io hevitra io
19. cowboy ( 02/08/2004 15:46)
Ny tenako izao dia aty fianar, nefa mba te hihaona aminareo any,

mbola tsy maintsy mamita ny fianarana aty fa manomboka ny 07 septembre vao miakatra aty tanà manao ny stage...

ka mba azo ahemotra kely amin'io daty io ve ?
enga anie !
20. hery ( 02/08/2004 16:51)
Tatitra kely tany amin'i mcz izay isaorana azy lehibe tokoa.
Mbola ho avy ny sary fa miandry kely.
_________

Tontonsa soamantsra ny fihaonana ny namana natao t@ 31 jolay tao 67 ha ,
na dia somary taraiky aza zay vao nanomboka . Ny namana Fyjl sy Ravatorano
no nandray ny fitenenana niarahaba ny namana tonga tao . natomboka t@
fifankafatarana toy ny mahazatra ny fiaonana , fa ny indrisy kely dia tsy
mba tazana tao ny namana taloha efa fahita t@ fihaonana efa nisy hatr'izay. Nisy koa ireo namana avy any ampitan-dranomasina tazana tao koa, nitohizana t@ fiarahana misotro sy vazovazo ny fiaonana avy eo , marihina
eto fa tena manantalenta tokoa ny namana , tao ny nihira sy mitendry , tao koa ny nanao tononkalo , tsonganina manokana teo moa ny namana NyEja izay sady mpanoratra ny hiran' i TovoJ'hay no sady mpanoratra tononkalo ,
hisaorana azy ny fizarany ny tanlentany t@ io fiotoana io tsy hadino koa ireo namana nanafana ny fotoana. Nahafinaritra tokoa ny fiaonana satray dia ny fampizara izay kely nisy teo ny namana rehetra; hisaorana ny namana FyJl nanoma ny hefintrano nanaovana Pv .
Natsimpy tao no soso-kevitra hoe hanomana fitsangatsanganana ny namana mba hivoka kely ny tanàna soso-kevitra ihnay moa iny fa tsy mbola nisy zavatra tapaka , fa notapahana t@ farany fa mety hisy fiaonana @ 14 na 15 aogositra izay , mba hanomezany namana rehetra ny heviny momba ilay fitsangatsanganana , ka @ io zayvao hita we aiza ny toerana haleha sy ny zavatra tokony hatao.
Miankina @ tsika namana rehetra no maharaikitra na tsia io fihaonana io.Ny
filoha vonjimaika moa de tsy hafaka namonjy ny fihaonana nohony adidiaman-draikitra mbola no sahaniny ka maneho ny fialantsiny ny tenany , ka nisoloan' i namana mcz sy eritreritra tena moa ny birao t@ io fotoana io.
50 eo eo ny namana tonga tao ka ireo avy ny anaran-dry zareo:
FyJl , Ravatorano , Mcz , eritreritra , samoina , Didi, Elfilipo, Miangola, kanto , Andrilalaina, six, lanjaadalampitiavana, karynah, voninkazo, ntsoa, dio,juroliarts, Mozart, arena, casper, rivolalaina, maandry, manjamanja , mimich, mala4, arimalala, mtiana; shadou, watsa, rapah, Aladin ,sarondrahona, NyEja,vivisexy, capitou , Glou, Blackman, Sum41, Andrianina_ , Belou , sy ireo tsy nanoratra anarana... (mbola hitohy)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1467