Olana nandalo

1. hery ( 26/07/2004 23:32)
Nandalo olana teknika tsy miankina aminay ny site serasera.org rehetra ny 26 jolay 2004. Voavaha izany amin'izao ka isaorana izay nanoratra sy niantso mivantana na dia teo aza ny fahasahiranana.
novalian'i fanaina ny 12/11/2004 21:27
2. mcfy ( 27/07/2004 00:23)
Misaotra anao nikiry sy nilofo namaha izany olana izany koa satria izahay koa no tsy misy ankafizina raha vao tsy afaka manoratra e!

Mankafy hatrany ny aty
3. kitjo ( 27/07/2004 01:39)
Tena mbola tsy voavaha ilay olana ry Hery na niverina an!
Fa tsy say nampaneno phone tsn fa efa dodo Hery sao d bedy eo njay za :-P
Isaky ny miova varavarakely dia tsy maintsy mi-log in....
4. hendry ( 27/07/2004 08:16)
Ohatran´ny mba efa niverina marina aloha e! Misaotra an´i hery. Zaho omaly gaga mihitsy hoe fa ahoana no tsy mety tafiditra, na zany aza mba nandeha ihany ny resaka mivantana omaly.
5. hendry ( 27/07/2004 08:18)
Mhh, tsy nandalo ilay olana ry hery fa tena mbola misy a! Marina ny an´i Kitjo hoe isaky ny miova varavarankely dia mila mi-log in foana.
6. hery ( 27/07/2004 08:38)
Ok arany. Hojereko akaiky. Somary manahirana kely ilay izy hoe nanova configuration ry zareo amin\'ny fotoana tsy tena naha-afaka ahy. Ezahina amboarina io e. Misaotra daholo :)
7. fraulo ( 27/07/2004 09:08)
Mba araraotina kely aloha ny fisaorana ny mpamorona sy mpikarakara rehetra an\'ity site ity e, indrindra i Hery manokana.
Io olana io tandra vadin-koditry ny zavatra rehetra fa tsy hay kosa ny tsy hisaotra ny Ezaka rehetra.
:D
8. peluche ( 29/07/2004 09:14)
misaotra @ fihezahan\'ny mpikarakara an\'ity site ity.sinon ohatran\'ny mbola tsy voavaha ihany le olana.
9. hery ( 29/07/2004 09:29)
Nandalo attack ny serasera.org dia nisy saturation izay niantraika tamin\'ny CPU-n\'ny lohamilina. Niezaka nanao intervention tany @ support technique izahay fa mbola tsy nahazo valiny mahafapo. Nafindrandry zareo machine hafa ny serasera.org amin\'izao fotoana izao satria lazainy fa mavesatra loatra ka tsy azo ampiarahana amin\'ny hébergement mutualisé.
Somary mahagaga sy hafahafa ihany izany satria hatramin\'izay dia zakan\'ny machine-n\'ny lunarpages.com tsara ny serasera.org fa mahagaga raha ohatra ka manjary tsy zakany amin\'izao.
Mandra-pamindrany ao amin\'ny toerana mahazatra dia somary manahirana kely satria io serveur nasiany azy io dia temporaire fotsiny ka betsaka ny fonctions izay tsy miasa ao anatiny ao.
Enga anie mba tsy resaka gafy avy ato anatiny izao manjo antsika izao fa mba erreur humaine fotsiny ihany.

ito ny dikan\'ny hafatra azoko avy any @ tompon\'andraikitry ny fampiantranoana

Your account is utilizing excessive resources, causing a significant
degradation of services on the server. This is a shared environment and we
can not allow one user to utilize the majority of the resources on a server as
it affects all users adversely. Because of this, you have been temporarily
moved to the Quantz server. A detail of the problem is shown below:

Top Process %CPU 36.0 /usr/bin/php
Top Process %CPU 25.0 /usr/bin/php
Top Process %CPU 16.0 /usr/bin/php
10. hery ( 30/07/2004 15:29)
Efa arahana maso ny loharanon\'ny overload ka ho hita hoe inona no antony. Efa ahena dia ahena ny zavatra ampiasaina isankarazany. Tsy miova anefa ny ao amin\'ny site namana fa aza matahotra.
Hiravona tsy ho ela io rehefa averindry zareo amin\'ny serveur normal ny serasera.org

Hery
11. kitjo ( 01/08/2004 12:21)
Misaotra an i Hery fa efa milamina e
Mazotoa hatrany fa manohatohan-tsy ho lavo eto zay e,
mba mamelombelona eto fa tsy mahay anzany teknika be nareo zany manko!hiihhhiih
12. fanaina ( 12/11/2004 21:27)
fisaorana no atao any hery aminy hezaka ataonao eto aminitia dia ny tenako dia faly aho mahare anizao dia misaotra anao ny tenako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3792