Sipa manana diplôma be

1. atmos ( 06/07/2004 22:45)
Fa maninona ny sipa manam-pahaizana be tsy mety miaraka @ bandy antonontonony, avy eo nefa lasa mademozely antintra avy eo, tsy mahita vady. Raha mety miaraka @ antonontonony anefa izy, entiny @ sangany ndray le bandy.
novalian'i kitjo ny 23/07/2004 13:38
2. wawawa ( 06/07/2004 22:48)
Satria ny bandy tsy antonontonony matahotra an'ny sipa be diplomes. Ny bandy antonontonony indray manana tendance lasa manana complexe (Aza generalizena)
3. yonikafopl ( 06/07/2004 23:11)
dia mifamadibadika eo foana ilay resaka dia tsy hita mihintsy izay tena valiny.
4. wawawa ( 06/07/2004 23:27)
Ny tena milay amiko dia aleo ny olona mitovy no miaraka, cad manana points communs betsaka mba tsy hisian'ny blem
5. xxx ( 07/07/2004 09:06)
sady mitovy fari-piainana,mitovy diplome,mitovy fomba fisainana,mitovy finoana,samy zanakin'ny olona antony-mahantra-manankarena,mitovy loko,samy mitovy fiaviana?....be dia be le afaka ampitoviana fa sarotra ny hahita hoe mitovy tanteraka zany,mbola santionany fotsiny ireo mitovy ireo ...manampy zay te-hanampy
6. atmos ( 07/07/2004 09:19)
Na ahy ndray nefa "secondaire" izany problem zany, fa ny zava-dehibe de ny toetrany sy ny fomba fisainany. De rehefa tiko ara-fizika izy, dia miampy an'ireo, dia OK.
7. xxx ( 07/07/2004 09:28)
secondaire marina ve.raha ohatra ny tena ka katolika ka sendra ny musulman.Toa mangotraka ihany ny raharaha,na mifanaraka ary ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana.asa aloha!!!na dia hoe tsisy zavatra tsy vita ary.
8. pitchou ( 07/07/2004 11:06)
amiko alou d aleo ny fomba fijery no jerena mba izay mitovitovy e! @zay tsy mitovy aza ny hevitra afaka miady hevitra, ary mahita resahana foana!
ahoana kosa moa ry atmos raha ny iray tia karokaroka tia mihaino vaovao liana @resaka avo lenta ny iray tsy izany mihitsy fa ohatra hoe mijery film point barre?
Betsaka ny tsy manana diploma nefa manana fahaizana tena ambony be! ireny izao tsy hanana problema izany milahatra @ be diploma! saingy misy koa olona kompilekiseh raha tsy misy baoritra fa tsy mampivoitra ny fahaizana ananany!
9. vonimboasary ( 07/07/2004 11:10)
Hay ve ka misy an'izany koa eo @ fitiavana e! f'angaha moa tsy rehefa samy tia sy mifampatoky ianareo dia izay no zava-dehibe fa ny fitiavana foana no ambony @ zavatra rehetra ; ny dipaloma izany secondaire marina .
10. atmos ( 07/07/2004 11:22)
xxxxxx : ka raha ampidirana rehaka finoana indray le izy de tena vao maika gravy be kou, ....
11. atmos ( 07/07/2004 11:29)
xxxxxx : ka raha ampidirana rehaka finoana indray le izy de tena vao maika gravy be kou, ....
12. lema ( 07/07/2004 14:28)
"fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo ....."
13. pitchou ( 07/07/2004 14:38)
fa raha miodina kosa alou izy, tsy maha-fitiavana azy aho e! hihihi!
14. wawawa ( 07/07/2004 15:05)
Ka izay no antony ilazako hoe aleo au moins asiana 6 points sur 10 mitovy. Marina fa tsy misy olona mitovy tanteraka zany, na jumeaux tsy mitovy fa rhf misy ny points communs dia mora kokoa ny fifandraisana
15. tolotra ( 07/07/2004 15:24)
izay ilay hoe ento am-pitiavana na miodina ary ilay bandy. fa tsy fidiny angeh ilay miodina e!
16. wawawa ( 07/07/2004 15:50)
Ka zao! Ny fitiavana mitovy @ vonikazo an-jaridaina. Mila kolokoloina raha tiana haniry tsara. Anisan'ny fanolokolona azy ny fifidiananana olona mitovitovy @ nao.
17. sariaka91 ( 07/07/2004 16:01)
Aleo tokoa mba olona mitovitovy @ tena no iarahana ifampizarana fiainana, fa manjary misy elanelany be dia tsy mifankahazo resaka indraindray raha tsy izany.
Ny mitovy hono no milambana ary ny vorondolo tsy mitera-voromanga.
18. wawawa ( 07/07/2004 16:04)
Ekena. Na zany na tsy zany dia mahaliana koa ny mahafantatra personnalite hafa!
19. ikaretsaka ( 07/07/2004 16:04)
gravy aloha ilay basin'ariary fito e.. tsy lafotsy mora.. ary irenyatetika no lasa @ ilay tenin'i fijo hoe vierge a 30 ans
20. yonikafopl ( 07/07/2004 16:27)
ka raha izao indray ary ka, misy tsara tarehy sy tsara toetra nefa tsy mba nandia fianarana noho ny fahantrana ohatra, sy ny ratsy tarehy sady miavona no ratsy toetra nefa ilay manana diploma be sy manankarena ihany koa, dia iza no tsara kokoa @ ireo.
dia misy izany ilay basin'ariary7 eo sady tsy ratsy no tsy tsara, tsy dia manam-pahaizana loatra, sady tsy mahantra no tsy manana.
Ny fitiavana no ambony indrindra. ary ny tena fitiavana mahasarona ny zavatra rehetra .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1922