Andao hianatra teny malagasy

1. kitjo ( 04/07/2004 08:31)
Eto indray izany tsy ilay hitenena teny malagasy fotsiny fa atao toy ny fandikan-teny mihitsy (diksionera) fa ilay ary amin' ny teny malagasy atao fitsipika sy tsipelina.
Ireo izay tsy mahay miteny gasy dia manontany eto ny dikany.
novalian'i fatsoraly ny 05/11/2004 06:51
2. fatsoraly ( 04/07/2004 14:51)
dictionary = rakibolana
3. bichette ( 05/07/2004 08:54)
Hevitra ankafizina .
Inona no dikan'ny hoe "baie" amin'ny teny gasy ???
Inona no tena "sens" ny hoe "filamatra"
Misaotra mialoha
4. fatsoraly ( 05/07/2004 15:55)
Baie = vavarano (Ohatra: baie d'Antongil = vavaranon'Atongilana)

filamatra = "devise" ("motto" @ teny angalisy)



5. mimich ( 06/07/2004 14:50)
iity misy teny malagasy vaovao ho anareo any am-pitandranomasina any.
ny "qualité " di nadika hoe kalitao sy hoe nohagasiana fotsiny ilay teny vahiny fa tena misy dikany amin'ny teny malagasy io kaly + tao izany hoe zavatra natao voakaly. (tsy kalin'i fijo io an! hi!hi!hi!)
6. kitjo ( 06/07/2004 15:47)
iieee,misaotra an mimich

ary ilay hoe "hay raha" moa experience sa inona, azafady fa tsy haiko koa aza ny manoratra azy
7. olly ( 06/07/2004 15:58)
experience kitjo toa hoe traikefa a! hay raha izany indray toa hoe art no fandraisako azy , sa diso aho?
8. wawawa ( 06/07/2004 19:36)
tsy diso
9. bichette ( 07/07/2004 07:33)
misaotra betsaka fatsoraly
10. mabloo ( 07/07/2004 16:00)
tsy fantatro raha efa betsaka ny mahafantatra reto fa lazaiko ihany
internet : tambatserasera
telephone mobile : finday
mondialisation : fanantolona
11. wawawa ( 07/07/2004 16:13)
Hay ve e! Raha otranireo daholo ny teny gasy aleo miafy @ teny vahiny kle!
12. bichette ( 08/07/2004 09:37)
ary ny hoe tranonkala izany dia "site" ary ny "internet" tambatseresera ?

wawawa: korazy ianao mianatra ny tenintsika e !
13. kitjo ( 08/07/2004 12:42)
wawawa> iafio ao foana eee.....

olly> misaotra fa hay izany tokoa kay!

savoir-faire; fahaiza-manao?
14. bichette ( 09/07/2004 09:38)
Inona ny hoe karajia dia inon ny hoe mitafa ??? Dialoguer ve ilay hoe mitafa dia chat ilay hoe karajia ?
15. ikaretsaka ( 10/07/2004 01:18)
mi chat= misaka (akaikikaiky @ ilay ataon'ny gasy hoe mifosa) fa tsy heo misaka trondro sanatria an :-)
16. pitchou ( 10/07/2004 05:08)
fatsoraly> otran'ny te-hanintsy kely fotsiny aho fa tsy sure aho hoe tena izay fa tsy mahita sarintany ao eto
baie= Helidrano (hezlidranon'i Antongila no fiteny azy)
vavarano= embouchure
Tantara lava be t@ 1998 ny mety handikana ny "ocean", fa toa nataon-drizareo tao @ akademia hoe "bambandrano"
ecotourisme=zahavoary (hihihi! teny vao henoko vao haingana io sady ohatra ny mahafatifaty dia tadidiko)
17. fatsoraly ( 10/07/2004 05:22)

Ary mba adikao @ teny frantsay hoe ireto? Aza manao dika vilana an!

Ho "ela velona" e! (rehefa misy mievona)

Etsy trotroiko izato "menaky ny aiko"
18. kitjo ( 10/07/2004 17:04)
aleo aho hiandry valiny koa fa tsy haiko sao manao dika vilana!(oh hoe huile de ma vie)

19. ikaretsaka ( 11/07/2004 03:35)
io mamoronteny io ihany ... ahoana ny fiantsoan any pompiers @ teny gasy?
Fiarampamojytranomaisymatyandrao?
20. bichette ( 12/07/2004 09:01)
"longue vie" = ela velona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3661