ny vadiko tsy mahazo miasa

1. poupounesana ( 18/06/2004 17:24)
hoy ny lehilahy sasany. ny hevitrareo?
novalian'i pitchou ny 28/12/2004 23:57
2. pitchou ( 18/06/2004 17:40)
asaivo mitady vady hafa izy ko inona moa? ny tena v tsy nanao heloka tsy nahavita ratsy d ho gadraina? sy verezin-jo tsy hanana safidy?
3. xxx ( 18/06/2004 17:45)
pitchou kosa masiaka b eh!misy lelà ange tsy miteny an'zany raha tsy rehefa mivady ry zareo eh!ngah mora ny miala ao
4. kinaoly ( 18/06/2004 20:11)
aza manary fanantenana izany lehilahy zany fa mbola misy fiarahamonina afaka mandray azy tsara( ireo fiara-monina arkaika be tsy nivoatra efa ho 200taona mahery), lol be, ny tsara ho fantany kosa anefa dia any ihany izany no ekena fa any ankafa le temps des boys c'est fini :D, tsy ekena intsony koa na hoe mahavelona soamantsara ny vadiny aza izy satria une prison est une prison même si elle est dorée :)
5. kinaoly ( 18/06/2004 20:14)
aza manary fanantenana izany lehilahy zany fa mbola misy fiarahamonina afaka mandray azy tsara( ireo fiara-monina arkaika be tsy nivoatra efa ho 200taona mahery), lol be, ny tsara ho fantany kosa anefa dia any ihany izany no ekena fa any ankafa le temps des boys c'est fini :D, tsy ekena intsony koa na hoe mahavelona soamantsara ny vadiny aza izy satria une prison est une prison même si elle est dorée :)
6. ramoul ( 18/06/2004 20:57)
Tsy mety ra tsy misa ny vadinao ry poupounesana amin' izao fotoana sarotra zao. asaivo mitady asa izy ra mety.
7. booboo ( 18/06/2004 21:30)
zay tian'ilay vevavy ihany io fa tsy manana zo hanery an'izany ny lelà ! mety any no anisan'ny mampivelatra azy bebe kokoa
8. pitchou ( 19/06/2004 03:59)
xxxxxxx> dieny ety amboalohany izany ianao d efa nofitahany? d minoa ianao fa mbola vao santatra ambavarano izany!
marina daholo ry poupounesana (mahafatifaty be aloha le solonanarana e!) ireo lazain'ny namana ireo: ny asa tsy hoe fidiram-bola fotsiny fa fivelarana @ maha-olona mihitsy! ary raha tsy hiasa le vevavy d azony atao @ izay tiany koa satria tsy afaka hahaleo tena intsony ary tsy afaka hanana safidy intsony! soa aloha fa ny ankamaroan'ny lhl tsy otran'izany intsony e!
9. kally ( 19/06/2004 07:16)
Aza miady hevitra aminy amin'izany re fa asaivo vidiany daholo ity hitan'ny masonao rehetra ity dia rehefa farany izy tsy maintsy hiteny hoe mitadiava ianao asa hanaovanao ny sitraponao kah!
10. lema ( 19/06/2004 07:23)
ka matoa anie le sipa tsy avela hiasa mba mila fantarina kou ny antony fa tsy manao coup de tete fotsiny hoe prison,na anao sitrapo,............mety hoe ianao no tiany hitaiza ny zanany fa tsy ny piasa ohatra ,ary matoa izy miteny an'izany dé mety ampy ny sosy ao an-trano,fa raha asarota-piaro ndray alou de tsy aiko e!!!
11. ari.malala ( 19/06/2004 08:46)
efa tsy @ zao fotoana izao intsony kosa angamba izany vhv tsy mahazo miasa izany ka! ny fiainana efa sarotra sady inona koa no antony nianarana , na ny marimarina kokoa hatao inona izay nianarana rehetra raha hijanona tsy hiasa?
12. vegas ( 19/06/2004 11:33)
omeo an'lé sipa kamo hiasa lery ahitany azy. Mety tsara ny an'izy roa amizay.
13. kinaoly ( 19/06/2004 12:35)
lema> ka zay le manahirana, efa tenenina fôna nareo lehilahy hoe hifampizarana avokoa ny rehetra ao antokatrano, manomboka @ny fitaizana ny zaza izany. rehefa miasa angaha ny vehiavy dia midika hoe ny tezain'ol hafa ny zaza ?! izany no nanaovana ny congé de maternité, ary azo atao tsara ny miasa sady mitaiza ny zaza rehefa mahay mifandamina ny rehetra.
raha vao misy hifanerena ilay izy hoe "tsy avelako miasa ny vadiko" dia tsy mety. raha safidin'le sipa ny tsy hiasa hafa zay fa raha ilay lehilahy no mandidy de tsy raikitra kosa.
na ampy ohatran'ny inona aza ny vola ao an-trano rehefa te-hiasa ny vehivavy dia aleo hiasa. sady tsy resa-bola ilay izy fa fivelarana ny maha-olona eeee
kally> hihihihi kloun be le hevitrinjy
14. yonikafopl ( 19/06/2004 12:47)
Raha toa ka ilay lehilahy no mibaiko be hoe tsy mahazo miasa ianao dia tsy dia tsara loatra, raha miampy indrindra hoe tsy mahazo mivoaka ny trano koa dia tsss
Fa raha toa indray ka hifampiresahan'ny mpivady io noho ny fitaizana ny ankizy araka ny tenin'i lema dia manaiky aho,
Raha izaho manokana aloha izao mbola tsy manambady izao no ataoko ny asa sy ny fitadiavam-bola e! fa rehefa manam-bady eo aho , aleoko aloha hikarakara ny vady indrindra ny hikarakara izay ho zanako e! tsy ho laniako any @ birao any ny tokony hibanjinako ny ho avin'izay ho taranako.
Safidy ny ahy iny fa tsy terena akory. Mandeha @ safidy ny fiainana fa tsy azon-drangahy terena fotsiny kosa hoe tsy maintsy miasa ianao , na koa hoe tsy mahazo miasa ianao.
Afaka manao asa part time koa ange e! raha toa ka te hiasa ny vehivavymanam-bady, fa na izany na tsy izany aza atao ambanin-javatra ny fikarakarana ny tokatrano sy ny ankizy ry neny isany.Dia ianareo lhl koa aza tonga dia manao didy boraingina be hoe tsy mahazo manao izao , fa ny fifanakalozan-kevitra no tsara indrindra.
15. vegas ( 19/06/2004 13:07)
ilay mandidy sy mifanery mintsy no tsy mety na amin'ny lafiny inona io na lafiny inona. aza atao mifanena amiko ze lelahy manao an' zany ny vadiny fa ahita loza. teneno ahy rankizy a!
16. lema ( 19/06/2004 16:21)
i yonykafopl no nahazo ny tiako ho ambara.
tsara fa tohizo
17. pitchou ( 19/06/2004 17:28)
lema> tsy satria ianao te-hiteraka d ny hafa no fefenao tsy hivelatra!!!! ny zanany a ny zanany! izy angaha no narary t@iny? tsy mety izany! ary eo indrindra no vao maika tsara ny hisian'ny occupation hafa noho ny fitaizeana ho an'ny vehivavy! manjary kirizy isaky ny mahita ilay zaza izy satria corvée, sady terenao hijanona!
18. booboo ( 19/06/2004 18:42)
vegas> héhé hisy levona any ho any a ?
19. rinakely1 ( 19/06/2004 19:26)
lahy sy vavy samy miasa dolydoly d samy vita e!
20. lema ( 20/06/2004 09:31)
pitchou>tsy misy mamefy azy tsy ivelatra anie!!
fa ny fandraisantsika sy énao izany fitaizana zany no tsy mitovy,néna
fitaizana dé fampianarana ihany kou,avy eo lé zaza tsy mahalala fomba fa fombana mpiasa no ataony,ary raha zavatra tiana zany tsy raisina ho corvée satria lé mitaiza kou mila tiavina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1612