Inn no tena nanamarika anao teo amin ny fiainanao ny fahaazana v? ny fahatanorana vao nanomboka

1. ravatorano ( 05/06/2004 12:32)
....ny fahatanorana nahalala ny vavy sy lahy , ny fianarana primaire ,secondaire ,universitaire,
teo amin ny fanambadiana sns.........
novalian'i mimich ny 02/07/2004 07:45
2. kitjo ( 05/06/2004 12:45)
mmhhhh, tsy azoko le oe nanamarika...ianao ve no voamariky teo @ fiarahamonina noho ilay zavatra sa oe ny zavatra nisongadina indrindra t@ ray t@ reo fotoana ireo?
3. ravatorano ( 07/06/2004 06:26)
marina mumu sy ramaso fa tena tsy ampy ilay fanontaniana na diso aza fa aleo dia izao :
-zvtr nisongadina indrindra tamin ny iray tamin ireo fotoana ireo
-nahavoamariky ny fiaraha monina anao.
Misaotra ana i mumu sy ramaso
4. ari.malala ( 07/06/2004 09:24)
ny zavatra tena nisongadina nahamarihan'ny fiarahamonina ahy d t@ 1/01/93; nanao fampisehoana maimaimpoana teny aminay mpihira nalaza t@ izany fotoana izany d za tia b ny hirany d niara nihira taminy sy nandihy tsy nahalala menatr'olona, nisy naka sary ary mbola voatahiry ilay sary d afenina refa misy mijery album fa mahamenatra! efa nalàna tao mintsy moa!
5. kitjo ( 07/06/2004 09:30)
ny tsara aloha bdb fa ty zavatra ratsy iray ty koa nisongadina
za t@ maternelle fa tsaroako foana h@ zao ary mahakrizy mitsy

Nisy mpivarotra voamadilo teo @ vavahadin providence, d ariary2 ny iray le fonosiny fonona sigara mangirana reny, d notambatambazany a oe omeny voamadilo 2 d atakalo kavina dnomeko azy tkou le kavina volamena, d nampiany an bonbon sigarety 1 sy bonbon le oh sary harona mavokely reny 1

tttsssss
aza mba nandra ihany.
Zay no itiavako resaka toe-karena,hahahhaha
6. samoina ( 07/06/2004 09:43)
( ravatorano/ oul 1 ihany ve i mumu sy kitjo sa za no diso fandray @ resaka etsy ambony ? ). Tanjemo hoa io vômadilo io fa mahajamba !! hihi

Ny ahy ny nahamarika ahy dia ny vadin'ny filoha Ramanantsoa . Nisolontena ny mpianatra hiarahaba azy za t@ fetin'ny reny efa elabeeeeee. De nosafosafoiny ny lohako sady tsapako mirana ery iny hendriny sy ny masony iny nijery ahy . De tsy maty an-tsaina mandrak'androany e !
7. mumu ( 07/06/2004 10:05)
samoina olona 2 samy hafa zay fa mba diso mou izy e!!

vômadilo mahajamba??? za mantsy mihinana faona!!
8. kitjo ( 07/06/2004 10:49)
ihhihiihhi, tanjemo zany mumu fa sao mifandona @ lery (???) any njy vao gaga fa samy tsy mahita an

samoina> le mmhhh no hitandravatorano voalohany d neveriny fa mumu k,hihi
9. hendry ( 07/06/2004 10:55)
tsy mety adinoko, botakely aho tamin´ny mbola mpianatry tany amin´ny primaire, tsy mety hanao gym satria resy foana rehefa mihazakaza nefa forcer´ny mpampianatra dia mamorona aretina isaky ny hanao gym.
10. booboo ( 07/06/2004 11:06)
ny anà t@ zà 8 taona angamba dé nanao vacances t@ zay, nisy dadabe izay nitety tranon'olona fa "mba omeo vary na iray kapôka fotsiny aza fa marary eny @ hôpitaly ny zanako vavy ", dé henoko tsara ny bebeko t@ zay niteny masiaka an'azy oe " tsisy ". nampiova be ny fifandraisako t@ manodidina anà io raha io.
11. mumu ( 07/06/2004 12:25)
kitjo hihihihih
12. tsilan ( 07/06/2004 13:05)
Ilay milaha-bary tamin'ny taona 1979-1982
Avy mianatra hariva dia mandeha mametraka laharam-bato any amin'ny biraon'ny fokontany nefa efa reraka ny tena avy nandeha tongotra avy any am-pianarana
Rehefa amin'ny 4.30 maraina dia mifoha indray mamonjy ilay laharam-bato fa amin'ny 6 maraina no zaraina ny vary. Ka sao dia misy misongona ny vaton'ny tena. No maka laharana koa amin'io.
Dia tara an-tsasak'adiny foana isan'andro va miditra any an-tsekoly.
Rehefa ririnina moa dia misanaka mihintsy ny vakivaky amin'ny tongotra noho ny fanala maraina any am-pilaharam-bary.
Tena tsy haiko hadinoina mihintsy io. Dia ireo mpikambana AKFM sy AREMA tamin'izay dia tsy mba nijaly vary izany.
13. chipie1 ( 07/06/2004 13:08)
ny ana ndray de nianatra tany @ masera mou talou , nefa tsy catholique a! de indray mande isankerinandro no mande miangona ny tao ampenarana de maita anilay ankizy mandray kominio reny , de te anandrana fona . Farany tsy aritro tsony de iny kou za nandray nilahatra ,de itanilay mpampianatra anay sady izy mahafantatra tsara ana. Fa tonga de bedy be za tao ampengonana ary tena tsy adinoko mintsy zay...
14. nikopol ( 07/06/2004 13:19)
Ny ahy zavatra maharikoriko be : nisy olona voahitsakin'ny train tamin'ny toerana fandalovako zay. Vatana tsisy loha ary tapa-tongotra iray no hitako. Ny tanany iray nipitika alavitra be.
Indraindray za rehefa mandalo amin'io toerana io dia mbola any foana ny saiko.
15. samoina ( 07/06/2004 13:20)
Izay no naha-chipie anao 'zany fa ni-chiper lava dieny kely ka na ny tany am-pengonana aza tsy nahatanty le toetra intsony ? hihihi
16. chipie1 ( 07/06/2004 13:28)
samoina> tsss misaotra e!
aleo isaorako iany na de ....aza
no comment hihihi
17. jhouhlambout ( 07/06/2004 14:24)
:-)
18. samoina ( 07/06/2004 14:31)
Chipie1 / Inoako fa tsy hanamarika anao eo amin'ny fiainanao ny "méchanceté"-ko an ! Hifonana raha nandratra e! hihi
19. chipie1 ( 07/06/2004 18:17)
samoina> nandratra??? zay zany ve ??? ountsss
hihihihi
tsy koi e!!
20. fijo ( 07/06/2004 22:12)
ny ahy nanao sekoly alahady dia tsy nanana boky,fa tsy nahavoavidy mamanay.dia mba nijery tamin'ny namako aho dia nofetahan'ilay mpampianatra tehamaina.dia iny aho no lasa ary bye bye nanomboka teo koa rafiangonana.dia hisak'alahady aho mandalo eo andeha hilomano,dia antsin'i lery,ary nompako sy notorahako vato,dia i mamanay no voahantson'ny rapasy,fa lasa jiolahy hono aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3815