Inn no tena nanamarika anao teo amin ny fiainanao ny fahaazana v? ny fahatanorana vao nanomboka

21. angie ( 08/06/2004 07:01)
ny ahy tamin'ny za vao tonga kelikely taty Italy dia nanao kilasimandry ary 180 eo zahay avy @ 56 pays du monde. Nisy fandehananan'ny kilasimandry rehetra tany @ i papa Joany paoly II,ary izy moa tsy afaka nandray tanana ny rehetra fa ny directeurn'ny collège ihany sy solontenan'ny étudiants, izaho sady vaovao tamin'io no tsy katolika... nefa dia naharay tanana azy dia naka sary niaraka taminy nahazo film pour 30 min avy tamin'ny Vatican koa mba atao souvenir.
Vao nalefako tany dago io dia faly daholo ny olona nefa za tsy nisy nahataitra ahy akory satria ny antony nandehanako teo dia satria za no membren' ny komity ny mpianatra dia zay fotsiny.
Ny loza anefa dia ny ankizy tao aminay lasa nisy tezitra tamiko ny ankabeazany hoe nahazo tombony aho nefa tsy misy fiantraikany amiko akory zany nandray tanana ny Papa zany. dia hoy aho e tsy nampiova n'inon'inona teo @ fiainako fa nareo fotsiny no marary fo eo....
22. mumu ( 08/06/2004 07:48)
fijo hihihihihi
23. chipie1 ( 08/06/2004 07:53)
aiza ny anjy ry mumu faza mivanitika eo fa tsssss...
24. angie ( 08/06/2004 08:07)
mumu hihihihi @ ahoana fotsiny marina ary??
25. mumu ( 08/06/2004 08:24)
chipie1 angie mbola mitady re za e!!
26. oully ( 08/06/2004 09:07)
fijo> hay ve zany no nahatonga anao io ho mpanohitra be ny fivavahana sy ny finoana eh! tsy manome tsiny anao indray aho raha izany. Mba loza koa ity nataon'ny mpampianatra sekoly alahady ity marina. Iriko mba tsy ho izay intsony no hanamarika ny fahininao indray andro any, fa ny hoe: " ny resadresaka momban'ny fivavahana sy ny finoana tao amin'ny serasera tao no nanokatra ny masom-panahiko ka lasa mpino an'A/tra aho" Amen !!! sa ahoana ra-fijo? :)
27. kitjo ( 08/06/2004 14:08)
Amen!

tsy le mpampianatra tsinona no naleha tany kooo
28. fijo ( 08/06/2004 23:53)
io dia nanomboka nampihiratra ny masoko momba io fivavahana io ka lasa nandinika ny fihetsiky ny mpivavaka aho,ary dia lasa namaky baiboly hitadiavako izay tsy manjary rehetra ao.
29. unik ( 09/06/2004 10:02)
ny tena nanamarika anah tam fahazazana dé ny fahanterana satria hatram mbola keli d'efa nisy volofotsy anankiroa naniry tao atampony tao!!!!
30. ari.malala ( 09/06/2004 12:30)
ty koa mbola misy anankiray, t@ 3è zany vao tonga fotoana voalohany t@ zay, tsy nisy niomanana izany fa tany am-pianarana d feno ny akanjoko sy ny dabilio, d za tsy nahalala n'inon'inona fa nasaina namafa tableau no notenenin'ilay prof oe "ndana alo mivoaka kely" d gaga b za fa tsy nisy bêtise nataoko akory v d asaina mivoaka aho, d tsy nihetsika teo ah, d mpiray kilasy taminay no niteny moramora tamina oe feno ra anie ny akanjon-ndry fa ny tena nahassosotra ahy d taty aoriana nifanena t@ ankizy iray kilasy taminay t@ zany aho teo an-tanànanay d nanadala ana le ankizy, fa za tsy nety d nataony fary mitety reny teo an-tanàna @ zay hoe iny tsy nahatsiaro tena fa tonga rà tany am-pianarana t@ 3è! halako b le bandy @ zao!
31. fijo ( 10/06/2004 23:59)
izay ilay vavan'ny tsy nahazo.resaka efa ela koa izany fa aza sosotra amin'izany.
32. ikaretsaka ( 11/06/2004 00:07)
ny ahy ny nahamarika ahy @ fahazazana dia ilay misy bandy ngez anohon'ny tena hoe rehefa lehibe ialahy afaka manao an;izany.. dia tsy andry izay maha lehibe izay.. kanjo nandeha ho azy teny ilay izy ary tsy tadidiky akory
33. chipie1 ( 11/06/2004 07:22)
34. mimich ( 11/06/2004 08:27)
bedia be, ny tena ahatsiarovan'ny olona ny fahazazako ary mbola averin'izy ireo amiko h@ izao dia ilay izaho mijery boky katesizy, dia ny sarin'i Jesoa Kristy mifantsika lazaiko fa ramanavy., dé izaho mpanontanitany foana (à 8ans izaho manontany an'i dadabe anay hoe ahoana no amantarana ny omby lahy sy ny omby vavy, ny trondro lahy sy ny trondro vavy, dia kohaka tokana no namaliany ahy t@ izay fa ny olon-drehetra nihomehy avokoa)
fa hoa ahy manokana indray dia ny fianarako teny @ KMM Andohalo no tena tsaroako, ary nanosika ahy hianatra arak'izay tratry ny aiko. ny fiavahana t@ hafa satria izahay tsotsotra fa tsy toy ny zakan'olona mpanana dia raikitra ny fanavahana.
35. olly ( 14/06/2004 09:42)
nena nray de vacance tani ambanivohitra tam' mbola keli, nisy rano be tahaka an'i betsiboka ireni de tendrombohitra be eo ambonini sy le haram-bato b ireni avi aty ambani , de nisi telo vavi izahai , de nanezakezaka nifampisarangotra niakatra ilai tendrombohitra , ni sasani am'zani mihikiaka te-hidina nefa tsi afaka intsoni fa efa lasa lavitra
de efa eni antenantenani tsi de nisi escalier firi intsn nefa raha vo mianjera de sûr fa ...ny olona mijery avy teny ambony mijery anay am'le rano si haram-bato , hitani hoe keli de keli izahay
de ankizi tsy nety nanao ilay défi no nihazakazaka niakatra tani an-tanàna niantso olon-dehibe , tonga teni amboni ihani noho ni farani fa efa ela , fa izai irai nipoitra de voafetaka be daholo tsirairai ...ilay tahotra tamin'izay no tsi meti adinoko .
36. kitjo ( 14/06/2004 09:59)
ary Olly milingilingy an,hihihihih

Ny anay ndray aloha hazo t@ zany e, d nianjera le namanay iray tapa-tanana d izahay rht samy nitomany b dol vao nahita azy nianjera satri anatahotra fa efa tsy avela nihanika.

D nasaina nandohalika teo ambodin le hazo aby aveo sady nokapohina,ihiihi
37. fijo ( 14/06/2004 22:53)
izahay koa tany ambanivohitra,andrefanamboanjobe.
dia miaraka aby ny cousin maromaro,dia mangalatra mangahazo dia mitono mangahazo sady manahy kilaoty fa avy nilomano.kay may ilay ala sapin iray manontolo,dia tonga ny fokonolona hamono afo,izafay 8 lahy samy adama daholo fa may tao koa ny kilaoty,no sady bedy fa nandoro tanety sy nangalatra mangahazo.mbola ao izao ilay tanety may
38. hokie ( 14/06/2004 23:35)
mba voalohany no nangalatra nivoaka handihy @ boite niaraka t@ sipa namako...ntsss, vao 14 ka be namana loatra tao...sady mbola niady varotra t@ gardien hoe tandremo soa hidin'lahy any ivelany any aho...ary koa mbola annao stop tany akodahoda tany..t@ maraina nody vao tonga saina hoe adala ange reto vavy reto e! Misy tsirony ery le mivoaka ohtr'ireny.
39. kitjo ( 15/06/2004 17:35)
Nisy rangah masika b zay mamboly voankazo bdb tao Bira, d mba mangataka zay tsy omeny nefa masaka be d avelany hilatsaka fts...

nidinanay teo ambaravarakely, nongotanay aby ny voatabia hazo 3 fototra tsy nisy najanona na ny manta aza,

kay ny orana vao nitsahatra t@io d ireo ny dian-tongotra nankeo ambaravarakely,
niditra tao izy anay lasa nitsoka tany antranon'ankizy niafina tao ambany fandrina,
ny voatabia hazo eraky ny koveta teo ampovoantrano, d izy samy lehibe no nifanazava tao , anay efa alina vao sahy nody,

d beeeedy fa nivanitika b aby rahampitson iny nahita an le tahonkazo maina kely sisa teo
40. fijo ( 15/06/2004 23:13)
sipa maditra tssss,mety mahay pizza be izany izao tamin'ilay voatabia.ih,ih,ih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0917