Inn no tena nanamarika anao teo amin ny fiainanao ny fahaazana v? ny fahatanorana vao nanomboka

41. olly ( 16/06/2004 09:17)
hihihi
42. fijo ( 16/06/2004 20:55)
hita ko,atao inona fotsiny ao ary voatabia be dia be?
43. mimich ( 17/06/2004 12:48)
mety nivoara mena ohatry ny voatabia koa izay ny takolak' ilay mpangalatra ka tsy fantatra intsony aiza no nagalarina ary iza no nangalatra
44. nananie ( 17/06/2004 13:41)
Nenah ndray tsy t@ fahazazàna fa izao tsika miteny izao. Azo lazaina we ity taona 2004 ity .Tsy de nahafinaritra hatramin'ny voalohany le izy, fa de hita fa ny olana tsy maintsy nodiaviko tamin'ity taona ity dia nitondra fahamatorana be de be ho ahy .
45. mimich ( 17/06/2004 14:17)
nananie> itovizana io, ny 1er semestre loha dé tsy namely mihitsy fa asa ny tohiny.
46. ravatorano ( 18/06/2004 09:40)
zà nametraka an'ilay sujet indray no nanadino niditra tato.
Tadidiko tamin'izahay mbola fito taoana tany ho any mbola ny prezidà Tsiranana no deba teto.Isaky ny herinadro ranamana io midina amin ny helico any Bira milona amin ny ranomafana ny sabotsy.Manodidina ny tanana le helico vao midiana ka iza no tsy mahalala fa I dadabe indrai zany tonga zany.Maro iany izahay ankizy mitsena azy eny Andranomafana ambanin ny Hatel de therme ao antsirabe io.Tsy maintsy miresaka kely sy mandray tanana ny ankizy eo izy vao miresaka amin ny lebe ka izay sahisahy dia mahazo ariary b , ary zà d tsy tapaka mahazo an io ariary be io foana satria loha lisitra nefa ilay helico no tena mahamaika ho jerena.Ny alahady moa izy dia mamony lamessa ao amin ny cathedrale d miantsena teo Antsenakely teo ka izay sendra azy dia mahazo ariary efatra.
Zà zy ilay zandriko miandry eo amin ny Karmaly foana fa tsy maintsy mandalo eo izy ka avy hatrany dia miarahaba hoe manao ahoaa i dadabe defa miala any ny mavo anakiroa>Sosy b zany taloha fa tena nahavoky tokoa ary mbola misy ambiny handehanana posy mihodina azany.
Ny anisan ny tena nanamarika ahy koa dia ny nanaovako S.N.
Tena nampiova ny saiko sy ny fomba nentiko niaina izany ary tena nahafantarako marina momba ny fampianarana tany amin ireny ceg ireny sy ny fijalian ny mpianatra tsy mianatra nohon ny tsy fisian ny mpampianatra.
47. titakely ( 20/06/2004 09:44)
ny ahy indray tadidiko nisy fotoana nampivoaka ilay karazana botte de pluie atao hoe Pim izay tsy tadidiko na aigle d'or na bata no nano an'io dia nividy mamany tao ami'nny ste chantal kolejy soanierana nianarany tamin'io tsy mbola nanana mihintsy an'io botte io ny ankizy fa izaho sy ilay rahavaviko no nahazo voalohany satria kambana izahay , dia nanaovanay ilay botte fa efa fahavaratar rahateo, kay tami'nio moa nivoaka ilay publicité n"ilay botte tamin'ny radio dia hoe pim ilay botte de pluie tsy matahotra rano na fotaka, vao nigadona ny kolejy teny antokontanin'ny kolejy anay dia miantsoantso ny ankizy mahita anany roa vavy hoe iny ilaypim ilay botte de pluie tsy matahotra rano na fotaka, dia efa gené aloha anay, tonga indray ny recreation feno ranompotaka ny tokontany dia anihaniann'y ankizy anany hoe tsy matahotra rano na fotaka an , farany anany tezitra satria na mireava aza mandrampahatonga anay anaty auto dia vao mivoaka ny classe anay dia hoe iny pim e, sostra anay avy eo dia tsy nety nanao an'ilay botte de pluie intsony dia gaga be i mama avy eo hoe fa maninona dia hoe manaikitra nefa anay tsy te hanao fa leo an'ilay antsointsoina, et oui ça m'a beaucoup marqué et je rigole maintenant en pensant à ça
48. angie ( 22/06/2004 07:53)
hihihi,ny manaraka e??'
49. fijo ( 22/06/2004 23:24)
hay ve titakely tao ami'ny lalimanga e.izay moa no fiantsoan'ny bandin'ny soanierana an'io kolejy io.ih,ih,ih
lalimanga manao pim izany kosa aloha glavy be e.
50. mimich ( 23/06/2004 10:53)
titakely>tsaroako mihitsy ireny pim ireny, fa izahay koa nahazoan'ireny fa zay tany @ KMM andohalo no nianatra; dia mbola nasian'ny ankizy tohiny aza ilay izy hoe "fa matahotra rano mangotraka e!" ilay izy tokoa manko ahatran"ny nylon , plastique izay
fa angaha koa ste chantal nahazo an'izany lalimanga izany. Izahay tao @ Maria Manjaka manko no ataon'ny mpianatr'Avaradrova hoe lalimanga fotsy elatra @ ilay tablier bleu marine sy chemisier fotsy
51. fijo ( 23/06/2004 22:06)
nisy zanakanabaviko izay koa tao amin'ny marie manjaka dia adaliko an'io foana.saohaindry.hoby no anarany?
52. mimich ( 24/06/2004 10:14)
t@ taona firy aloha e! , za mantsy efa t@ 89 no tao farany.
53. kitjo ( 24/06/2004 15:15)
tsa haiko ra misy le fivarotana Belle Vue ao Bira io, ampitan essence akaikin Kisomby

K niavonavona b le mpivarotra tao taloha, zao no tsa haiko an, d iskay mirava mianatra anay mande tongotra, d mba mande mividy bonbon ao d tsary avelany miditra fa oe raika iany,
na oe refa ananihany tsy mahazo miditra nefa anay tena hividy.

Le nody hariva iny anay ,izy be olona tsara, nopotserinay ny sonnerie vavahadin'ny tranony satria eo ivelany eo iany ny fivarotana. Nopetahanay scotch aveo tsary nijanona naneno mitsy,
Anay d tsa nitsoka fa teo ampita teo anay nimeme be aby nanakora moa izy tezitra be, sady nitabataba oh sinoa very entana,hahahhaha

Vorona azon'adala!
Aza fantatr le ol ao fts oe aako anisan ireny amzao,hiihiihih
54. fijo ( 24/06/2004 23:36)
mimich efa ela loatra kosa kay ndry ko.
ary ka kitjo ty kay naditsa kely mihitsy an.
55. mimich ( 28/06/2004 10:21)
kidjo> hi!hi!hi!ati-doha an!
Io manapotsitra sonnerien'olona io koa dia fanaonay t@ nianatra tany amin'ny Maria mamjaka, izay sonnerin'olona eny @ lalana andehananay manomboka eny andohalo ka hatraty soarano dia manefa daholo, ary ny fanaovana azy dia @ ilay misy olona maromaro mandalo iny dia tsy fantatra hoe iza; fa izahay aloha tonga dia miampita e dia ny 1 no manapotsitra dia avy eo iny miampita moramora maka tsy taitra! sady manao dia maika oha hoe maika hody iny
fijo> efa antitra e!
56. fijo ( 28/06/2004 23:26)
ny lalaon tsika fahiny izany ve???ih,ih,ih
57. mimich ( 29/06/2004 06:43)
lalaonay fahiny ka! hi!hi!hi!
58. fijo ( 29/06/2004 22:45)
hay ve?
59. mimich ( 30/06/2004 07:31)
ie!
60. fijo ( 30/06/2004 22:46)
dia inona indray izao ny lalao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905