mino sy tsy mpino

1. fijo ( 31/05/2004 22:28)
izahay tsy mino ny tsy hita dia tsy mba voafehifehin javatra.
hafaka mamakafaka rehefa mahare vaovao.
malalaka eo amin'ny fisainana sy ny atao satria tsy misy boky mandrara izay tianay hatao.
tsy manameloka tena rehefa mitady vola satria asa io.
ary ianareo mpino,mba lazao hoe inona no fahafahanareo?raha misy?
2. fijo ( 01/06/2004 04:48)
nino tamin'ny mbola zaza,satria noterena hoany ampiangonana,fa avy eo nilefa nony nahita fa tsy nahomby ilay izy.
3. hery ( 01/06/2004 08:13)
Ny fahafahako? :)

- Afaka miresaka tsara amin'ny tsy mino. Izany hoe manaiky ny fijoroany sy ny fisian'ny olona tsy mino.
- Tsy voafehifehy satria Andriamanitra tompon'ny fahalalahana no inoako. Tsy mampaninona azy akory aho na manota aza... zà ihany no voa.
- ...
4. samoina ( 01/06/2004 08:35)
Tsy mbola manana fahafahana mihoatra ireo "mino" enao rafijo satria na tsy manaiky fehezin'ny baiboly aza de teren'ny code civil sy ireo rehetra mety ho codes handala ny lalànany a !
5. ravatorano ( 01/06/2004 09:19)
fijo>fahafahana inn marina no tadiavin i fijo.
Fahafahana tsy hino na mino an Andriamanitra izay voalaza ao amin ny Baiboly v ?
Raha ny fahitako azy mantsy dia mino ihany fij fa ilay finoana teo amin ny mahamalagasy an i fijo no tena inoaonao.Noho izany dia mino an Andriamanitra Andriananahary izy fa sty ilay Jesoa na Jeso na Jesosy na ny trinité.
samoina>marina tokoa fa mbola misy foana lalana maro isan karazany ts maintsy mamehy ny tena ka noho izany dia ny fhafahana izany toa tsy hisy ihany ho an ny tena.
Maninn moa ny mpino no tsy afaka , ny fahafahany dia izay finoany izay .Amiko ny finoana dia entina mankahery ny tena hanao zvtr iray , tsy mamehy ny tena io fa kosa manentana anao hanao ny marimarina koako eo amin ny asa aman draharaha . eo amin ny fiainana ankapobeny mihitsy aza.
Azonao antoka kosa v fa raha tsy manana an ilay boky mandrara ianao dia afka mamakafaka tsara ny hevitra rehetra fa tsisy na dia contrainte akory aza ao amin ny fomba fisainanao.
I Mao dia nanazava tsara teo amin ny bokiny iray izay fa tsisy olona afaka ka tsy voafehin ny fiarahamonina izany.I Mao nefa dia tsy mino ary tsy nino mihitsy fa izay no nolazainy.
6. ari.malala ( 01/06/2004 11:20)
Izao ary ny zavatra anontaniako an'i fijo, tsy voafehifehin'ny boky izay tianao atao hoy ianao, ka raha atao hoe te hamono olona ianao dia tanterahinao izany, manana fahalalahana ve ianao hanao izany? tsy voafehin'ny lalàna ve izany? na koa misy zavatra tianao mafy sy tsiriritinao efa ela nefa tsy manana moyen ahazoana an'ilay izy ianao, manana fahalalahana ve ianao haka an'iny zavatra iny? tsy voafehi'ny lalàna koa ve ianao tsy hangalatra? noho izany mitovy ihany isika, fa ny mpino aza no manana fahalalahana kokoa satria manana ianteherana izy rehefa tojo ny sarotra fa ianao, hiantoraka any @ iza?
7. librepenseur ( 01/06/2004 11:40)
ari.malala>

ho anao mino, ankoatra ny lalàna maro isankarazany dia mbola voafehin'ny voasoratra ao anaty baiboly...oh: aza mitsiriritra ny fananan'ny namanao

ho ahy tsy mino, ankoatra ireo lalàna maro dia malalaka amin'ny safidy rehetra...oh : afaka mitsiriritra satria tsy heverina fa fahadisoana ny mitsiriritra raha tsy izany tsy afaka ny hivoatra hihatsara ny fiainana...
8. ari.malala ( 01/06/2004 12:27)
ho an'i librepenseur, mety hoe afaka mitsiriritra angamba ianao, fa iny fitsiriritanao iny anie no hitarika anao hanao izay tsy fanao ka mbola maha voafatotra anao ê!
9. librepenseur ( 01/06/2004 12:44)
ari.malala,

tsia, ilay fitsiriritana amiko tsy midika fa hanao ny tsy fanao foana fa tokony hisy fetrany ilay izy, malalaka aho amin'izay safidy izay. Raha tsy azo atao mantsy ny mitsiriritra dia tsy falalahana izany amiko...
10. ari.malala ( 01/06/2004 14:34)
izao ary ê, ekeko hoe mahavoafehy iny resaka fitsiriritana iny. Fa ho anao tsy mino ary milaza anao ho afaka manao tianao atao, ahoana kosa indray ny fandraisanao ny tsy fahafahana mampirafy? voafehy ara baiboly ny tsy fahazoana mijangajanga, fa ho anao kosaindray ahoana ny fahalalahanao?
11. ari.malala ( 01/06/2004 14:38)
izao ary ê, ekeko hoe mahavoafehy iny resaka fitsiriritana iny. Fa ho anao tsy mino ary milaza anao ho afaka manao tianao atao, ahoana kosa indray ny fandraisanao ny tsy fahafahana mampirafy? voafehy ara baiboly ny tsy fahazoana mijangajanga, fa ho anao kosaindray ahoana ny fahalalahanao?
12. fijo ( 02/06/2004 00:36)
ravato sy malala ary hery.ankoatry ny lalana izay mifehy antsika rehetra.io hilaina amin'ny fiarahamonina,dia malalaka izahay.ianareo raha manompa dia matahotra fa fahotana izany,raha mampirafy dia meloka eo anatrehan'ny lanitra,izany hoe ny anareo dia mbola misy zavatra hafa manalokaloka ny fahalalahanareo ankoatry ny efa mamatotra antsika.(lalana)
13. librepenseur ( 02/06/2004 08:55)
ari.malala>

hanampiako ny tenin'ny Fijo, ny fampirafesana dia ny culture occidentale sy civilisation mésopotamienne ary religion chrétienne no nampidirina teto amin-tsika izay maneho fa tsy mety ny mampirafy. Indro kelin'ny mpandrafitra : Ny silamo afaka mampirafy araka ny coran, ny jiosy koa torak'izany raha araka ny torah, ny bouddhiste sy hindouiste indray dia miankina amin'ny feon'ny fieritreretany no hanaovany na tsia izany. Na ny mponina any amoron-tsiraka aza dia mampirafy satria tsy mihevitra izy fa diso amin'izany (izay ilay culture sy civilisation)

afaka mandiso ireo voalaza ireo ianao, ary afaka manamarina ny finoanao, saingy tsarovy fa ny tany rehetra dia samy manana ny fomba amam-panaony daholo.

amin'ny maha-librepenseur ahy dia izao ny teniko: tsy misy ny zavatra tsy azo atao rehefa hifanarahan'ny fiaraha-monina, ary rehefa ny feon'ny fieritreretanao no tsy manaiky dia tsy mety izy izany saingy tsy tokony hitongilana velively. farany, na eo daholo aza ireo rehetra ireo dia tsarovy koa fa ny kristiana mbola foafehin'ny baiboly (nouveau testament) izay mandràra ny fampirafesana
14. ari.malala ( 02/06/2004 13:39)
Ka na ianareo milaza anareo ho afaka ireo aza anie r'i fijo s'i librepenseur dia mbola tsy tena afaka ianareo ê! satria mbola fehezin'ny feon'ny fieritreretanareo ihany ianareo, sa tsy marina izany? mitovy ihany izany isika , samy mbola voafehy. Marina fa ny Baiboly no mamehy ny tokony ho fiainan'ny mpino, nefa kos manana fahalalahana tanteraka izy, satria Andriamanitra anie tsy manery hoe tsy maintsy ê ! anjaran'ny tsirairay no manaraka na tsia, fa ao anatin'iny Baiboly iny tsy misy mihintsy hoe tsy maintsy izao na tsy maintsy izo no ataonao!
15. librepenseur ( 02/06/2004 21:23)
ari.malala>

Ny feon\'ny fieritreretana no tsy hitovizana amin\'ny biby, hanavahana ny tsara sy ny ratsy.

Ny tsy hitovizan\'ny ari.malala sy i librepenseur kosa dia izao:
- i librepenseur raha migaingaina mila tsy ho zaka ny hafanana dia afaka manao mini-jupe hatreny ampoto-pe, ary i ari.malala ?
- i librepenseur afaka mandihy any amin\'ny boite rehefa te hiala voly, ary i ari.malala ?
- i librepenseur afaka mitsiriritra ny 4*4 chevrolet an\'ny namany satria mba te hanana koa izy, ary i ari.malala ?

... hatreo aloha fa lava loatra.

fehiny, ny feon\'ny fieritreretan\'ny librepenseur no mampisy limite ny zavatra hataony kanefa voarara ao amin\'ny baibolin\'ny ari.malala
16. fijo ( 02/06/2004 23:28)
tara kely aho vao tonga ato,fa ireo ohatra ireo dia manampy izay tiako lazaina tery ambony tery.za ohatra tany majunga dia zatra milomano tsy mikilaoty,manao izany ve ny mpino?
17. ari.malala ( 03/06/2004 12:57)
Edre! afaka tokoa moa izany! fa aiza ho aiza ao anaty Baiboly sa iza no miteny fa tsy mahazo manao mini jupe ny mpino? za zao ohatra rehefa tena mafana be manao short aho, manao pataloha serré koa aho rehefa tiko izany ary na handeha hivavaka aza aho manao pataloha, tsy ny akanjoko tsinona no jeren'Andriamanitra fa ny foko sy ny intention ko mitondra az'ilay akanjo? Manomeza kely ary hoe ianao verset d mino aho fa tsy azoko atao ytokoa ary dia tsy hanao an'izany intsony aho ê!
18. librepenseur ( 03/06/2004 13:16)
ari.malala>>

mazava ny mikasika ny akanjo, tsy ao anatiny izany ianao, ary ireo ambony ireo ?
19. librepenseur ( 03/06/2004 13:18)
tsara izany raha izay ny fieritreritrao, kanefa ny ankamaroan'ny tena milaza azy ho kristiana dia tsy hanao izany velively.
20. kinaoly ( 03/06/2004 13:42)
librepenseur> extremiste loatra ny fijerinao ny mpino (kristianina io). tsy hoe satria mino akory dia midika hoe ila olona manao zipo lavabe sy tsy miantso olona afa-tsy @ny hoe"rahavavy sy rahalahy". ny finoanana dia natao hi-moderer ny fiainan'izay manana azy. tsy manala ny fahafahana izany. natao fitaratra hanatsarana ny atao io, ohatran'ny sasany mandray ho modely ny fiainana occidentale.
fijo> tsy mino ny fitiavana koa zany enao satria tsy hita maso io, dia tsy mino ny rivotra koa (l'air io an) satria tsy hita maso. ary ny fahefan'ny ray amandreninao aminao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896