mino sy tsy mpino

41. ari.malala ( 09/06/2004 13:47)
ho an'i fijo, ny anao araka ny teninao d ny hitady izay ahafahanao manohitra no namakianao Baiboly, tsy anomezako tsiny anao iny.Ilay resaka hoe mmaly ny heloky ny Ray @ zanany, misy koa anie ao anatin'iny Baiboly iny hoe " ny heloky ny Ray tsy mba heloky ny zanaka " ê! d aôna indray enao @ zany? Ary ilay hoe miandry ianao ny hamaizn'Andriamanitra anao, satria mbola miandry anao hatrany Izy.
42. psykatr ( 10/06/2004 12:20)
Na mino na tsy mino dia voafehin'ny natiora isika, ohatra: Ny fahafatesana, ny fahaterahana,.... sy ny sisa. Ka rehefa samy voafehy ihany dia aleo mifidy izay tiany.
43. fijo ( 11/06/2004 00:50)
ari malala an,midika anie izany fa fanadalana olona ny baiboly e.izay lazainy ary toheriny eto.tsy za no tokony hanontaniana eto fa izay mino hoe :"inona izany no tena tiany arahina?"
mimich>ny mpino anie rehefa tsy hanao zavatra dia hoe":fahotana izany."ohatra fanalana zaza.fahotana io fa aza atao.izany hoe tsy ny safidiny fa ny fahatahorany an antra.aminay io dia hoe esory fa tsy velontsika na tazomy dia karakaraina.asa raha azonao ny tiako lazaina.amin'ilay ohatra?
44. fijo ( 11/06/2004 00:57)
ari malala an,aza asaina miandry ahyizy fa sao reraka ao.fa za dia za ihany no tompon'ny tenako.
45. mimich ( 11/06/2004 06:55)
Oay kosa ty fijo e!, ahoana no hilazanao fa tompon'ny tenanao ianao. Mila porofo? Na tsy mino aza ianao dia tsy ianao no tompon'ny tenanao , vaofehin'ny natiora isika araka ny voalazan'i Psykatr, tsy maintsy mandalo fahaterahana sy fahafatesana. dé efa tsy tompon'ny tenanao tanteraka ianao @ izay fa mbola miankina @ tsy hay, (na tehina io na hazo hoy Iraimb izay) , raha tompony mantsy ianao dia afaka nibaiko hoe , tao maty aho rahampisto , dia velona afakampitso , sns, na hoe miaina adiny 1 dia tsy maty kely attsasakadiny , sns
46. fijo ( 16/06/2004 04:31)
ka raha te hofaty aho izao dia tifiriko ny lohako dia vita.hafaka mifehy tsara izany ny tenako.noana aho dia lasa mahandro.tsy miandry olona fa ny tena ihany no manao azy.
47. ikaretsaka ( 16/06/2004 05:28)
dia maninona ialahy no tsy sahy manapoana ny lohan'ialahy @ basy raha iznay ry fijo? sa mino ve ialah7y fa?
48. ari.malala ( 16/06/2004 09:52)
ô r'i fijo â! lasa lavitra loatra ity faniratsiranao! fa satria ve ianao mbola manana aina sy lmatanjaka tsara tsy maninon-tsy maninona dia izany no vavanao? Sao ka ho avy aminao ny tsy mety!!!!! Ko maninona no sy tifirinao ny basy ny lohanao ho hita eo raha ianao marina no tena tompon'ny tenanao?!rha noana ianao dia lasa mahandro hoy ianao, fa taiza no nihavian'nireo zavatra rehetra ireharehanao ireo? na ny fahaizana entinao anoratana sy aniratsirana sy anoherana be fahatany anay eto aza, heverinao moa fa raha tsy nomeny saina ianao hanana izny akory? mety hiteny ianao hoe ianao no nianatra, marina izany ary ekeko, fa raha tsy nomeny anao ny saina matsilo, raha tsy nohariany teto an-tany ianao tsy nisy, noho izany tsy ianao no tompon'ny tenanao, sa ianao afaka manao hoe tsy te hisy aho dia tena tsy misy tokoa ianao? mba saino ihany re izay avoaky ny vava sy ny soratan'ny tanana ê!
49. fijo ( 16/06/2004 22:18)
raha tifiriko ny lohako dia maty aho.izay no vokany.tsy misy hoe inona intsony.
ny saina.mitovy ny olona vao teraka,fa misy ny mianatra avy eo dia mahay misy ny mandinika dia misaina.misy nytsy manao izany dia taraiky.tsy mila antra hanome ireo fa ianao ihany no mamolavola sy manao izay ahatonga azy ao aminao.
50. jhouhlambout ( 17/06/2004 09:59)
51. mimich ( 17/06/2004 11:17)
ekeko fa raha mitifitra ny lohanao ianao dia vita , nefa koa poss koa hoe tsy maty ianao satria mbola tsy andro hoy ny fitenenana , donc ny fisian'io fitenenana hoe tsy misy maty tsy @ andro dia midika izany fa tsy ianao no maso mandidy @ tenanao fa misy hery hafa ary matanjaka kokoa noho ianao ao manam-pahefana hamono na hamelona anao.
52. fijo ( 17/06/2004 23:56)
mbola tsy nahita aho olona voatifitra tamin'ny lohany ka tsy maty.cartoon angaha.raha tamin'ny kibo dia ekeko satria mety tsy nahavoa taova mahafaty.fa raha loha.tsy marina.
53. librepenseur ( 18/06/2004 08:59)
mimich> ka ahoana no ahafahanao mitompo teny fantatra hoe iza ilay hery hafa matanjaka be io ? jereo anie ilay site ao amin'ny sujet an'i jouhl ao ambadika ao e ? raha bouddhisme ianao dia tsy hahalala akory fa A/tra no nahatonga izao, raha kristiana ianao dia tsy hahafantatra akory fa Allah io lazainao fa hery matanjaka io, raha silamo ianao dia tsy hieritreritra mihitsy hoe Bouddha io hery io...
54. toubib ( 05/07/2004 11:39)
mimich>raha izaho ianao mangina fa tsy miady hevitra amin'io fijo io intsony sao lany rora eo. Andraso fotsiny ary irario sy ivavaho fotsiny mba ho izy no hahita sy hahatsapa ary hiantefan'izany fahefan'A/tra izany.Zah koa mantsy lany haika.
55. mimich ( 05/07/2004 12:14)
librepenseur> izaho anie tsy miteny hoe mahafantatra io hery io e! fa ny zavatra nolazaiko fotsiny dia hoe rehefa mino ianao fa misy hery hafa io dia mpino ianao izay fa ny fototry ny finoana no samy hafa, ny sasany mihevitra fa an'i allah io, ny sasany mihevitra fa an'i bouddah io ary ny sasany mihevitra fa an'atra io. fa essentiel dia ny fiekena hoe misy ilay finoana rehefa manaiky fa misy io hery io.
56. librepenseur ( 06/07/2004 08:12)
ilay hoe mino dia tsy midika fa mitovy amin'ny mpino rehetra ny zavatra hinoana, torak'izany koa ny tsy mpino dia tsy voatery hitovy ny lafiny tsy hinoana.
57. fijo ( 06/07/2004 23:23)
toubib>ahoana ary ity manimpy lamba fotsy ity. avoahy ny hevitra e.
58. yonikafopl ( 07/07/2004 22:43)
fijo a! tsy mino ianao, safidinao izanyAndriamanitra tsy hanery anao hino azy mihintsy fa manome fahafahana malalaka anao izy toy izany koa ny mpino, tsy noterena fa nisafidy ny hino.
Ny baiboly tsy natao hangeja fa natao mba hoeritreretin'ny tsirairay @ hitondrany ny fiainany, toy ny lesona rehetra hianaranao any am-pianarana voasoratra ao anaty boky io, rehefa tianao ny ho tafita any @ ilay tanjona irinao dia arahanao izay voalaza ao anatiny ao, mbola safidy ihany izany ny @ ho avinao.
Ka mino ianao satria nisafidy ny hino, tsy mino ianao satria izay koa ny safidinao
No comment!!!
59. toubib ( 19/07/2004 08:51)
fijo>Efa tany@lohahevitra hafa aho no niezaka nanazava ny antony inoako io baiboly io sy A/tra saingy mijoro sy manitrikitrika i fijo@maha "athé(e)" azy. Tsy ampy ity internet ity raha iadiankevitra momba izany. Ho anay mino anefa na tianareo na tsy tianareo dia tsy hitombina mihitsy ny sainay raha mbola misy amin'izao fotoana izay ny olona mbola minia mitsambiki-mikipy ka manao an'A/tra ho zava-poana. Aza omena tsiny izahay raha miezaka mandresy lahatra sy mitaona ny olona ho@zany satria izany no anisan'ny iraka ijoroanay mino, mizara ho an'izay tsy mahalala na tsy te hahalala toa an'i fijo (azafady an: tsy nitonona anarana finoana na secte zah zao fa ny finoana an'Atra @ ankapobeny no itarihako ny sain'ny olona an) .Malahelo izahay satria tsy misy fampianarana ho amin'ny faharatsiana ny finoana nampianarina anay h@izao momba an'i Kristy kanefa "ny azy tsy nandray Azy", eritreretinay ihany koa mantsy fa na inona na inona tenenina:"teny zato, kabary arivo, ny Marina dia iray ihany: A/tra io amiko!" . Satrinay mba hahazo anjara@izany fanomezampahasoavana izany daholo izao tontolo izao.Izay ihany ra fijo. Mivavaka ho anao foana hanehoan'Ilay tsy inoanao ny voninahiny aminao. Tsy ampahafirin'ny Rosianina nanjakan'ny "athéisme" akory ianao kanefa aiza izao ny rosianina amin'ny lafiny finoana Azy? tsy ampahafirin'i Mireille ihany koa(ilay niara nihira t@ i Tsialonina fahiny iny, izay athée ihany koa raha ny fahalalako azy), kanefa sahy mijoro ho tena nanehoan'A/tra ny heriny@zao fotoana izao, sy ny olona maro hafa koa tsy voatoniko eto.
60. librepenseur ( 22/07/2004 07:23)
toubib>

tsara angamba raha mba manadihady bebe kokoa mikasika ny finoana amin'ny ankapobeny fa tsy lakolosy tokana tahaka ny anao. mba fantatrao moa fa miha-mitombo isa ny tandrefana lasa bouddhisme ? inona ary ny antony hoy ianao ?
raha mijery "statistique" ianao dia hahatsapa fa ny christianisme no be isa indrindra saingy tena mino ve ianao fa manankim-po amin'ilay A/trao ireo olona ireo ? sahiko ny milaza aminao fa ny ankabeazan'ireo tandrefana rehetra nandeha tany azia dia niova fomba fijery avokoa nony avy any. Ny bouddhisme, shitoisme, sns anefa tsy mba manao évangélisation tahaka ny christianisme sy tahaka anao.

fehiny, 2000 taona ny christianisme, maro ny finoana efa nisy talohan'izany ka tsy tokony hitompo teny fantatra ianao fa ny anao ihany no marina. amin'ny maha-finoana azy dia ny zavatra tsy hita no hinoana fa raha hita dia tsy finoana intsony fa atao hoe tantara, noho izany, ny marina aminao mety tsy ho marina amin'ny hafa ary tsy tokony ho-terena ny olona rehefa tsy mino ny hinoanao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2173