mino sy tsy mpino

61. toubib ( 23/07/2004 15:18)
ramaso>rehefa mino dia mandalina misimisy kokoa hahalalanao misimisy kokoa, toy ny fahalalana rehetra ihany. Mazava ho azy fa izay no fototra ijoroan'ilay finoako.

libre penseur>ndeha hatao hoe tsy ifanerena ny finoana fa samy manana izay inoany.Amiko ny tandrefana araka ny filazanao dia tsy tena matotra loatra eo amin'ny fiainana ankapobeny! as entin'ny fandrosoana tafahoatra: taloha nolavina izay hoe fanambadiana "homosexuel" izany, ankehitriny raha araka ny hevitrao v dia mifanaraka amin'ny natiora v izany? toy izany koa, tsy misy dikany amindrizareo ny hoe: androany ianao miteny hoe: "ianao no tokako eto antany, hiaraka foana isika mandra-pialantsika ety antany na ho mora na ho sarotra, etsetra..." kanefa dia maro no mivadika tanteraka amin'izany ankarihary ho ren'izao tontolo izao@antony tsy dia manao ahoana. Tsy izany fomba fisainana "demokratika" izany no angalako "référence"!
62. librepenseur ( 26/07/2004 08:13)
toubib>
Mazava ny teninao ! tsapako anefa fa ilay "vérité absolue" dia tsy hisy afaka ny hitompo teny fantatra ny fahalalana izany. raha ao anaty finoana ianao, dia tsarovy fa "vérité relative" fotsiny ihany izany satria izay ny maha-finoana azy.

ny fanaovanao évangélisation indray dia tsy dia olako loatra satria efa izay rahateo ny anjaran'ny kristiana araka ny voalaza ao amin'ny baiboly manao hoe "...torio ny tenin'A/tra...", mpanota eo anatrehan'ny finoana kristiana ianao raha tsy mahavita izany, saingy, eo anatrehan'izao tontolo izao v mitombina izany ? ary ireo manana ny finoana hafa ? ary ireo tsy mpino ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085