mino sy tsy mpino

21. kinaoly ( 03/06/2004 13:50)
fanampiny: mbola betsaka koa ireo tsy mino izay tsy hainy hazavaina :). fa na izany aza mino zavatra na hevitra na fahefana iray lehibe noho'ny an'ny tena daholo ny tsirairay avy : A/tra ho an'ny krsitianina, Allah ho an'ny musulman, ny sampy ho'ny hafa....... ho an'izay tsy mino ny fahefana avy any andanitra dia ny feo'ny fieritreretana, ohatra na ny filôzofy
22. ari.malala ( 03/06/2004 14:04)
Ka izao anie r'i librepenseur ê! tsy voatery hoa hoe ny fiakanjonao na ny paozinao ety ivalany no ahafahana mitsara nymaha kriztianina na tsia. Firifiry @ ireo miseho azy ho tsy manao pataloha sy tsy manao afa tsy zipo hatrany ankitrokely moa no tena joko tsoriaka mahasambo kary hoy ianao?! Ary tsy izany rahateo koa no hitsarana anao rehefa tonga ny farany fa ny asam-pitiava namana nataonao tety an-tany. Ny finoanao na tsia, tsy hanerena anao mihintsy iny, ary aza bornéna ny olona hoe rehefa izao dia tsy maintsy ho izao fa tsy manao mathemetiques akory ianao na physiques ka hoe mampiasa formule toy izao aho d tsy maintsy izao no valin'io.
23. tsilan ( 03/06/2004 15:06)
Fijo
Inona aloha ilay "tsy hita maso" lazainareo fa tena fanina ny tenanay eh? Mba omeo famaritana kely aloha aza fady indrindra fa manjary tsy miraika ilay ady hevitra raha mba te-handray anjara ny tena
24. fijo ( 03/06/2004 23:37)
ilay lazainareo fa antra no antsoiko hoe ilay tsy hitamaso.
kinaoly>tadidio fa ny rivotra na dia tsy hita maso aza dia tsapa.mahatsapa mangatsiaka ianao rehefa be rivotra.ny fitiavana koa dia toa izany.tsy hita maso io fa tsapanao.ny rivotra aza moa dia efa vitan'ny manampahaizana ny nanao analizy azy ary fantatra ny ao aminy.
ny fahefan'ny RaR dia zavatra rafitra napetraky ny fiaraha monina io,ary notoavina.ary aza milaza fa tsy hita maso io fahefana io,satria ny RaR dia mahazo mikapoka sy manasazy anao.izay ilay fahefana.
fa ilay tsy hitamaso iry ve hafaka hanasazy ahy na hikapoka ahy???
25. tsilan ( 04/06/2004 17:47)
Fa Fijo ve aloha mino ny fisian'ny matoatoa sy ny angatra ary ny lolo eh?
26. ikaretsaka ( 04/06/2004 21:45)
za zao sady tsy hitan'i fijo no tsy tsapan'i fijo nefa inoan'i fijo.. de ahoana ?
27. tsilan ( 05/06/2004 13:45)
Ka nareo hitany manoratra tsinona anie eh
28. ari.malala ( 07/06/2004 10:55)
ho an'i fijo, nahoana moa izy no heverinao fa tsy afaka hanasazy anao na tsy ho afaka hikapoka anao? Azy anie ny fahefana ê! ary tsy mba mpanao an-dolom-po Izy fa miantra ka miandry anao hiverina Aminy, fa rehefa izay moa no tapa kevitrao hiziriziry tsy hino, tsy manozona anao aho fa hisy hahatsiarovanao ny Anarany indray andro any!
29. librepenseur ( 07/06/2004 12:16)
na izany na tsy izany anefa dia tsy ny fitenin'i ari.malala toy io mihitsy no haha-marina ny lazain'i ari.malala. ny Dieu chrétien (3 izay 1) dia tsy mitovy amin'ny Dieu Universel (Dieu Créateur) raha misy.
30. kinaoly ( 07/06/2004 18:55)
fijo> ny Fo koa no mahatsapa ny fisin'Andtra fa tsy ny saina, tsy misy mahasamy hafa azy @ny fitiavana io :) (C'est le coeur qui sent Dieu et non la raison), fa naninn enao nanaiky ny fahefan'ny RaR, satria rafitra napetraka io, azo raisina ho toy izay koa ilay finoana: rafitra napetraka natao hanazavana izay zava-maro tsy mbola nahitan-draolombelona fanazavana mitombona sy ara-tsiantifika :)
31. ari.malala ( 08/06/2004 09:14)
ka azon'i librepenseur azavaina ary ve hoe iza ilay lazainao fa Dieu crtétien d iza ilay lazainao fa Dieu Créateur ê! f'angaha moa tsy efa voasoratra fa tany am-boalohany ny teny ary ny teny dia tao @ Andriamanitra, Izy no nahariana izao tontolo izao?
32. mimich ( 08/06/2004 12:02)
Fijo &librepenseur> Araka ny fahitako azy dia ny famaritana ilay atao hoe mino mihitsy no tsy mitovy. Ny anareo tsinona ny atao hoe mino dia ilay finoana an’Atra, nefa tadidio fa misy ny olona mino sy manompo zavatra hita maso (rano, rivotra hazo, sns….) ary tsy misy mihitsy ny olona afaka milaza fa tsy finoana izany, Amiko ny atao hoe mino na finoana dia hery iray izay tsy voabaiko mampanaiky na mitarika anao hifototra @ firehana iray . Azo heverina fa ilay Andriamanitra inoan’ny ankabeazan’ny olona no tsy inoanareo fa izany akory tsy midika fa tsy mino ianao,, ny finoanao izany dia « ilay tsy finoana izay inoan’ireo lazainao hoe mino » hi !hi !hi ! ary ny fisian’izay hevitra iray izay mipetraka ao an-dohanareo izay dia efa finoana sahady ary mametraka sakana eo @ fomba fisainana sy ny fomba fijerinao eo @ manodidina sy ny fiaraha-monina. (@ izay dia efa misy fetra sahady ny fahalalahanao).
Na dia ny fitenenanareo fotsiny @ andavanandro aza hoe « mino aho fa ….. » dia midika fa misy hery hafa ambadika izay ekenareo ny fahefany hanatanteraka ilay zavatra eritreretinao, ary mametra sahady ny fahafahanao hanana fiheverana hafa na mifanohitra @ izay efa eritreretinao. any sahady izany dia efa mipetraka ilay fetra fa tsy voatery ho ny olona mino an’Andriamanitra ihany no miaina ao anaty fetran’ ny fahalalahana
Ilay resaka hoe manana fahalalahana izay ny tsy mino dia tsy dé ekeko loatra satria anie ny fetran’ny fahafahanao dia ny fanombohan'ny fahafahan’ny hafa e ! izany hoe tsy misy izany olona tsy tena mianaina malalaka tsy misy teritery izany satria mbola miaina ao anaty fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina sy ny fomba fisainana izany no mahetraka ilay fahalalahana ananan'ny tsi-1-1 fa tsy ny finoana velively
33. librepenseur ( 08/06/2004 13:19)
mimich>

araka ny efa nolazaiko teto, ny finoana dia ny tsy hita maso no hinoana, raha hita maso dia lazaina fa zava-misy ary noraiketina ho tantara.

ny finoana koa dia mbola "conditionnel" satria mety misy, mety tsy misy. raha hiteny aho hoe: mino aho fa misy izany mimich izany dia tsy mety satria efa io ianao resahiko na dia tsy mivantana aza. raha hiteny kosa aho hoe: mino izany paradisa izany aho dia mety hisy, mety tsy hisy, satria ny saiko ihany no mety hampisy sy tsy ampisy azy.

raha hiteny kosa ianao hoe: mino fa misy ny paradisa sy ny afobe satria efa nisy olona maty tonga tany avy eo niverina indray dia hoy aho hoe : izay ny fahitany sy ny zava-niseho taminy kanefa tsy midika fa hitombina amin'ny olon-drehetra izany.

Mikasika ilay hoe Andriamanitra dia izao: tsy mitovy hoy aho ny Andriamanitry ny chrétien sy ny namorona izao tontolo izao satria ny an'ny kristiana (3 izay 1), ny ahy sy ny an'ny hafa (1), anjaranao ny manakatra...

Ahoana no hitombenan'ny hoe i Jesosy Kristy dia zanak'Andriamanitra ? ny marimarina kokoa dia olombelona lasa Andriamanitra ? kanefa na talohan'ny nahafatesany aza dia very ny fahitany ny ho aviny (divination) ? tsy tokony hisaotra ny romana sy ny jiosy ve aloha ny kristiana fa raha tsy izany tsy nisy ny fahafatesan'ilay hoe zanak'Andriamanitra niorenan'ny religion chrétienne e ? i Jesosy anie Jiosy ary tsy niteny izy hoe ataovy kristiana indray ny filàza anareo mpanaradia ahy e ? sady tsy nanoratra izy no tsy nanery fa fampianarana tahaka ny rehetra ny azy...
34. xxx ( 08/06/2004 14:29)
tsy misy manakana anao hino izay zavatra na koa fanahy inoanareo ange ary koa tsy misy manakana ahy tsy hino ireny rehetra ireny, tsy voatery hino na koa tsy hihino vao ho afaka hahay hiainana, samy manana ny fihevereny izany rehetra izany fa ny tena mahatalonjona dia ireo milaza mino sy mamaky baiboly isan'andro kanefa toa mifanohitra amin'izany rehetra izany no iainanany, fa ny tena mahakamo anefa dia ireny olona ireny no mba mitarika ny hafa hino izay inoany any, dia ireny koa fa lasa nanaraka tokoa......... aleo ihany tsy manana " finoana" toa ahy
35. fijo ( 09/06/2004 02:58)
arimalala milaza fa antra tsy manao andolopo.ary ahoana ilay voalaza hoe :"fa izy dia mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanany"
tsilan>matotoa ,lolo,angatra,raha nino ireo aho tsy sahy natory tanaty lavaka avy nanesoran,a faty.
ikaretsaka>hitako manoratra sy hitako sary=misy.
malala>hafaka hanafay ahy izy?koa tsy hataony ho hita.miandry aho.
manaiky ny fahefan'ny RaR aho satria izy anie no namelona ahy e.nikapoka ahy.nibedy ahy.hitako izany fa tsy notsahona tamiko.
ilay filazan'i mimich hoe ny tsy finona dia efa finoa,io ekeko.fa ny resaka anie eto dia ny finoana an'antra e.
36. fijo ( 09/06/2004 03:05)
jesosy zanak'antra????tsia.zanak'olona izy ary ,izy dia niseratena toa andry landivola fa zanak'antra.
averiko,fa io jesosy nahatonga anareo ho kristianina io anie ka jiosy"juif"mandrapahafatiny e.izany hoe izy hafa no ninoany,fa ianareo nalefany ary ankafa.
mimich,izahay anie efa nanaiky fa ny lalana no mametra ny fahafahanay e.fa ankoatr'izay.tsia.ary raha manaraka anay amin'izay ianareo dia aza milaza tena ho kristianina.
oh.ny tsy mpino hafaka manao blow job tsara tsy ampisalasalana.raha ny mino no manao an'io dia aza misoratena ho mpino.voararan'ny lalana kristianina io.toa izany koa ny fandehany hafa izay tsy tanisaiko eto ho fanajana ity ady hevitra ity.
37. fijo ( 09/06/2004 03:08)
ny herin'ny natiora kosa dia inoako,fa io tsy antra .
38. mimich ( 09/06/2004 07:24)
Mazava izany fa resaka finoanana an’ atra no resaka eto.
Librepenseur> Raha io indray dia tsy idirako lalina satria na ny atao hoe mino aza mbola samy manana ny heviny satria samy manana ny dogme sy ny fototra niaingany ( ex: musulman sy allah sy mahome, ny xtiana sy I xty+ atra 3/1+alahady,ny katolika sy ny olo-masina, ny adventista sy ny sabata, mon ami sy ny miracle (hi!hi!hi! tsy haiko raha arakareo io expression mon ami io fa malaza mantsy izy io aty aminay)
Fijo>@ ilay resaka hoe malalaka kokoa ny tsy mpino noho ny mpino dia tsy dia ekeko loatra. Fa resaka fanamboarana saina fotsiny izany. Raha mahatsikaritra ianao, io lalana kirakirainao isan’andro io anie ny fototra nihaviany dia saika avy @ ilay lalàna fototra izay inoan’ny mpino e! nahoana no noraiketina ho lalàna ny hoe heloka ny mamono olona , mangalatra, ny fijangajangana, sns dia jereo hoe avy aiza no nihavian’izy ireny e! fa namboarina fotsiny mba ho lasa hoe ny olombelona no manefy azy avy eo. Noho izany lalàna iray ihany ny mamehy na ny mpino na ny tsy mpino.
Raha raisintsika indray ary hoe tsy mitovy fa malalaka kokoa ny tsy mpino noho ny mpino , iza no milaza aminao fa tsy afaka “manao blow job tsara tsy ampisalasalana” izy ireo, azony atao tsara tokoa izany rehefa tiany hatao, na dia manana ny sata mifehy azy aza ny mino dia nomena safidy malalaka tsara ihany koa hanao izay tiany atoa fa ny feon’ny fietritreretany ihany no mitondra an’io. taoko ty samy mahafantatra ny lalàna avokoa ny olon-drehetra kanefa maninona no mbola betsaka ny mandika lalàna. dia toy izany koa io, saingy ny iray fitsaran’olombelona no andrasany fa ny iray fitsaran’ilay atra inoany.
Tadidio fa tsy misy lalàna voaaraka 100 % izany raha tsy izany mety tsy nanana asa intsony ny avocat (hi!hi!hi!) sy ny tontolon’ny fitsarana , koa manara-dalàna daholo tsinona ny olona satria voafehin’ny lalàna eo @ tany sy ny fanjakana kooo!!!!
39. librepenseur ( 09/06/2004 07:53)
mimich> ny feon'ny fieritreretan'ny tsi-1-1 no mametra na mety na tsy mety ny mamono olona.
40. ari.malala ( 09/06/2004 13:44)
ho an'i fijo, ny anao araka ny teninao d ny hitady izay ahafahanao manohitra no namakianao Baiboly, tsy anomezako tsiny anao iny.Ilay resaka hoe mmaly ny heloky ny Ray @ zanany, misy koa anie ao anatin'iny Baiboly iny hoe " ny heloky ny Ray tsy mba heloky ny zanaka " ê! d aôna indray enao @ zany? Ary ilay hoe miandry ianao ny hamaizn'Andriamanitra anao, satria mbola miandry anao hatrany Izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4005