fitiavan'dry môpera....

1. besoiiin ( 03/05/2004 19:08)
mialatsiny aminareo catholique! fanontaniana ny ahy ity;mba tena mahatanty tsy mitsaokalentika marina ve ry môpera sy masera ireny mandritra ny andrompiainany e? sa...... de havela hangahiahy fotsiny ve i balita rehefa velombolo iny? inona no mba fanafodinjareo rehefa tena sendra ilay faniriana tsy tanty iny????
novalian'i methode ny 05/08/2004 22:56
2. ikaretsaka ( 03/05/2004 19:16)
entina ara tsaina ramose an (za tsy mopera an)
3. hery ( 03/05/2004 20:20)
Sarotra be ny mandinika hoe possible ve ny zavatra tsy mbola niainan'ny tena. Ny solution dia hoe na enao manao azy na mino izay manao azy. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy momba ny "possible ve" teto amin'ny forum...

- Possible ve ny silamo tena hoe tsy mikasika kisoa mihitsy mandra-pahafatiny? Kanefa ôtran'ny matsiro ihany ireny.
- Possible ve ny vehivavy 30 taona mbola virjiny?
- Possible ve izany hoe mpiasam-panjakana tsy hanao tsolotra izany mihitsy?
- Possible ve izany hoe lehilahy tsy hi-se masturber izany mihitsy?
- Possible ve ny olona manambady dia tsy hieritreritra vehivavy hafa (na hanao firaisana @ vehivavy hafa) ankoatran'ny vadiny mandritra ny taona maro (mandra-pahafaty?)... azo anontaniana ohatra i ra-baina sy rabôfy :)
Dia ity androany ity
- Possible ve izany môpera sy masera tsy mitsaokalenitka mihitsy?

Dia anjaranao ihany ny mamaly azy.
4. ikaretsaka ( 03/05/2004 20:29)
nobody is perfect e
5. hery ( 03/05/2004 20:35)
Tandremo sao dia malaky manao conclusion négative... fa possible daholo ireo.
Rehefa tsy vitan'ny rehetra dia vitan'ny sasany.
6. ikaretsaka ( 03/05/2004 20:36)
ka izay ilay hoe vitan'ialahy ve ny vitako (defi t@ mbola kely)
7. fijo ( 03/05/2004 22:09)
mpianatry notre dame aho tany majunga ary efa niresaka tamina moprera vazaha be mpahalala tao sy i monseniera gasy maro mpahay iny.za moa fantatry ry zareo fa tsy mino.ary dia mitovy ny valiny.ny antony tsy hanambadianay dia satria manelingelina anay ami'ny fitorian teny ny fisian'ny ankohonana,fa izahay dia tsy voarara ny hanana firaisa.i monseniera aza moa dia nanome ohatra nisy tao mahajanga dia ilay frera italianina tratra tao ambovalana(toeran'ny mako any majunga)nafindra toerana hafa izy fa tsy nesorina hozy satria tandroana koa ny hasin'ny eglizy.
raha olona no nitantara io mety tsy nino aho fa ireo dia olom pantatra ao mada ka mino aho fa tsy nandainga ireo.
8. methode ( 03/05/2004 22:43)
Fa inona aloha no tena tiana ho tratrariana aminny fametrahana ilay fanontaniana e? De inona no tombontsoa amin'ny valiny? Sao de fandaniana andro fotsiny!! Hihihihi! Raha ny tantara aloha dia na ny mpivady aza misy tsy manao ilay ataonareo io!! Fa miankina amin'ny olona tsirairay io! Sarotra ny hanaovana vérification izany, indrindra moa ny lehilahy ka raha ny marina 100% no tadiavinao eo dia ho lany any andro eo fotsiny! Ny manao mantsy mety milaza tsy manao, dia ny tsy manao koa mety milaza fa manao satria tsy te-hiavaka amin'ny hafa!!
9. aladin ( 04/05/2004 06:25)
fijo> de raha izany ve tsy 'ze tena mambany indray aza no hanao môpera?satria tsy ho voafatotra @'ze ankohonana.mandalo de mipitsika 'zany e!hihihi
10. vahona ( 04/05/2004 06:42)
za koa efa niresaka t@-na mompera prof de religion-nay tao @ st michel,dia zao no nolazainy:
taloha tany dia tena afaka nanambady tokoa ny mompera fa ny masera tsy aiko.Nefa ry zareo tsinona tsy mandray vola @ fitorian'ny teny toy ny pasitera dia inna no hamelomany ny zanany?fa ny tena olana dia ny volan'ny fiangonana no tenen'ireo ankizy ireo ho an'azy satria lovany avy any @ dadany hono nefa le dadany tsy manana harena an'azy fa an'ny fiangonana daholo ny zavatra rehetra.
Dia nampisy ady le izy ka aleo tsy nampanambadiana ny mompera.
11. hendry ( 04/05/2004 10:06)
Ohatran´ny olona rehetra ihany ry mompera sy ry masera ary ry frera. Misy ny mahatanty, misy tsy mahatanty. Mahalala mompera maromaro aho, misy karazany koa ry zareo, misy ny fikambanana sasany tena sarotina @´ny anaovan´ny mompera na frera na masera sipa, misy ndray anefa na dia voarara ny lalàna mifehy azy ireo aza zany dia tsy dia sarotina loatra ry zareo raha mahafantatra fa misy manao sipa ny mpikambana ao aminy. Ohatra: mompera iray efa ela nihetezana tao @ fikambanana fantatry ny lehibeny fa manana sipa, ny sazy ho azy dia ny famindrana toerana azy fotsiny, misy ny avertissement isan-karazany nefa dia mijanona ho avertissement fotsiny ilay izy fa tsisy sazy mafy mihatra ka lasa tenté hihoa-pefy ny ankamaroany. Tsy vitsy ny mompera fantatro manana sipa saingy mijanona @ ilay fiteny hoe: "azonao atao ny rehetra rehefa tsisy mahita enao".
Tsy entina anenjehana masera, mompera na frera zany akory fa filazana ny zava-misy, misy ny manaja ny voady nataony, misy kosa tsy mahatanty ny filany @ maha olona azy ihany dia mandika lalàna saingy tsy ifanomezantsiny.
12. hendry ( 04/05/2004 10:08)
Ilay izy koa anie raha ny fahalalako azy tsy voarara ao @ baiboly ny tsy tokony hanambadian´ny masera na frera na mompera fa fitsipika napetraka fotsiny mba hifantohan´izy ireo @ raharahan´Andrimanitra bebe kokoa e!
13. ravatorano ( 04/05/2004 11:29)
ny voalazan i hendry farany io no hitako fa mahavaly ireo fanontanina.
Izao mantsy raha ny moine na ireo reliziozy mitoka monina dia ataoko fa tena mahatandrina tanteraka ny filana ara nofo satria tsy hahita olona hafa izy ankoatran nizay mpiara mikambana aminy ao izay samby mitovy sekissa na frera na masera na mompera.
Ny ankoatr izay dia tsy haiko, nisy moa relijiozy niteny hoe :olombelona ihany aho fa tsy dia hoe akory tapitrohotra amin ny fananana toetra mendrika ka noho izany dia tsarao amin izay ihany.Ny tena tiany lazaina dia mety ho solafaka ry zareo ireo na dia miezaka ny hanaja tanteraka ny voady izay nataony aza.
14. ari.malala ( 04/05/2004 14:05)
Marina daholo ireo voalaza rehetra ireo, fa pretra mpitondra anay tanora ao @ paroasinay no nilaza taminay fa manana faniriana toy ny olombelona rehetra ihany izy, lalànan'ny natiora izany hoy izy, saingy tsy dia afantoka be loatra any ny saina fa mitady zavatra hafa hanariana dia, ny an'ny curé izao ohatra dia ny fanaovana raozery na sapile no hitako tena ataony, ny an'ilay vikera kosa indray dia any @ resaka fanatanjahan-tena sy ny fianarana no tena ifantohany. Izany hoe na olon-tsotra aza izany afaka mahafehy an'io resaka iray io, fa arakaraky ny olona tsirairay ihany io.
15. ikaretsaka ( 04/05/2004 16:43)
ka aza atao reference hoa ilay baiboly fa lasa relatif be ilay izy satria samy hi interpreter zavatra ao
16. besoiiin ( 04/05/2004 17:12)
marin'zany ry karetsaka a! rehefa fantatra ange ny lalàna mifehy ny fikambanana na antokompinoana iray dia anjaranao ny misafidy e! sady io kou ange ka resaka finoana an'Andriamanitra fa tsy resaka tsotra e! nivoady teo anatrehan'Andriamanitra ianao dia tokony hanoha sy hanantanteraka izay voady izay! fa tsy excuse izany hoe mba olombelona ihany izany! tsy miditra avy hatrany rehefa tsy mahatanty fa tsy manao mamy ny atsy fy ny aroa! zavatra maro no azo hanompoana an'Atra ka aleo ny hafa no atao rehefa tsy zaka ny tsy mitsaokalentika e! matou io fika io nataon'Atra dia hitany fa tsara izany ary natao ho ampiasaina! ka rehefa tsy tanty ry ranako dia manaova pasteur na zavatra hafa fa aza dia miatsara velatsihy amin'Atra a!
17. fijo ( 04/05/2004 22:08)
krizy be rabesoinnn le.averina impiry mihintsy ve.
ny temoin de jehovah koa dia io no antony tsy hiterahan'ny sasany.satria manelingelina amin'ny fitoriana hono.
18. mumu ( 05/05/2004 08:19)
samy manana ny choix ny oul rehetra!!!
19. tsilan ( 05/05/2004 14:09)
Izao kosa aloha eh.
Moa ve ny taova na ny ratsam-batana misy sy nataon'i Zanahary ho an'ny tena ratsy ny fampiasana azy?
Misy amin'ireo taova sy ratsana ireo ve voararany ny fampiasana azy?
Raha izany ary naninona ireo no nataony teo?
Saingy ny fampiasana azy ireo tsy voahevitra no ratsy, sa ahoana hoy ianao
20. hery ( 05/05/2004 19:01)
i tsilan izany angamba karazan'ilay tsy manapaka hoho sy tsy mihety volo mihitsy satria nataon'Andriamanitra ireny ka tsy tokony esorina :)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.413