Anniversaire

1. jhouhlambout ( 01/05/2004 10:51)
Mba mahagaga ihany hoe: maninona ny olona no falifaly sy manao fety rehefa misy anniversaire? Ny anniversaire anie dia midika hoe nihena 1 taona indray ny andro ihainana eto an-tany e, zany hoe: miha-manantona tsikelikely any @ fahafatesana...! Koa inona no anaovana fety amin'izany?
2. booboo ( 01/05/2004 11:17)
fa afaka atao koa hoe mbola nahatratra an'io taona io ianao fa tsy maty talohan'izay ! dia mifaly ny iray tanana e
3. ikaretsaka ( 01/05/2004 13:32)
ka alaina ain'ilay nitombo ilay izy ry Jhoul fa tsy ilay mihena an..
4. voninkazokely ( 01/05/2004 15:13)
Faly satria mihalehibe !
5. aladin ( 01/05/2004 15:51)
hita kou!jerena @ lafiny tsara ry jhouhl a!tsy ny ratsy fôna. de enao ngah mitomany be sah lasa saina de malahelo be refa anniversaire-nao?
6. jhouhlambout ( 01/05/2004 19:11)
Ka ohatr'izany mihintsy no fahitako azy. Isika tsy mihatanora fa miha-antitra tsikelikely sady mandeha ihany ny compte à rebours. Eritrereto fotsiny ohatra: rehefa misy ireny film misy bomba manao compte à rebours reny: 5...4...3...
dia misy olona mifatotra eo, izy ve izany dia tokony ho faly isaky ny mihena ny compte à rebours?
5:oueh!...4:hiphiphip hourra....3:tralalalala...2:faly aho.....1:oeh vive la fête.....0... :-( toy izany ny fiainantsika anie e!
7. alz ( 01/05/2004 20:03)
Izay rehetra mitondra hafaliana dia tsara aby. Samy tsy maintsy ho faty daholo.
Aleo manao solomaso mangamanga, amin'izay manga daholo zay jerena.
Zay te-hijery maintsy koa tsy maninona.
Anao ny safidy.
8. booboo ( 01/05/2004 20:06)
ny an'i jhoul ilay solomaso manga mitopy mainty e ? Manananihany zà !
9. kally ( 02/05/2004 11:32)
Afaka manapa-kevitra ny tsy hiaina intsony koa ange ianao raha tsy mahafaly anao ny mahazo tombon'andro ry Jhoulahmbout !
10. booboo ( 03/05/2004 15:15)
manaova fotsiny jery todika ny fiainanao hatrizay. Dé tsy nisy zavatra nahafinaritra anao ve tao ka tianao ho tohizana na tanjona mbola tiana ho tratrarina ?
11. samoina ( 03/05/2004 16:14)
rajhoul angà matahotra sy menatry ny fahanterana ?
Tsy mpankalaza anniversaire ny tenako saingy hifaliako ny taona mitombo satria traikiefa tsy hanenenana avokoa izany !
12. aladin ( 03/05/2004 16:52)
ka 'zay le izy ry jhouhl a!refa samy ho faty ihany de aleo mifaly aloha e!enao kosa ve de hoe niena 1taona ny andro iainako de isaona ?hihihi!
13. ikaretsaka ( 03/05/2004 17:03)
z amba gaga hi hihi
14. jhouhlambout ( 03/05/2004 17:10)
Eny e, mifaliha ary izay te ho faly e, fa tandremo misy hitako MITOMANY any aoriana any an! tonga dé ampatsahiviko anareo tsara ireo voalazanareo ireo....hihihi!
15. hendry ( 03/05/2004 18:02)
Raha ho ahy sady tsy tokony ho faly no tsy tokony hisaona. Zaho rahateo tsy mpankalaza anniversaire isan-taona, ny faha 18, 25, 50 ary 60 taona amiko no mila fiavahana kely. Mba faly rehefa mahatratra ny faha 18 taona fa mba efa
"olon-dehibe", manana karapanondro dia afaka mifidy. Rehefa 25 taona ndray, matetika eo ny taona takian´ny olona rehefa mitady asa enao, dia mba faly fa afaka miditra @ sehatry ny asa. Ny faha 50 taona amiko tokony ifaliana koa satria mba nahatratra antsasaka taonjato iray, midika zany fa mba ela velona. Ny 60 taona ndray fidirana @ sehatry ny fahanterana, mba mifaly satria mba tratra antitra koa.
16. kally ( 03/05/2004 18:48)
Izaho aloha faly e!satria misy fahasambarana vaovao hitako foana entin'ny fotoana aty aoriana,dia rehefa antitra aho dia fantatro fa hanana fahasambarana hahita sy hitaiza ny zafikeliko,mahafinaritra be hono izany!asa,mety ho sambatra hankalaza ny faha-50taonan'ny mariaziko koa angamba amin'izany.Izay mifototra @ tarehy amam-bika no matahotra ny fandrosoan'ny taona.
17. kally ( 03/05/2004 18:48)
Izaho aloha faly e!satria misy fahasambarana vaovao hitako foana entin'ny fotoana aty aoriana,dia rehefa antitra aho dia fantatro fa hanana fahasambarana hahita sy hitaiza ny zafikeliko,mahafinaritra be hono izany!asa,mety ho sambatra hankalaza ny faha-50taonan'ny mariaziko koa angamba amin'izany.Izay mifototra @ tarehy amam-bika no matahotra ny fandrosoan'ny taona.
18. fijo ( 03/05/2004 23:47)
za aloha dia manohana io voalazan'i jhouhl io e.mihena ilay izy ka tsy hitako loatra izay tokony hanaovana fety.izay te hanao moa manaova fa za tsy tia e.
19. jhouhlambout ( 04/05/2004 07:49)
eny, marina tokoa izany!
20. fijo ( 05/05/2004 04:29)
eo indray aloha dia mambra foana aho e.kaly io ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1068