En voie de disparition

41. jhouhlambout ( 11/05/2004 18:41)
Ny sasany moa dia efa lasa blonde malgache: quelle horreur!
42. fijo ( 11/05/2004 23:52)
ka izay no toetsaina tiako edivana mba hisongadina amin'izay isika fa holany tamingana marina raha mitoy izao.holasa peluche sisa ataon'ny olona kilalao sy haingotrano.
43. miara ( 12/05/2004 12:07)
Fa inona anefa no mahagasy?Ny loko ve?sa ny fanana passport?ny fahaizana teny gasy?
jhoul/inona ny olanao @ blonde malgache refa zay no tiany?
fijo/fa maninona no tsy maintsy hisongadina?zah tsy mila miteny hoe gasy fa tonga de hita sy tsapa zany.
44. fijo ( 12/05/2004 23:25)
matoa tonga dia hita sy tsapa izany dia misy mampiavaka anao amin'ny maha gasy anao.ny vazaha manana pasipaoro gasy tsy avy dia tsapa toa io lazainao io.ka izay no mila tazonina tsara tsy hovery
45. jhouhlambout ( 13/05/2004 09:12)
miara> Tena tsy mifanaraka @azy mihintsy zany blonde izany, crois moi efa nijery akaiky aho fa tena tsss... tsy misy teny afaka ilazana ny poziny fa dia tena .... loza be é!
46. peluche ( 13/05/2004 10:24)
pitchou:mamerina fotsiny zay noteneniny fijo aho,satria mahalasa saina ny tsy fanajany ny hafa,ny"jugement personnel"zay zarainy eto...raha ny amiko dia mazava fa gasy aho fa zany tsy entiko hanafoanana na handroahana,hitsarana ny fihaviny sasany.
47. mumu ( 13/05/2004 12:17)
miombokevitra any i pitchou za
48. kitjo ( 13/05/2004 18:55)
miara>> izay le oe tonga d tsapan olona zay no mahagasy anao no ilaina,
fa tsy le mitomany vazah nefa de gasy zao fa arataratasy fts

fa matoa to d fatan olona dia misy antony ao

io no antony voalohany inddra mahatonga ny vazah manambany sy mi "exploiter" antsika, satria tsika tompony aza oh misy menatra ny mahagasy antsika, ny dikany misokajy antsika ho ratsy zany, ko na za tsy izy tsy hanao aza

misy milaza moa oe "gasy kely", nefa gasy zao tsy haiko aloha e, mety metisy ngamba izy d misy gasy kely fts ao aminy
49. fijo ( 14/05/2004 00:23)
io voalazan'i kitjo io mihintsy ny hevitro.
peluche>milaza ianao hoe ny tsy fanajako ny sasany,ka moa va mba manaja gasy ireo sasany tianao harovana ireo,ianao aza moa milaza hatrany fa "gasy kely" ka aiza.tsy sahy hiseo amin'ny maha izy anao mihintsy ianao raha izany."ary dia hiondrika foana eo amin'ny vahiny eo
50. kitjo ( 14/05/2004 07:04)
zay nddra ,mairn atsika fa mahantra fa zay fisehoantsika sy ph oe mipirimpirina oe ataovy ze tinareo aminay fa zay ange kely sy fadiranovana e,
d mahazo laka ry zareo fa ra oe sahiana ange ataoko fa mba hisy ihany na dia fanajana aza

51. peluche ( 14/05/2004 13:09)
fijo:fa nga ty izy vitany hoentim-po fotsiny,jerevo aloha ny contexte nitenenako an'io,to tsy novakinao akory satria ny lohanao efa voasisika "racisme",tsisy zavatra hay hafa tsy nihitsara alohany mandinika,sy mieritreritra.
52. tsilan ( 14/05/2004 13:38)
OK, kitjo sy Fijo
Asa ianareo na mpiditra birao na tsia amin'itony raharaham-panjakana itony.
Fa raha gasy ianao no mijoro eo dia kitakita izay no miandry anao eo. Inona ny anao zay? Tsy misy tompoko, tsy misy ramose na madama. dia rehefa avy eo. Ay atsy izany.
Raha karana, sinoa no mijoro eo. Inona no atao ho anao patron?
Raha vazaha. Dia vao maika tsara.
Dia ny fotoana ahavitan-javatra koa dia vita haingana raha vahiny, fa raha gasy in-10 miverina mbola iny eny ihany.
Ny manao taratasy mikasika ny tany moa, dia ny an'ny karana vita afaka iray volana, fa ny an'ny tena afaka 20 taona mbola tsy voasoratra foana.
Samy gasy eh. Tena mampi-te hiteny hoe rehefa samy Gasy (!) ve dia tsy mifanaja
53. kitjo ( 14/05/2004 16:11)
Zay nddra le izy
IOo fierte-tsika io no ilaina fa ny fanambanitsika tena mitsy no mahatonga ny ol hanao oh zany.
Io toetsaina io mitsy no tokony esorina, k zareo ve no andrasana hanome valeur antsika??? Andraso eo Paoly!!!!!!!!!!!!!
Enao aloha no mila mampiseho aminy ny maha-izy anao zay vao hanaja anao ny hafa, fa ra enao tompony aza manao ny tenanao ho "kely", ny sasany ve no hanalehibe anao???? Hanindry aza atao!!!!

Ny fahatsapana ireo lazain Tsilan ireo mitsy no mahatonga anah hiteny anzan. Za aloha tsy tia anzany e,

Anjaranao @ zay toerana misy anao sy sehatra iainanao no manandratra sy mampiseho ny maah-izy anao io @ olona indrindra @ ny vahiny
Raha mpianatra enao aty ivelany d tokony miezaka ho top!
Zavatra oh zany no tiako tenenina, za aloha ts manaiky ambaniana zany e,
Ary tsy hisy sahy hilaza anah ho "gasy kely" zany mitsy ra manao anzany a fa au contraire ary ,tsy oe mizesta aho an, fa manazava ny zava-misy,
Aty vao oe gasy tonga d mahalala anao dol ny iray fianarana, tsy afk hanimba izay image zay enao ary anjaranao no mitazona sy mametraka anzay
Nefa zareo d samy mahalala aby fa tany mahantra Madagasikara nefa tsisy sahy manambany.....

Saintsaino io inddra sika aty ivelany, ts sanatria oe mizesta akory fa lasa lavitra le adihevitra d io no ohatra concret hitako
54. peluche ( 14/05/2004 16:55)
Ka raha fierté manampona maso sy tsy hafahana micorriger zay diso,de ahona?na tsy mety,na manimba de havela @ zao tsy tenenina satria aleo manana fierté?Ary ilay "gasy kely"=Madagascar tsy afaka miinfluencer ny conjoncture economique sy mondial satria 1/3 monde,tsy manana poids hafahany manohitra ny didi-jadony ny pays manana fa aza manao ady hevitra hetim-po,sy mandray an-tendrony otrany zany.
55. kitjo ( 16/05/2004 10:27)
tsy manao ady hevitra entim-po na mandray antendrony mitsy fa enao no tokony misokatra ny sainao sy hivotra

marina fa tsy hanana fahafahana tanteraka hanohitra didy jadona ankoalaka tsika, fa na zany aza aza mionona amzao hanaiky hotsindrin hafa zany foana e,
FA nga efa voalahatra (@baiboly ohatra) oe ho 1/3 monde foana i Dago, hahantra foana tsika????

Ianao no mionona amzany fa za aloha mino fa ra samy miezaka tsika fa tsy mionon aoh io,bdb ny azo atao ary posible tsara ny hampandrosoana an'i Dago,

Tsy manin enao na hijanona ho ambanin'ny olona fa efa manaiky ho "gasy kely" koa, fa za aloha tsia e,....

matoa ianao mahay manavaka fa misy zavatra diso d mahalala koa fa misy ny marina tokony ho izy. Koa manin tsy hahitsy ze diso? sa hionona fa "gasy kely" d tsy manin ze misy eo aleo ho eo fa "ho aiza moa ny gasy kely fa ze fandehany eo alehany e"
Zay ve???????

Ny fananao io fierte io no ahazoanao mahatratra ny challenge raisinao, manitsy ny diso, ary manatanteraka ny tanjona tadiavinao,
resaka "personnalite" znay e,

Za akory tsy miteny eo ndao alefa Ra8 ho any @ ONU d asaina miteny oe zao na zao, zay le "fierte diso toerana" fa ny zava-misy no atreho ary miezaha hiroso fa any afara any za aloha misy finoana fa ho tafita tsika e

56. kitjo ( 16/05/2004 10:30)
Ohatra mazava iray ndray angamba ry Peluche no horaisiko,
raha misy olona nanondrana le kilalao "Yo yo" tany dago

Raha efa fantatra mialoha ve ny fisian le poizina tao anatiny, tsy afaka nandray fepetra ve ny ministeran varotra tsy hampidirana azy iny tao???
Sa "gasy kely" d oe ao ary ampidiro fa zay ve afaka hanohitra e.....
ZAo le izy efa fantatra, ataoko fa efa misy ny fandraisana andraikitra,

Izay ilay teneniko oe miainga @ tsiray2 sy @ zvt madinika io raharaha io fa tsy nisy zazakley tonga d lehibe amzao,

Misy koa ny lehibe fa misy mahia misy matavy......
57. peluche ( 16/05/2004 13:18)
Efa nazavaiko ao @ "afrika"ny momba an'ilay" gasy kely",ka aza hatao miteny ny zavatra tsy nolazaiko aho.
Tsara mihitsy ilay ohatra yo yo,fa ahona ary no mahatafiditra an'io kialalo io aty madagascar nefa mamono sns,mahagaga?
Mazava ho azy fa tsy matanjaka sy tsy coordoné ny gouvernement malagasy,ny ministère mikarakara ny importation sy exportation...aleo zay no hanazavan'azy raha tsy tinao ilay hoe mahantra ny "gasy kely" any ka hararaotiny sasany,ary tsy resaka fanambaniana zany fa miaina aty madagscar aho ka mahita tsara ny réalité,ny zava-misy.
Fa zany eo ihany fa mitovy anie zany ny tanjontsika e...halao @ fahantrana gasikara,aok'izay ny gaboraraka sns...aleo zay hanatsarana azy no hiadin-kevitra kokoa
58. peluche ( 16/05/2004 14:06)
ny fierté de azo adika @ hoe hambo,ka matetika ny olona refa diso be ambo loatra dia tsy afaka corrigerna intsony.Ny azy ihany no marina,zay no ao an-tsainy matetika ka tsy afaka hanatsarana,na zavatra tokony tsy hosimba ary lasa rava mihitsy satria mihambo,miziriziry tsy te-ho diso.
Raha ohatra ka tsy tian'i kitjo le hoe"gasy kely"=mahantra,andefasan'ny olona yoyo satria fantany hoe tsy afaka hanohitra...tsy maninona fa aleo hovaina hoe "gasy fier",manakambo,tsy mety miatrika ny zava-misy.Ny fandraisako an'ilay gasy kely ara.psykolojia dia raha ohatra ka tonga saina @ io dia voa maika aza mora mairina-manana challenge kokoa noho ianao fier,zany hoe be hambo.
59. fijo ( 18/05/2004 00:27)
omeko ohatra ianareo.tamin'ny 98 aho dia nandefa ny fiarako avy aty.
dia natao moa ity taratasy.dia nisy marina io voalazan'i tsilan io.tao tana aloha .dia lasa aho avy dia nakany amin'ilay lehibean'dry zareo.tao antaninarenuina ary tsy tena nidiko ny varavarana,dia avy dia noteneniko mafy be ny zavatra nanjoa ahy.teo no eo ihany dia nentiny tany amin'ilay mpanao ny taratasy aho dia vita ilay izy.fa nony avy eo mbola nisy rangahy nanaraka ahy fa 25000fmg hono ny fiara kely.avy dia novaliako mafy be hoe 25000fmg izany ilay manao taratasy.tsy nijanona i lery fa avy dia niditra tany.
60. fijo ( 18/05/2004 00:28)
vita moa io ao antaninarenina io dia midina ery anosy.dia nitohy ihany ilay fomba,dia naveriko ihany koa ny fanaoko.fa adiny roa sy sasany aho no tao dia vita daholo ny nataoko tao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8628