En voie de disparition

21. jhouhlambout ( 30/04/2004 14:33)
Iza ary no mbola sahy milaza fa tena pure aminareo e?
22. hendry ( 03/05/2004 18:14)
Jhoulhambout ngah tsy pure?
Fijo> Hihetsika hanao inona moa e?
Sa hatao ohatran´ny biby en voie de disparition sika gasy, ny biby manko rehefa en voie de disparition dia angonona @ toerana iray ary kolokoloina tsara ao, tsy avela hifangaro @ hafa. Dia ohatr´zay koa zany? tsy misy mahazo mivoaka an´i Dago ny gasy ary tsy misy vazaha mahazo mankany Dago?
Sa inona ilay hetsika tianareo hatao hiarovana ny gasy sy ho metisy. Ho sakananareo daholo ny gasy tsy hanambady vazaha? koa raha zay ny anjarany dia ahoana?
23. hendry ( 03/05/2004 18:17)
Ny hitako ho azo atao ngamba dia ny miainga any @ fanabeazana fototra ilay izy, ampianarina ho tia ny tanindrazany ny malagasy,ampianarina ho fière @ maha gasy azy ny tsirairay. Ampahalalaina ny ankizy ny maha izy azy an´i Madagasikara ary ny mampiavaka azy @ firenena hafa.
Resaka tiana hatao ny ahy fa sarotra ihany zany.
24. fijo ( 03/05/2004 23:55)
efa hetsika izao io fanabeazana io,sy ny fikajiana izay mahagasy an tsika,ary indrindra ny fiahiana ny taranaka ho gasy fa tsy lasa metisy
25. beko ( 04/05/2004 16:22)
sa tokony hidina ao anaty zoo daholo ny gasy sisa tsy manambady amin izay tsy atahorana hi se produire any ivelany
26. booboo ( 04/05/2004 16:43)
fa inona no maharatsy ilay metisy ? Sa ve sô hadinony ny maha-gasy azy fa ilay rà hafa mikoriana ao anatiny no omeny lanja kokoa ?
27. hendry ( 05/05/2004 10:16)
Zaho koa mba gaga @ tsy itiavan´ny sasany ny metisy. Tsy ny maha metisy azy anie no hanariany ny mahagasy azy raha tia ny mahagasy azy izy e, ary tsy na mahagasy petaka azy koa ny ilazana fa mpandala ny maha gasy azy tokoa izy.
Na zany na tsy zany tsy en voie de disparition zany sika gasy, mbola be ny taranaka gasy.
28. fijo ( 05/05/2004 22:24)
jereo ny metis any mada e.inona no tena hamboniany,ilay maha gasy sa ilay maha hafa azy.ny hitako dia miteny vazaha ny metis vazaha,mizesta ho sinoa ny metis sinoa,mizesta ho karana na arabo izay metis an'ireo.tsy tsapanareo ve ireo zavatra ireo?
29. jhouhlambout ( 06/05/2004 07:00)
ie tena tsapanareo tokoa
30. peluche ( 06/05/2004 14:18)
fijo/roahana ny karana,foanana ny metisy,tsy tina ny arabo,inona koa ny manaraka??
31. jhouhlambout ( 06/05/2004 15:42)
... foanana ny peluche ... hihihi
32. kitjo ( 08/05/2004 03:38)
an3 marina ihany kosa ange zany e, ny tena masosotra manko d le lasa manambany
ny tena mandreraka d gasy izao izy, na tsy metisy aza an, d refa miteny d oe "any aminareo" tsy resaka location (ppl) io an, fa entina ilazana fa ny taniny efa andafy na ze misy azy fa Madagasikara an ze gasy mijanona ao sisa, d misy aza gasy d le miteny oe "gasikely" , mampitehamelaka ny te hamaina fa sao d ny ecran-ko fts no simba eo

Amiko aloha tsy resaka physik no tena resahina eo fa ny toetsaina....kolontsaina e
nefa ra miova koa ny gene oe metisy d mazava ho azy fa hiova ny toe-tsaina

33. kitjo ( 08/05/2004 03:40)
raha gasy+frantsay izy, d hanome tsiny azy ve tsika, @ saina tsy miangatra, raha asiny lanjany koa ny mahafrantsay azy, koa samy izy ireo ko

fa ny tokony ho izy aloha d aleo gasy pure e,hialana amzay zvt zay
34. kitjo ( 08/05/2004 03:42)
tsisy tena race pure ny gasy: marina zany, ary bdb ny firenena oh znay

fa tsika efa zao generation zao kosa efa lazaina amzay oe gasy e,efa azo laziana amzay tsika oe pure fa za aloha amzao tsy haiko ze tena marina tany alooooooooooha beeeeeeeee tany oe inona sy inona no nitambatra t@ reo mpiavy bdb tao Dago, tsy haiko nareo ra misy mahalala.
35. kitjo ( 08/05/2004 03:44)
misy fiteny oe "tsy mahalala lohana metisy?" , oh le oe lohaka kringa
aza za no tezerana ra misy metisy tsika ato an, le metisy amzao ftoana zany,
Fa fomba fiteny filazan olona io nefa mato akoa misy miteny mety ao raha...
36. peluche ( 10/05/2004 10:22)
jhoul/raha mitombo ny lisitr'i fijo de na izaho na ianao mety hovfoana.Hatr@ zao aloha zah mbola tsy vofoana satria sady tsy karana no tsy metisy,tsy muslim,tsy arabo fa asa reha mitombo ny critère mety hotafiditra ihany any aoriana
37. pitchou ( 10/05/2004 17:27)
tsy azoko ihany ny gasy ka! misy mikajy ny maha-pure tsy mifangaro azy d enjehany sahala @ahoana, misy ny mandeha manatsara taranaka (mampiditra zava-baovao ao taranak) enjehana sahala @inona! sahala @hoe tsy tena hitany izany asiana ny tenany!
raha olana be izany dia alehibeazo ny domaine de définition ka tontoloy koa ny faritra misy ny gasy ataovy ohatra hoe ny planeta Tany d voavahy ny olana. Rehefa betsaka mety marsiana sy venusiana indray ny "gasy" @zany fotoana izany dia halebiazina indray ny faritra e!
38. jhouhlambout ( 10/05/2004 17:50)
...prolongement par continuité.... hihihi.

peluche> Sao dia efa tafiditra, anontanio hoé.
39. fijo ( 10/05/2004 23:33)
peluche>tsotra ihany ka,madagasikara hoan'ny malagasy.izay.mahazo manao vakansy ao aby na miasa ao koa ny sasany,fa tsy mila manimba ny mahagasy ary tsy mila manambany ny gasy.
40. tsilan ( 11/05/2004 13:09)
Ny tena olana anie dia ny gasy ihany no manambany gasy ka araraotin'ny sasany tia kely ilay izy eh. Anisan'ireo angamba ireto metisy ireto. Taikiringy moa no iantsoan'ny gasy azy taloha kely
Raha miditra boaty ianao ka manao kilaoty fohy fa mafana ny andro, dia tena tsy tafiditra eo fa miady amin'ny mpiandry vavahady. Fa raha vazaha, na metisy no miala any na skobido aza no anaovany miaraka amin'ny kilaoty jean rovitra dia tafiditra no anarany fa vazaha ts'inona koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2413