racisme

21. tsilan ( 28/04/2004 15:06)
Zao kosa eh
Eo amin'ny fiainana ny olona tsirairay dia efa mamaritra ny tanjona sy ny idealiny ho amin'izay tiany hanodidina azy. Ka rehefa tsy mifanaraka amin'io dia ailika aloha mba tsy andaniana andro. Fa ny andro mandeha tsy mijanona.
Fa ilay fomba fanilihina fotsiny no mahatonga ilay fahasorenana matetika. Tokony mba hatsaraina ilay fomba.
22. ramoul ( 28/04/2004 15:35)
ka atao ahoana zany ny fomba fanatsarany ny fanilihana ilay race tsy tiana?
23. nananie ( 28/04/2004 15:53)
tsy misy fanafodiny io , fa miala ho azy refa mahita traikefa maro @ fiainana.
24. ramoul ( 28/04/2004 16:21)
ka le traikefa ary tsy fantatra hoe inona ko!
25. hendry ( 28/04/2004 18:06)
Rehefa samy tsy misy mitabataba sy mampiseho miharihary ny racisme anie dia ohatran´ny tsy misy ilay izy e!
26. fijo ( 28/04/2004 22:07)
na dia misy aza.hoy ilay vazaha lahy izay:"raha hanambady olona hafa ihany ny zanako vavy dia farafaharatsiny gasy na indonezianina"satria hono ireo tsy mainty tsy tia tabataba ary kristianina.izany hoe samy tsy tiany fa raha faran'izay RATSY dia izay.
27. jhouhlambout ( 29/04/2004 07:27)
ay va ré
28. xxx ( 29/04/2004 10:38)
le racisme de ficlassevan'olona matetika,
29. ramoul ( 29/04/2004 15:44)
ka le racisme nge no ahitana ny karazan' olona izay tsy tia olona é!
ary eo ihany koa no ahafantarana fa io olona io dia tena raciste be mintsy ary tena tsy mety amboarina ny sainy
30. jhouhlambout ( 29/04/2004 17:30)
Ho an'izay nianatra lesona: mitovy daholo ny ADN ny olombelona eto an-tany. Ary ny fikarohana natao dia nampiseho fa na tsy mitovy aza ny endrika aty ivelany dia mifanakaiky ny endriky ny gènes, ny mahagaga dia: raha misy olona mainty sy fotsy eo ka ampitahananao ny ADN-ndry zareo dia hita fa mifanakaiky kokoa noho ny fotsy samy fotsy na mainty samy mainty.
31. fijo ( 29/04/2004 22:57)
kanefa vao jerena koa io dia hita hoe mainty ilay olona na fotsy.izany hoe avy dia miavaka.
32. ikaretsaka ( 29/04/2004 23:25)
fa iza aminareo no tsy mbola raciste ary ary tsy mbola nanao hoe i anona iny zao dia i anona iry zao e? tsy maintsy nisyt fanavakavahana kely foana tao na fahatsiarovantena ho voavakavaka.. firifiry @ gasy aaty ivelany mao no mahatsiaro hoe hafa noho ilay tompontany? racisme daholo anie iznay e
33. jhouhlambout ( 30/04/2004 12:06)
Ny teny hoe race koa ange dia efa innadaptée e, satria @ Biologie Vegetale no ampiasaina io, zany hoe @ VONINKAZO, ka ny voninkazo ihany no manana karazana race. Donky: inona ary no azo anoloina io teny io?
34. ikaretsaka ( 30/04/2004 14:13)
fanavakavahambolokoditra
35. jhouhlambout ( 30/04/2004 14:35)
Ka raha samy mainty ny volon ny hoditra nefa ny olona samy hafa be: mainty ny 1 ary fotsy ny 1
36. ramoul ( 30/04/2004 19:09)
zah aloha dia anisan' ilay olona izay voalazan' ikaretsaka tesy ambony tetsy é!
fa rehefa aty aoriana dia zay vao mahatadidy fa ny zavatra nataoko dia tsy mety ary tsy tiako averina intsony
Ary io racisme ionga no mitondra ny ady etsy sy ady ero é! ra mandinika tsara ianareo
37. miara ( 21/05/2004 18:27)
le racisme est une pensée stéréotypée,rebel à toute critique car vérouillé sur lui même.
en général,le stéréotype social est centré sur le corps,et le corps est un moyen pour des personnes sans culture d'instaurer une relation avec quelque chose qu'il ne comprenne pas.Miala tsiny @ lay teny frantsay fa tsy hitako hanazavana azy.
38. miara ( 21/05/2004 18:33)
exemple:les noirs sont violents car noirs,les juifs sont avares car juifs...
exemple de stéréotype social rebel à toute critique.Le combat contre le racisme est sans fin car c'est fortement lié à une pensée stéréotypée.
39. miara ( 21/05/2004 18:46)
pensée stereotypée raha ny fahazoko azy dia fomba fisainana ohatra notenenina na nampianarina,henokenonao de lasa otran'ny virus ao @ tenanao ilay izy,zany hoe raiki-tapisaka tsy mety hiala,na hsaorina ary mbola mifikitra ihany.
40. ramoul ( 24/05/2004 13:33)
misaotra aminin 'ilay definition.
Fa zao ndray ny fanontaniako: inona no mahatonga ny olona manana an 'io pensée stéréotype io ary ahoana no nahazahoany an' io zavatra io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7295