ndao hifaninana

61. ari.malala ( 26/05/2004 05:58)
Mbola zaza ilay fitiavako dia voafinganao sahady
Ilay fonenany namboariko nanjary fo mangadihady
Nifandimby nifanesy nifanosika ny taona
Ilay fitia mbola resy gina maina sady moana
Dia nofadiako hatreo sy natahorako tokoa
Ny hanandrana haneho ilay fitiavan ao am-po
Nitampify niafiafy tsy sahy
Nangiana tsy nahaloam'peo
Ilay fitiavana zay mbola nanahy nalahelo sy nitoreho

Kanjo indro indray maraina
Nisy taratra hafa loko
Masoandro tsy hay tohaina
No namndromabaka ny foko
Ka taitra ilay fitiavako ilay fitiavana nangovitra
Natahotra fandavana ity lambany efa rovitra
Teny roa toa teny iray
teny vokatry ny fo no nanome aina indray ilay fitiavana tany am-po
Fitiavana no iantsoako anao fitiavana tokana iray
Ilay anao nahay namelona ilay fitiavana tanatiko tao
Fitiavana no iantsoako anao fitiavana tokanairay
Ireo no nahalaza ilay anaranao ilay Fitiavana mandrakizay

Ricky
62. angie ( 26/05/2004 08:19)
Na lavitra aza ianao
Ataovy sary antsaina eo aloanao
Fa tsy voafihana
Ny foko mitomany
Fa tsy afaka mankany
Ny hany azoko alefa any hiantefa

Hivavaka aho @ Ray
Mba hahatonga antsika ho iray ,
Na an-trano aza vinavinna ny ety Hivavaka aho ho anao
Hivavaka aho ho antsika

Ny fitiavako ry tiana toa tantely...
....
63. chipie1 ( 26/05/2004 08:41)
izay tontolonao
tsy maintsy misy ahy ô ô
fa misy banga izay atao
raha toa ny iray tsy ao
teny iray
fa natao hifameno
tsy afa-misaraka ô ô
izay no efa voasoratra
iray izaho sy ianao

.....
64. ari.malala ( 26/05/2004 09:19)
Tohin'ny hira nalefan'i Angie

Ny fitiavako ry tiana
Toa tantely mitady mamy
Ka ho aiza no ahitany izany
raha tsy any aminao
raha tsy any aminao

Hivavka aho amin'ny Ray
Hahatonga antsika ho iray
Lahatra no Azy vinavina no ety
Hivavaka aho ho anao
Hivavaka aho ho antsika

Mpihira Raberanto

Merci aky Angie fa tena tiko io hira io â!
65. fijo ( 26/05/2004 23:10)
ricky vaovao ve io ambony io fa tsy mbola henoko le.za tena io no mpihira reviko tany ka
66. ari.malala ( 27/05/2004 13:59)
Inona no ricky vaovao r'i fijo? raha ilay mbola zaza aloha efa tsy vaovao intsony ko!
67. fijo ( 27/05/2004 21:49)
malala an,ny hirany harako farany dia ny tamin'ny 98.ka raha taty aorian'io dia tsy harako.
68. six ( 28/05/2004 10:54)
ari.malala> lisy zao no vaovaa any e!!!!!
69. ari.malala ( 28/05/2004 12:29)
Efa fantatro fa tsy haiko ilay lisy r'i six â!

Raha tsy diso aho r'i fijo dia mbola talohan'ny 1998 ary io hira io, fa navaoziny dia izy s'i Balita izao no mihira azy.
70. fijo ( 31/05/2004 23:33)
ka za koa anie tsy mahita CD ricky e.mba mitady ihany fa tena tsy mahita e.
71. ari.malala ( 01/06/2004 09:46)
Ohatran'ny efa elaela mihintsy aho izay tsy nahare hetsika nataon'i Ricky ko! Na fampisehoana io na k7 na CD toa tsy re mintsy izy.
72. fijo ( 01/06/2004 23:17)
tany vichy izy fa tsy hitako ilay toerana nanaovany dia tsy nijery aho.
73. ari.malala ( 02/06/2004 10:54)
Efa ela v zany? na ny niaingany taty Madagasikara aza tsy re akory!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7335