ndao hifaninana

21. vahona ( 04/05/2004 23:44)
t@ 60 anga moa io?tena tsara be mitsy ka!!!

eny!veloma hoa ry masoandro
veloma ampitaina any
ho an'ilay malalako
iny,iny sambokely iny
ny sambon'ny fitiavantsika
avy an-dranomasim-be

mpihira:railovy
misy tia railovy marina ve nareo?
22. vahona ( 04/05/2004 23:50)
t@ 60 anga moa io?tena tsara be mitsy ka!!!

eny!veloma hoa ry masoandro
veloma ampitaina any
ho an'ilay malalako
iny,iny sambokely iny
ny sambon'ny fitiavantsika
avy an-dranomasim-be

mpihira:railovy
misy tia railovy marina ve nareo?
23. mumu ( 05/05/2004 11:27)
voropotsy miaradia
vorondreo tsy mifangaro
voromanga , manala havana
miaradia miriaria

nary Rafiringa
24. ari.malala ( 05/05/2004 14:32)
tena tia railovy tokoa!

Ireny kintana ireny sy iny volana iny
Raha tambazanao halaiko mba jo firavakao
Dia mbola ho nofinofy ihany
Iny habakabaka iny sy ireny rahona ireny
Raha finidinao ho akany mba ho fonenanao
Dia mbola ho nofinofy ihany
Fa raha ireny no firavakao
Iny habakabaka iny no fonenanao
Dia masoandro hamiratra eny
Ny foko tia anao
Eny ny fitiavantsika hiaradia am-panahy
Ka ny hira tsara indrindra no hokaloiko ao
Dia ny vetsompoko tia anao
Raha ho nofy ihany izao isika izao
Dia naleoko hatrany tsy nahalala anao

aoka izay fa lava loatra ê!

Fijo> tsy misy fisaorana r'ise â!:-)
25. fijo ( 07/05/2004 00:25)
ity voninkazo ity taloha
natolotrao hoa ahy,
nataoko ho fahatsiarovana
tsy tsaroako intsony fa misy hoe
dia tonga i solo
nanontany menamenatra
railovy
26. nati ( 07/05/2004 08:06)
tsy Railovy io Fijo fa vola sy Noro a! aiza ary ianao izany! Raha tinao dia Vola sy Noro koa manao hiran'i Railovy ,fa ny tena marina dia betsaka ny hiran'i Vola sy Noro nosoratan'i Jerôme Randria.
27. ikaretsaka ( 07/05/2004 17:31)
nati> Vola sy noro taloha tao @ railovy... I bessa koa ... dia mety t@ izay no nahenoan'i fijo an'io.. hiran'i besa io fony izy tao @ railovy dia i voila sy noro no nihira azy
28. vahona ( 07/05/2004 22:30)
za t@ dadabe sy bebenay no nitiavako railovy sy ireo hira ntaolontaolo!!!

zay vao tadidiko tsara ny fiantombohan'ilay hira nomeko ry ambony:
alao sary ange ny hariva mena masoandro
eny am-paran-dranomasina eny!!
sambo lay iray no mitopa moramora
entin-drivotra misosa eny
lavidavitra ery ny morona jereo
paradisa feno alam-boanio
raha poety angamba aho
be ny voasoratro tao
ilazako ny fitia ho anao

tsy hitanareo fa tsara be ve ny tonon'ny hiran-dry zareo taloha?
29. fijo ( 10/05/2004 22:41)
izay angamba fa toa railovy no nahatsiarovako azy ko.
30. kitjo ( 11/05/2004 14:21)
Embona sy hanina, tsiahy maha-fahanginana
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo
Ny avôna tazanina,tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary, ny fo maratra
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
Mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Mibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
Fa noho ny hasomparan'ny tany
Izaho aty, ianao lavitra any
Tsy azo hiadiana ny anjara
'Zay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty honahona tsy ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka amin'ny hamololona
Ny any hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny hitia
Tsy ny halavitana, ny tsy hita maso
Mahasakana ny fontsika tsy hihaona


ouuuiiinnnnn
31. yonikafopl ( 11/05/2004 15:58)
Kitjo, tsara be ilay hira fa iza no mihira azy? dia ny feony fa ny tonony aloha no hitako tsara,
Mahafinaritra be daholo ialy hira atolotrareo, misy mba hay ihany ny sasany fa dia ao koa ireo izay mbola tsy fandre,
Misaotra e!
32. kitjo ( 11/05/2004 17:40)
yoni> Mahaleo mihira an'io, Dadah no marimarina kokoa,
Tsy ratsy noho ny tonony ny feony
33. fijo ( 11/05/2004 23:11)
fa le ouuuinnnnn kosa tsy lasa e
34. kitjo ( 12/05/2004 09:23)
hahhaahah
reny no tena oe kanto koa, tafita ny hafatra,
ny feo tsara, ny toniny aoka fotsiny,
35. mumu ( 12/05/2004 13:55)
marina zany
36. fijo ( 12/05/2004 22:57)
de asiana ouuiiinnnn ve?
37. kitjo ( 13/05/2004 09:40)
ie ko
voakitiko mits ny fo ko,hhihihihi
38. kitjo ( 13/05/2004 18:19)
eny oa, ny an ramaso oa za fona no kianina e
mety ho marina iany , refa lasa lavitra le inspiraka, vita tampoka ;le hira nefa mbola tsy tonga saina to d tapaka ny corde d nivalana
39. fijo ( 13/05/2004 23:40)
iny izany ilay filirony e.io moa tsy misaraka rehefa misy zavatra ankafizina
40. kitjo ( 14/05/2004 01:04)
endriny iray iny fa araka2 le inspiraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4735