Mampirafy izy

1. xxx ( 04/04/2004 15:24)
Ahoana no hevitra?

Misy namako zay arahiny moramora eran'ny tanana dia tratrariny any , nefa moa zao dia inona no issue an'izay?

Tonga ve dia hifamono be rehefa tratra ? sa ve rohitina amy sofiny ?

Sa ve hitomany be eo hoe fa maninona kay aho no ataonao an'izao? ( azoko atao ihany , zah vhv ) fa zany hoe mba manana dignité ihany .

Paramètre tsy azo adino : tiako izy ary zah tsy te hisaraka .
novalian'i mumu ny 11/06/2004 20:45
2. nenitiana ( 04/04/2004 16:04)
ka rehefa fantatrao fa mampirafy izy nefa tianao ary tsy te hisaraka aminy ianao, dia tsy misy afa-tsy ny fanekenao izay hataony mba tsy hisian'ny fisarahana. Odio fanina izay hataony , aza hampiasana saina akory, @ antsoin'ny namana iray tary @ loha-hevitra mitovitovy @ io anao io ihany , hoe : mba handresenao ny fahavalo dia alao ho namana izy.Ka anjaranao ny sisa
3. nati ( 04/04/2004 20:28)
Ratsy loatra izany toeranao zany .Izao aloha tadidio matoa ianao ampirafesiny dia misy tsy ampy kely zay tadiaviny ao aminao ao,mety tsy ho tiany ihany koa ianao; sao kosa ianao nampirafy azy taloha?Raha tsy vonona hisaraka aminy ianao dia marina io tenin'i nenitiana io.
4. jhouhlambout ( 04/04/2004 21:30)
Raha tianao izy ka raha manana dignité ihany ianao dia lazao aminy ny hevitrao ary asaivo misafidy izy!
-Eo no tena ahitana raha mendrika anao izy na tsia.
NB: Eo koa no ahitana ny maha-lehilahy azy na tsia!!
5. ikaretsaka ( 04/04/2004 22:52)
marina io an'i nati io... matoa mitady any an-kafa dia misy zavatra tsy ampy omenao azy.. anontanio izy dia imeo azy raha azo atao
6. damedepic ( 05/04/2004 06:37)
Ilay izy tsy hoe misy zavatra tsy ampy fa isika lehilahy mihintsy fa tena foza, izany hoe izay hita rehetra dia ketohina daholo, na dia tena tina aza ilay sipa (vady be) dia mbola lasa mitsapa rano hafa indray. Fa izao ry XXXXXX aleo hanao fa mbola ho leo ihany, ary manarak'izay dia toro-hevitra kely ho hanao, mba manaova ankanjo somary sexy foana isaky ny mivoka ny trano ianao na ho aiza na ho aiza amin'izay tsapan'i lery tsara hoe mbola hafa ihany ny any tena e. Izay fa bonne chance e
7. ravatorano ( 05/04/2004 08:32)
raha tianao ny olona iray nefa mampirafy be anao dia tsapa fa b fandeferana ianao ary efa mihoatran ny fefy ihany aza izan amiko
Koa mahereza fa izay ihany no azoko lazaina fa efa vitan ny namana eo ambony eo dhl ny tiako ambara fa anjaranao sisa ny mitsako anizany ka dia mirary anaohahita ny soa sy ny fitiavan dehibe .
8. ccool ( 05/04/2004 10:16)
Slt,raha tsy te hisaraka @ny ianao nefa izy mampirafy d zao atao e...miktadiava ko oul ray mba manolonolo azy rehefa tsy eo izy fa aza mijanona @ zao fa ianao no tavela eo,ny lhl mantsy d tsy mantanty an'io resaka fampirafesana io nefa izy manao d manao tokoa ary misy ny sasany tsy manaja vhv mitsy,ds ataony kilalao fotsiny ny fonao....
fa tsy d tsara lotra lay mitomany eo anolomnany fa ho tambitambiziny tsy moramora eo ianao d miverina @ ihany d modyy anaovany promesse d manaiky.....fa na dia izany aza ianao tokony mba manana ny personnalite anao ihany fa tsy anaiky izy tiany atao rehetra izao e,ny conseil tena homeko anao d mitadiava bandy hafa fa sur mitsy aho fa misy oul ray any mandendeha any mety ho tinao ary mety ho tianao kou nefa tsy ampirafy sy hanaja anao fatratra....zay alou fa raha mbola misy azo anampiana d hilazao ihany izahay e
9. bice ( 05/04/2004 10:33)
jhoulamboto> kou nga mou refa miresaka an`zany de hita maso eo ny mahalehilahy?

marina mintsy io lazain`i ccool io e

enao kou ngamba de manaraka loatra ny sotrapony e
diso malefaka loatra mintsy ngamba enao io
10. alz ( 05/04/2004 10:42)
Ianareo ry Ccool aza mampirisika ny hafa hampirafy a! Tsy fifaninanana akory io.
Mbola misy ny feo n'ny fieritreretana, ka matetika izay manao an'io ihany no tsy mahataty.
Ho an'i xxxx, matoa izy mbola mijanona aminao dia mbola tia anao, saingy mitady ny famenon'ny banga.
Raha tianao izy dia ny tsara eny aminao no aseovy fa aza mandany andro mitsikilo izay ataony.
Na izany aza mila hampafatarinao azy fa tsy mahafaly anao ny fampirafesana, sao heveriny fa resy ianao ka afaka manao zay tiany izy.
11. hendry ( 05/04/2004 11:38)
Milalaova carte sur table e! Amiko toa tsy vahaolana loatra ilay mody fanina. Mitadiava fotoana mety tsara dia miresaha nareo. Lazao azy hoe fantatrao fa mampirafy izy, anontanio azy hoe inona ny antony mahatonga azy manao an´zany, anontanio azy hoe inona ny zavatra tsy ampy aminao fa tadiaviny any an-kafa. Ny firesahana ihany no vahaolana tsara indrindra. Aza miseho be hoe malahelo enao fa misehoa ho responsable @ fiarahanareo ary ampahalalao azy fa tsy manaiky ny kilalao enao fa mitady zavatra matotra.
12. jhouhlambout ( 05/04/2004 12:37)
hendry> mpilalao carte an!

bice> ka eo am-piresahana eo lery no maka ny décision-any toy ny lehilahy, raha tsy izany tsy izy...
13. nenitiana ( 05/04/2004 18:23)
Matina daholo ny anareo ry reto nefa anie tsarovy fa izy tsy te hisaraka e! raha atao ny carte sur table araka ny lazain'i hendry , avy eo ilay bandy milaza hoe izay no izy ka mahatanty ianao mijanona tsy mahatanty mandeha, efa nihatra tamiko izany , ary matoa ny lehilahy mampirafy dia efa tsy izy intsony izy izay, mety mbola tia anao izy saingy mahery ilay misarika azy any ivelany, ka izao retsy a! tsy aleo ve mitady hafa e , iny no atao hankarary fo eo, ialao izy , aleo miharitra marary fotoana fohy toy izay hijaly mandrakizay, mba manana koa hambom-po, fa izy ihany no hanenina rahatrizay.
Mahereza retsy a!
14. xxx ( 05/04/2004 19:24)
Misaotra anareo rehetra , misaotra nenitiana ;

Mieritreritra koa aho fa raha izaho no hangarona biby andavaka , dia izaho indray no hovoakaikitra eo .

Tiako izy , mbola tsy nitia olona ohatran'izany aho . Haharary ny hisaraka fa hitako avy eto .

Mora ny milaza hoe mitady olona vaovao , tsy mora ny mahita . Indrindra fa raha mihoatra ny 25 taona enao satria ny olona manana à priori hoe maninona koa ito no irery amizao taonany izao , hoe enao mihitsy no manana olana .

Mety hoe ngamba hasiako fotoana mandalo kely alohan'ny hanapakevitra , sao dia mba crise ny azy ka mandalo . Sao izaho no mikoropaka aminjavatra tsisy antony . Raha iray ve tsy ho lefitro raha mandalo fotsiny ? tsy haiko ...

Misaotra
15. peluche ( 06/04/2004 09:39)
tsy aiko aloha fa tsy ao @ny toeranao aho fa raha ohatra ianao ka mitazona an'izany,fa tsy miresaka direct aminy de voa maika misy lavaka fona.De raha ty ary izy any aoriana any ka hivaky aminao hoe:tsy te-hiarak'aminao ntsony aho satria miarak'aman-olon-kafa...sady ny fitiavana anie tsy azo hifanerena e!resaho izy de @ izay hitanao hoe mbola tia anao ve izy,na mety hoe voan'ny fakam-panahy izy..
16. peluche ( 06/04/2004 09:43)
zay no antony hiarahany @ zany olona zany...@ zay enao afaka mandray décision.tsara ny mitia olona fa tsy azo hatao an-jambany.
fa enao ihany nefa ny mahala ny decision tokony horaisina
17. ravatorano ( 06/04/2004 12:54)
manohana anao za peluche kely
ary aza ela intsony ry xxxxx sao dia ho feno 30 taona eo ihany ka ilaozan ny kofa mihahaka eo
tadidio koa nefa fa nisy niteny teo aloha hoe ny vodisobik aza manana ny tandrifiny , nefa raha vodiny izany topazo maso ihany izay ho tandrifiny izany
18. ikaretsaka ( 06/04/2004 13:17)
zay manko
19. yonikafopl ( 06/04/2004 17:26)
Fa angaha moa ravatorano rehefa mihoatra ny 30 ans dia ilaozan'ny kofa mihahaka?
20. ikaretsaka ( 06/04/2004 17:31)
jereo ny sujet ho e30 taona sy ny vierge a 30 ans
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137