Andrakandrana linux : Fay

1. hery ( 28/03/2004 11:41)
Efa ela mihitsy aho no naniry ny hanao install linux satria henoko ny lazany... ary ny tena mou mba mikitikitika ordinatera ihany dé hoe angamba mety moramora. Vao nahazo HDD iray arany dé tonga dé nitady zé linux hita... nahita RedHat 7.3 izay hitako hoe efa tranainainy ihany (v. 9 izao no malaza)... dia natao ny install.
Lany ny 5 heures fa tsy mety mandeha ilay izy (nisy fotoana mihitsy nangataka disquette hasiana ny messages d'erreurs)... fa ny loza dé vokatry ny fikorontanan-tsaina (mbola lé install ihany no tomponandraikitra) dia diso pointage ny disque ho partitionner-na (tamin'ny re-install faha 4 io) ka nanjary supprimé ny disque dur iray.
Fampitahana. Rehefa manao install zavatra hafa tsy hisy an'izany imprudence zany mihitsy (ohatra hoe mampiditra windows NT amin'ny windows... mila création des partitions koa saingy indray mandeha ihany dé ok noho izany tsy hisy an'ilay trouble).
Rehefa manao install windows dia vetivety dé vita (na dia misy interface graphique aza lé linux dé tsy ao mihitsy)
Lesona azo tsoahina.
Aza mbola miala @ windows raha ohatra ka tsy efa kalazalahy... tsy natao ho an'ny olona tsy dé mahavoa ôtranay ny linux.

Fa iza alou no afaka manampy fa tena simba ny disque-ko.
Merci à Linux...
novalian'i namanao ny 29/03/2005 17:25
2. ikaretsaka ( 28/03/2004 12:28)
io le teneniko hoe rehefamanao zavatra aza manao bemiray... hovody tomobil ve ohatra dia ny sezany traction avant de ny motera 4L de ny volant golf dia ny echapment devil ?
3. dd ( 28/03/2004 15:25)
sao mety mahavonjy ity ry hery? ...
http://telecharger.01net.com/windows/Utilitaire/disque_dur_cdrom_dvd/fiches/28501.html
mbola tsy nandramako fa jereo ihany aloha ...
4. hery ( 28/03/2004 18:13)
ountssss
f'angaha zà nanao bemiray? Disque roa samihafa mihitsy. Disque dûr vaovao no saika hametrahana an'ilay linux. Ary tamin'ny vôlou dé ok ihany fa vokatry ny fahasosorana tamin'ilay linux tsy mety installé no nahatonga ny olana.

Tena na goavy manta na goavy masaka ramaso dé mety hampitsoka tavoahangy fôna :)
5. ds ( 29/03/2004 10:28)
Tsy misy mangidy tsy andramana e...
Efa nametraka OS bemiray aho (Windows Me + Windows XP Pro + Linux) fa tsy nisy olana. Indro kely anefa :
Nanandrana nampitaha azy io aho indray mandeha (2003). Olona roa izahay no nifaninana (ie !). Ny andaniny mpankafy Linux, ny ankilany mpampiasa Windows (tsy voatery ho mpankafy), izaho io :)
Nalaina ary ny solosaina iray somary efa antitrantitra ( P III 350). Nasaina napetrak'ilay tary tao ny Linux. Nihondinkodina ora vitsivitsy tao aloha fa tsy tafapetraka tsara mihitsy fa hoe misy fitaovana na mpamily (driver) tsy hainy. Dia nesorina tanteraka ilay Linux fa tsy nandeha mihitsy. Nampidirina indray ny Windows XP Pro, nandritra ny iray minitra aho namaly izay tokony novaliana avy eo nisitaka nandritra adiny iray latsaka kely. Rehefa niverina aho, dia nandeha tsara daholo na ny hira na ny sarimihetsika sy ny sisa. 1-0 ny baolina ka I Bill aloha no nandresy an'i Linus teto. Amin'izao fotoana izao, dia fampiasan'ny ankizy ilalaovana ilay solosaina ary tsy mbola nanana olana
hatramin'izay (efa ho herintaona izao). Mino aho fa tsara sy azo antoka ny Linux, saingy aleo aloha ho an'ny mpikirakira azy. Afaka roa taona any ho any angamba ny daholobe vao mety hahafehy azy.
6. hery ( 29/03/2004 16:07)
Dia nanandrana linux nandritra ny 1 andro aho satria vitako ihany ny nanao an'ilay install.
1 andro ihany satrira.
- Tsy fantany ny carte video ka nihafy tamin'ny 800x600 zà sy loko 256
- Tsy afaka nandefa hira mihitsy - tsy fantany kou zany ny carte son
- Soa ihany fa afaka ni-chat XChat
- Tsy afaka nampiasa webcam sy micro t@ yahoo messenger

Dé zany rehetra zany.

Androany aho nofafaiko daholo lé linux dia io fa niverina ny fomba taloha rehetra. Video , hira sns.

Aleo windows ihany aloha kah.
7. ikaretsaka ( 29/03/2004 18:34)
aza manao makorelina ny dikan'iznay kle.. dia rehefa mianjaika dia complet ihany
8. ikaretsaka ( 30/03/2004 22:10)
ohatran'ny tsy mampety ny lazaiko hoe hanamboatra tomobil de carosserie ana 4 l de moterana 2 cv de volant ana 404 de sezana mercedes..
Rehefa mividy tomobil dia ohatra hoe 205 de zavatra garantien'ny peugeot fa mety @ 205 ihany no vidiana..
9. 2689 ( 31/03/2004 14:31)
Mitovy aretina amiko. Iza no afaka manoro hevitra hoe configuration toy inona no tsara hovidiana ary mahazaka Linux tsara? Izaho mantsy vao hividy ato ho ato.
10. ikaretsaka ( 31/03/2004 21:59)
io ambony io ny fanafodin'ilay aretina
11. bokona ( 07/04/2004 12:03)
Manandrama mandrake 9.x fa za tsy nanana probl tamin'ny installation.
Linux koa ange saika orinté serveur eh.
12. imailaka ( 09/04/2004 07:25)
mety raha hanao bemiray
- partition ( windows, nux ) ataovy @ mandrake 9.0, fa aza formatena fa tonga de tapaho rehefa vita ny creation des partitions
- installena ny windows ze tiana
- zay vao installena ny linux, ireny linux efa taty aorina ireny installena( red hat 9.0 na mandrake 9.0 , misy version frantsay sy ny intyerface grafik sady efa manana mpamily maromaro -driver- ).
- dia manao forum sy ny how-to rehefa hianatra.

mazotoa
13. ikaretsaka ( 09/04/2004 22:46)
ka sur ve fa tsy hanana problememe kokoa raha manao bemiray? ohatran'ny hafahaf aihany manko ilay 2cv asiana pneu ana 4x4
14. jhouhlambout ( 10/04/2004 16:22)
Ka resaka adaptation fts io e!
Sady ny gasy mahay mi-adapter
15. ikaretsaka ( 11/04/2004 22:45)
fa tsy lozika kosa ilay hoe lohana akoho dia feana bitro aloha e.. aleo ho an'i kaisara izay an'i kaisara hoy ny fiteny
16. six ( 03/06/2004 07:11)
mety zany kah! hotran'ny mi-kitté tombil kou!!!!
17. atmos ( 02/07/2004 14:31)
za alou ry zalahy tsy manana probl @ ity zavatra ity a. Manana réseau kely aho ato an-trano, PC iray win98, PC iray winXP ary ny iray linux (mandrake aloha e).

Tsy misy olana. Marina aloha fa raha driver-windows ny anananao, raha mi-installer linux, de tsy manitsy mitady ny driver ny perpherique rehetra e, c normal, ny driver nefa afaka alainao any @ Internet ohatra : www.driverguide.com ohatra, afaka hakana ny ankamaroan'ny driver .

Mazotoa ry zalà, mila finiavana mianatra kely de mande io e, zà zao lasa tia linux be, ....andramo ange e,....
18. atmos ( 02/07/2004 14:32)
za alou ry zalahy tsy manana probl @ ity zavatra ity a. Manana réseau kely aho ato an-trano, PC iray win98, PC iray winXP ary ny iray linux (mandrake aloha e).

Tsy misy olana. Marina aloha fa raha driver-windows ny anananao, raha mi-installer linux, de tsy manitsy mitady ny driver ny perpherique rehetra e, c normal, ny driver nefa afaka alainao any @ Internet ohatra : www.driverguide.com ohatra, afaka hakana ny ankamaroan'ny driver .

Mazotoa ry zalà, mila finiavana mianatra kely de mande io e, zà zao lasa tia linux be, ....andramo ange e,....
19. dd ( 03/07/2004 03:52)
be ny azo lazaina ny amin ity resaka ity, ... ireo te hikarokaroka dia afaka manao an izany tsara raha manampotoana, mampiasa Linux!
Fa tahaka anay sy ry ds ary ry hery, na ny fotoana andehanana eto aza efa tedavina b .. (amin ny 05:55 CET izao) dia aleo le haingana sy matotra no ampiasaina, sitrany zay fotoana kely ipetrahana eto ahafahana miresaka be be kokoa! ny ahy izao firy volana re zay ny relai RVG mihodina 24/24 tsy mikimpy mihitsy raha tsy efa olana goavana? mihodina ambony Varavarankely 2000 ...
20. fatsoraly ( 03/07/2004 17:17)
Tena tsara sy mora apetraka ny Linux ka. Ny RedHat indrindra raha izay vao mampiasa azy.
Tsy ela noho ny mi-installer windows akory ny mametraka Linux raha ny tokony ho izy, ary tsy voatery ho disk 2 samihafa. Tsy mila manao "restart" isaky ny mihetsika ary tsy mila mi-install hardware fa tonga dia miara-vita @ OS dôlidôly.

Tsarovy fotsiny refa mi-partitioner disk fa ny windows tsimaintsy primary foana fa izay no nanaovan'i MicroFopl azy. Raha tsy izany mivadika ny zanak'atidohan'ny solosaina.

Raha toa ka misy olana dia mampiasa "Partition Magic" sy "boot magic"

Dia mahereza fa indray mandeha ve no manta vary dia handevi-tsotrobe?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1698