Ny gasy tia miolakolaka

1. xxx ( 19/03/2004 15:25)
Asa aloha fa ny fahatsapako, dia ny gasy toa mahitsy eh.
Toa tsy manao ilay hoe oui, mais, na yes but.
novalian'i mimich ny 27/08/2004 14:18
2. kitjo ( 21/03/2004 11:05)
arakaraka koa
matetika ndray ilay tsy sahy miteny aza koa,matahotra!
d tsy mahazaka tenenina mivantana koa,fa araka2 ilay olona kah
3. ikaretsaka ( 22/03/2004 09:32)
ny gasy indrindra o toamiolakolaka ko... tsy manao hoe izaho mikoty anao ohatra fa mody hoe mety ve raha mba zao isika aloah de zao na zao .. na ohatra hoe andeha hipipi dia hoe hivoaka!
4. hendry ( 22/03/2004 18:14)
Inona ny maharatsy ny miolakolaka? mandany andro fotsiny ary mety tsy hazava ny tian-kambara.
Inona ny maharatsy ny mahitsy loatra na mivatambatana? mety handratra olona zay tsy mahatanty.
Na miolakolaka ny gasy na mahitsy, tsy any no tokony ho olana fa hoe: arakaraky ny olona miresaka aminao, arakaraky ny toetran´ilay olona no tokony ilàna ilay miolaka na ilay mahitsy be avy hatrany.
5. ikaretsaka ( 23/03/2004 09:14)
ka ny mamantatra hoe ohatran'ny ahoana ny toe=tr'ilay olona koa no hitako olana
6. kally ( 24/03/2004 20:41)
mariky ny faharanita-tsaina koa ange ny fiolakolahana indraindray raha tsy diso be loatra e!Ahazoana tombony izy io indraindray,arakaraky ny fomba fampiasanao azy ihany fa ny miolankolana be loatra koa aloha ratsy e!
7. ikaretsaka ( 24/03/2004 14:38)
mety ho mariky ny fahamenarana ko aaloha e...
8. hendry ( 24/03/2004 17:10)
na tsy fahaizana manazava ny hevitra dia miolakolaka eo, lany ny adin´ny iray tsy hita zay hevitra nivaingana tian-kambara.
9. ikaretsaka ( 25/03/2004 09:29)
marina io an'i hendry io
10. ramoul ( 05/04/2004 14:22)
tsy ny malagasy ihany no miolakolana fa ny firenena rehetra.
Marina fa miankina amin'ny fahamenarana io zavatra io nefa na dia olona tsy menatra ary dia tratran'io zavatra io rehefa misy teny sarotra ho lazaina amin'ny olona iray.
11. jhouhlambout ( 05/04/2004 19:24)
zay mihintsy
12. peluche ( 20/04/2004 09:31)
arakaran'ny antony hiolakolahan'ilay olona,misy hoe tsy tsy te-handratra olona,misy hoe fiatsaram-bialtsihy,misy hoe himanipulena....
13. booboo ( 20/04/2004 17:03)
misy tsy te-hamaly : nanao aôna ny examen ? Tao izy tao !
misy indray tsy mahita tenenina : manao aôna izy ao e ? Antonontonony ao e !
14. ikaretsaka ( 20/04/2004 21:13)
ahoana itsika sy ianoa ity raha mba "otsot'zay"
=misy dikany maro
15. hendry ( 23/04/2004 15:04)
booboo> ka ilay hoe "tao izy tao" ndray anie valy boraingina e!
16. booboo ( 23/04/2004 15:13)
aaa kah ! tsy vôtery
17. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:39)
fa ahoana ary
18. booboo ( 24/04/2004 11:04)
ohatra ilay ôtsôts'zay koa io tsinona, misy dikany bobaka be dé hafohezina @ io fotsiny !
19. ikaretsaka ( 24/04/2004 19:55)
tsy fiolakolahana ve ? tsy te hilaza ilay tena izy?
20. mimich ( 27/08/2004 14:18)
ie , ny gasy aloha dia tia miolakolaka e, fa na izany aza toa mifandraika @ toe-pony ihany io satria taitaibombina izay ny gasy ka mety ho tapaka lalan-dra raha sendra ilay mivantana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1464