ALAHAMADY BE

1. librepenseur
(
18/03/2004 20:05)
Rahoviana isika malagasy vao hankalaza ny fetin'ny malagsy ?
novalian'i fijo ny 16/06/2004 22:45

2. isrine
(
18/03/2004 20:25)
inona koa zany fetin'ny malagasy?
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/isrine ny 18/03/2004 20:25

3. mompera
(
18/03/2004 09:22)
Iza moa no mandrara ny Malagasy hankalaza ny fetiny? Hatramin'izay dia nomena alalana hankalaza an'izany ny malagasy. Fa ny Malagasy ve dia tena tia hanana calendrier manokana tahaka ny Etiopiana sy ny Sinoa ihany koa?

4. poussiereniceself
(
18/03/2004 09:56)
Amny 21 mars no taombaovaon ny Malagasy raha tsy sodoka ny 31 desambre ka izaho ankalaza ny fetiko(Malagasy aho).

5. hendry
(
18/03/2004 13:53)
@ 21 mars??? sambako naheno zany. Afaka mitondra fanazavana na fampahalalana misimisy ve i Poussiereniceself. Na koa i librepenseur ve afaka mankalaza misimisy momba ilay alhamady be?
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 19/03/2004 01:53

6. ikaretsaka
(
19/03/2004 12:10)
alamahady be zany e! sa tsy mahalala afa tsy ny teraka alakaosy koa ny ankamaroantsika eto>?

7. jhouhlambout
(
19/03/2004 18:25)
Ny calendrier gasy anie dia calendrier lunaire é(manaraka ny volana) fa tsy calendrier solaire(révolution de la Terre autour du soleil)

8. hendry
(
20/03/2004 13:43)
ikaretsaka> aza omena tsiny fa tsy mahay e! Zay no ilàna anareo namana hanoro sy hampianatra.
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 21/03/2004 01:43

9. librepenseur
(
22/03/2004 16:55)
jhouhlambout > dia iza no tokony ho izy amin'ireo raha ny hevitrao ?

10. rasta
(
22/03/2004 09:58)
Zaho aloha dia tena nakalaza tanteraka mihitsy e. Ny an'ny vazaha aza noankalazaina ko ny ahy indray no tsy ataoko tsara lavitra noho ny an'ny hafa.
Ho ela velona anie Madagasikara.
Ho ela velona anie Madagasikara.
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/rasta ny 22/03/2004 21:58

11. randjy
(
22/03/2004 11:32)
zaho gasy saigy izao zaho vao miezaka ny mamantatra ny maha izao ahy
ary za de nankalaza ny Alahamady be tany am_Pandrana ;tanàna somary mivoaka kely ani Tàna ary tena tiako ilay izy ry zareo ah

novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/randjy ny 22/03/2004 23:32

12. jhouhlambout
(
22/03/2004 17:20)
librepenseur> @ maha calendrier lunaire azy dia tsy mety mifanaraka @ date ihainantsika @izao fa décalé foana. Na ny taona ary tsy 2004 izany ny taona malagasy @ zao fotoana izao fa tokony mbola any @ 1400 na 1500 eo ho eo....

13. hendry
(
22/03/2004 17:38)
Toa be dia be ny mahay momba ilay izy fa tsisy manazava. Mba vonjeo e! zaho koa mba te hahalala, iza no afaka hanazava misimisy kokoa??? Ny hevitra fonosiny sy ny tantara momba ny alahamady be. Ny taona niforonany sy ny sisa.
novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 23/03/2004 05:38

14. librepenseur
(
23/03/2004 16:59)
hendry> Mamakia boky raha te hahafantatra bebe kokoa, efa misy koa ny site moba ireny izao !

16. hendry
(
24/03/2004 17:07)
librepenseur>boky tsy mahatakatra aho. Ny site, afaka milaza adiresy ve enao?
Zay anie ny mahavoa antsika e, tsy mba miezaka manoro ny tsy mahay ny mahay.

novalian'i https://forum.serasera.org/forum/user/hendry ny 25/03/2004 05:07

18. librepenseur
(
25/03/2004 18:06)
hendry> soraty fotsiny ny mikasika ny Madagascar na Malgache, sns ao amin'ny recherche altavista na yahoo dia mahita karazany ianao!

19. jhouhlambout
(
27/03/2004 18:25)
Ho an'izay té halala:
Précision kely momba ny ALAHAMADY BE.NB: Ny Arabo no nandovaintsika io fomba io...
Ny zaza teraka Alahamady ("El haml" na "Bélier") dia ny "Ra", ny "Lanitra", ny "Amontana". Ny antsy (meso), ny volana marsa, ny isa 2 ary ny loko mena no maha Alahamady ("El haml") ny zaza teraka io andro io. Ny Alahamady dia andro "Afo". Haingana sy malady. Mena ranombalahy no volon-javatra sahaza azy, izay lokom-piandrianana. Amin’ny ankapobeny dia olona mpitondra sy mpitarika ny teraka alahamady. Mato-tsaina ka mahay mitondra olona ny teraka alahamady. Ambony toetra, nefa saiky tia rà (lio), havanana amin’ny fampisehoana ny heviny amin'ny teny mafonja. Tia fandrosoana ary liam-pahaizana sy fahalalana. Olona sarotra atolaka fa mahay misoroka sy mandrava ny tetika mifofo sy mankahala azy. Tsy mety hanana loatra anefa, fa variana eo amin’ny raharaham-pitondrana manavanana azy, ary fatra-panaja tena ka tsy dia mahavory harena hiadanany. Tia dera sy voninahitra. Mora entim-po ka malady tonga fofona. Rehefa tezitra dia mitady hiady (lian-drà), mahery andro. Saika hahitana holatra ny endriny na ny ratsam-batana miseho amin’ny olona teraka alahamady. Ny adimizana no mifandratra aminy. Ny asombola sy ny alakarabo no mahay miaraka aminy. Andro zoma no manambina azy. Ny talata kosa mifanohitra amin'ny Alahamady. Eo amin’ny Alahamady dia ny zoro avaratra atsinanana no heverin'ny Ntaolo ho toerana masina sy hajaina, fitalahoana amin-janahary, fitoeran'ny zava-madio sy lalaina. Ny teraka alahamady dia : Tsy milanja na mamehy faty, tsy kapohana vihon-tanana, tsy mitaona firinga (zezika na zava-maloto) izany ; tsy homana tongo-javatra ( biby na vorona ) na sisa, sy zavatra loa, na mianjera amin'ny tany. Saro-pery ny zaza tsongoina Alahamady noho ny andro alahamady tia rà. Ankoatra izany dia tsy fahita firy hono io taom-baovao io, fa isaky ny 19 taona (1909, 1928, 2004, 2023). Ity 2004 ity, hono, dia "Alahamadin’ny Alahamady". Satria tokoa mantsy rahampitso 21 marsa 2004 dia hiara-hiditra ao amin'ny antokom-bitana Alahamady ny Volana sy ny Masoandro amin'ny 1 ora maraina sy 42 minitra eto Madagasikara, fa amin'ny 10 ora alina sy 42 mn ora iraisam-pirenena, ny 20 mars 2004. Farany : taloha ela be dia io no andro fandroana sady tsingerin-taona nahaterahan’ny Mpanjaka telo lehibe teto Imerina dia : Ralambo, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina. Anareo mpamaky no mandinika raha nifanaraka izay novakianay tao amin'ilay Alimanaka Malagasy ny fiainan'izy ireo. Fantaro anefa fa miovaova isaky ny fikisaky ny ora ny vitan'ny olombelona. Noho izany, tsy hoe ny andro tontolon'ny Alahamady dia andro fahasoavana.

20. jhouhlambout
(
27/03/2004 18:28)
corréction kely: "T@ 21 mars" fa tsy "rahampitso 21 mars" akory!