tsy tiako ny mpivady...

1. joda ( 17/03/2004 20:23)
tsy tiako ny mpivady mpanimba entana rehefa miady..
répondu par fijo le 30/03/2004 20:16
2. titixe ( 17/03/2004 09:33)
Tsy tokony hatao mihitsy ny fanimbana entana na inona na inona antony mampifanolana satria rehefa miombona avy eo dia tsy manan-javatra hampiasaina intsony, voatery mividy hafa indray. Ary tsy vaha-olana ny fanimbana entana.
3. kitjo ( 17/03/2004 11:42)
marina mitsy,
4. mamikely ( 17/03/2004 12:03)
Tsy fahaizana mifehy tena ( maîtrise de soi) nio mahatonga izany fanimbana entana izany, ary raha mitohy aza dia mety hahavita mikasi-tanana ilay vady nomen'Andriamaintra. Avy eo vao manenina. Tara loatra.
5. jhouhlambout ( 17/03/2004 13:39)
Aleo simba ny entana toy izay simba ny OLONA!!!!
6. hendry ( 17/03/2004 14:30)
Raha entana mbola azo soloina aloha mba tsy dia haninona loatra fa raha ENTANA tsy azo soloina no olana.
Tsy tsara zany manimba zavatra zany kosa e, tokony ny vava ihany no miady fa ny entana avelao ipetraka @ maha entana azy.
7. nananie ( 17/03/2004 15:50)
Manjary we "izy mivady no miady dia ny entany no vô potipotika ve"?

Ka samy manao ny ataony io ange e!Misy mpivady rehefa miady dia mivazavaza, dia avy eo samy mandeha any @ zay alehany any.Ny sasany mazàva ho azy lasa mampirafy any an'an any.Koa raha anao ratsy ihany ....
8. ikaretsaka ( 17/03/2004 16:47)
zay .. aza manao ratsy de tsisy rombo eo
9. fijo ( 18/03/2004 20:41)
le manimba zavatra dia mariky ny tsy fisainana.raha olona misina tsy manao an'io.ny zaza no sosotra dia manimba zavatra
10. ikaretsaka ( 18/03/2004 09:14)
marina io
11. kitjo ( 18/03/2004 15:02)
fahambaniantsaian zany e,
sady arak le tenin mamikely teo oe tsisy maitrise de soi
12. nananie ( 18/03/2004 18:56)
Ko raha misy ve ny vola...???
13. angie ( 18/03/2004 19:39)
Joda> ary tianao ve ny vehivevy mamono vady satria mahita azy kely vatana????? hahhahahahah
14. mamikely ( 18/03/2004 20:47)
VEHIVAVY mamono vady = AKOHOVAVY maneno.
LEHILAHY mamono vady = Kanosa
15. angie ( 18/03/2004 10:16)
Tena tsara ilay hevitr'i mamikely fa maninona kosa rehefa vehivavy dia mahazo ny hoe akoho fa ny lahy tsy mahazo anarana biby toy ny hoe alika romotra.
16. nananie ( 18/03/2004 10:41)
Tsy mahagaga io ry angie a!Ny lehilahy anie woa ka mbola manana le toe-tsaina macho e! Dia mandeha ho azy ny ohatr'izao!!! Dommage e?!
17. fijo ( 19/03/2004 20:07)
ih,ih,ih,ka na misy aza ve ny vola ray olona dia izany no fanehoana azy?
18. ralipo ( 19/03/2004 20:34)
O ry Angie sy Mamikely a aza ampitahaina amin'ny biby ny olona fa entana vaky no resahina, "tendri-po tsy mba namana" no mahatonga ny famakina entana fa tsy resaka macho zany ry Nananie ko! o! o!
19. ikaretsaka ( 19/03/2004 09:39)
fa nasian'ny olona t@ macho ve i nanaie kay?
20. fijo ( 19/03/2004 16:39)
mitady macho izy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3549