mpanankarena: maditra sa handry?

1. aladin ( 16/03/2004 14:05)
tsikaritrareo ve hoe ny zanaky nympanankarena refa tsy maditra be de hendry be?tsy misy le hoe antonony.
satria na izy mihanta be de manao be sitra-po de las amaditra avy eo.na izy voafehy be satria hoe fitaratra na manana toerana tsara² eo @ fiaraha-monina ny raiamandreniny ka fehezina izy mba tsy handoto ny anaran'izy ireo any aoriana.De izay ihany ve no antony?
novalian'i delvechio ny 13/04/2004 03:48
2. ikaretsaka ( 16/03/2004 14:19)
tsy ho voatery ka.. arakaraka ilay education io.. misy namanay zao zanaka mpanakarena hendry fa zanaka olona mafy ady lasa maditra be hoe mpikaoty makorelina sy mpifoka rongony.. nef asamy 1 kartier taloha ihany
3. bedard ( 16/03/2004 09:17)
marina zany...tena miankina amin'ilay famapianarana azon'ilay ankizy ihany io, dé avy eo miankina 70% amin'ny ankizy ihany koa...
sady aiza moa no hanaovana défintion lé hoe hendry sa maditra é!
za manokana ohatra voalaza matetika ho "maditra" nefa rehefa manadihady za toa mba nandalo teo koa ireo ray amandreniko ( sy ny ray amandreny sasany )...sa ny fomba fisehony no tsy mitovy noho ny tsy fitovizan'ny vanipotoana iainana ?????
misy kosa anefa ny olon-dehibe sasany mahita ahy ho "hendry"...
?????!!!!!!!!!!!!!!
4. angie ( 16/03/2004 10:27)
Ny tanora dia tena marina fa ny fampianarana sy ny fitaizana azy ihany no ho-entiny rehefa lehibe izy. Saingy tsy ny fampianarana @ sekoly ihany fa indrindra ny maha olona, ny fanajana ny tsara sy ny ratsy izany hoe ny sata mifehy: Valeur morale.
Enga anie ka mba ho voatana hatrany ny fihavanana samy malagasy fa tsy ho simba.
5. ikaretsaka ( 17/03/2004 11:20)
fitaizana io hoa
6. rfanjav ( 17/03/2004 19:16)
Samy mitondra an'io daholo na ny fitaizan'ny ray aman-dreny, na ny fiaraha-monina iainany.

Eo koa le "révolte" , leo ny fiainany ao an-tokantrano ohatra d manao ny mifanohitra @ izay !
7. kitjo ( 17/03/2004 11:31)
resaka fitaizana io dia eo koa ny fahatsiarovan-tenan ilay ankizy e,fa fitaizana no voalohany indddra
8. hendry ( 17/03/2004 15:25)
Misy ankizy ratsy taizan´ny rad nefa mahalala misaina dia miova ho zaza hendry, misy koa ny mifanohitra amin´zany: akizy mba nahazo fitaizana tsara nefa lasa mivary lavo.
Raha mbola kely sy tsy afaka misaina dia miankina be amin´ny fitaizana fa rehefa vory sainy miankina be amin´ny ankizy io. Tsisy anavahana na zanaka mpanankarena na mahantra fa zay daholo.
9. ikaretsaka ( 17/03/2004 17:16)
izay no tena marina
10. aladin ( 17/03/2004 17:51)
le hoe fitaizana ange marina tsisy diso e!
fa 'zao no tena tiako ambara: le fitaiza'ny mpanakarena oa mety mizara roa lehibe @ ankapobeny(tsy raisiko 'ze maningana) ny iray le mampaditra be de ny iray le maha hendry be.de 'zay no mampizara azy ho roa .
11. kitjo ( 18/03/2004 13:15)
io fizarana roa io na ho an mahantra na manankarena k,
resaka fitaizana sy ny toetsain le ankizy no tena marina.
12. tsilan ( 18/03/2004 19:34)
Fa raha eto aloha tsy mety ho andry izany ny mpanakarena eh.
Raha manambola aminao izy dia isan'andro tonga eo foana ny mpiasany haka ilay vola hono. Raha hitany eny an-dalana ianao aiza le vola. Vao tara roa na telo andro io an.
Fa raha izy no ananao vola, raha vao mahita anao dia ny azy no tonga aloha mbola miasa kely leitsy ilay izy an, mbola tsy niverina ilay olona nanako vola izay. Afaka iray volana, telo, enina na mety ho herintaona aza izay vao miverina ny vola 4000 ariary.
Raha mividy zavatra dia mba isaorana i Zanahary fa zara aza izy tsy manonona hoe ariary no vidin'io.
Inona re no mahatonga izany eh
13. ikaretsaka ( 19/03/2004 09:08)
mpanakarena mahantra izany kle
14. jhouhlambout ( 19/03/2004 20:06)
Arakaraky ny toe-tsain'ny tsirairay ihany io e!
15. kitjo ( 19/03/2004 17:40)
misy tkou aloha io lazain tsilan io e
fa heveriny tsisy dikany tsinona le izy
16. ikaretsaka ( 22/03/2004 20:54)
zay angaha
17. kitjo ( 22/03/2004 14:22)
k satria vola 5000 ra fianakavian sahirana misy dikany b ho azy
fa ho an e mpanankarena tsy misi dikany d tsy ao antsainy akory oe ananan olona anzany izy
tsy azony antsaina kaory oe ilain le olona ange le 5000
18. ikaretsaka ( 22/03/2004 15:37)
ie marina
19. hendry ( 22/03/2004 17:51)
Hay moa olon-dehibe manankarena no resahina fa tsy ankizy?
Arakaraky ny toe-tsain´ny tsirairay ihany io. Misy na hendry aza te ho adala ary ny adala te ho hendry dia mody mampiseho toetra mifanaraka @ zany.
20. kitjo ( 23/03/2004 14:42)
zay koa ray
Fa fantatra eny foana koa io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3772