Manimba ny fiaraha-monina ve ny fivavahana kristianina eh?

1. xxx ( 15/03/2004 17:27)
Mba manontany anareo aho hoe manimba ny fiaraha-monina ve ny maha kristianina ?
novalian'i rhaj ny 22/03/2004 17:51
2. rhaj ( 15/03/2004 19:19)
- nisy Ville iray, aty Quebec, Canada, nametraka lalAna ho an\'ny tanAnany, ny handrarana ny Temoin de Jehovah tsy handrebireby ny olona any an-tranony intsony; fa nitory tany @ Fitsarana ireto satria hono manindry ny zO-ny hiteny izany; mbola any @ Fitsarana ny raharaha..

- t@ fandaharana t@ tele kanadiana taty, dia malahelo ireto homosexuels ao Afrika mainty satria hono, ny homosexualitE dia noeken\'ny fiaraha-moniNY, izany hoe \"normal\", talohan\'ny nidiran\'ny tandrefana, na ny marimarina kokoa, talohan\'ny nidiran\'ny fivavahana kristiana. Naseho t@ fandaharana io fa, vao haingana, dia ny maha-homo ilay olona fotsiny no nampidirana sy nampijaliana azy ireo tany am-ponja..

3. rhaj ( 15/03/2004 19:40)
- nimenomenona ny olona fa mitabataba be hono ireto fiaran'ny Formule 1 rehefa aty Montreal ny Grand Prix. Dia namaly ny hafa hoe, ary ny lakolosim-piangonana..

- sorena ny mpanabe/tompon'andraikitry ny fahasalamana/.. fa maheribe ny "propagande"-n'ny Fiangonana katolika ny @ handrarana ny fampiasana kaondOma. Nahavariana ny olona sasany fa ao Afrika mainty (Mkara anisany) "ihany", no tena batibatiana fa hoe maha-"tafaporotsaka" viriosy HIV hono ny kaondOma. Any @ tany hafa "angamba" tsy ho mora voarebireby, satria ny "latex" dia efa ela no voaporofo fa tsy maha-tafaporotsaka ny viriosy HIV izany.
4. ikaretsaka ( 16/03/2004 20:26)
ka inona ny hidiran'ny izany @ fivavahana kristianina.. ilay resaka hoe homo aloha resaka fiaraha monina fotsiny.
Ilay temoins indray ohatran'ny pretext fotsiny ilay hoe kristianina satria izy ireo tsy kristianina satria tsy mino fa andriamanitra i Y'shua. sady raha mandeha any an-trano iznay aloha tsy izy amiko e.. misy ny atao hoe fiangonana sy hoe trano ary rehefa ao an-tranoko aho dia zoako ny tsy tabatabaina, raha te hitarika olona hivavajka dia mandefa azy any ampiangonana, sahala amin'ny nataon'ny missionera fahiny.. fiangonan ano natsangany fa tsy hoe efa amampolo taonany teo @ ilay tanana izy dia manao izay hizarana ilkay boky reveillez vous no hifaninanana
5. rhaj ( 16/03/2004 13:09)
ny aty Quebec, province iray ato Canada, dia frantsay no mpihavy, katolika. Misy ompa aty dia teny (na mitovy faneno) fampiasan'ny kristiana katolika : "calice", "tabernacle", "crisse". Ilay farany io no isan'ny faran'ny faikany. Ny fanazavana azoko dia toa hoe mari-TSY-pankasitrahana ny fivavahana kristiana (na katolika) izany, hono.

dia aty koa, ny hitanao any ampiangonana dia ny beantitra sy ny mpihavy vaovao. Ny ankizy raha vao vory saina, hono, dia midrikina tsy mety miangona intsony.. Ny filazany dia hoe, ny Jiosy ihany no manao izany. Ny lehibe indray dia krizy satria bebe ihany ny tsy tantiny nataon'ny Eglizy katolika t@ fiaraha-monina. Ilay scandale momba ny "orphelins de Duplessis" no lehibe indrindra, ankoatry ny abus fataon'ny pretra @ ankizilahikely (sy vadin'olona), na ny fifehezany ny fampianarana izay nibolila any @ tsy falehany, hono, na koa ny "fampianarany" ny hiterahana betsaka sy ny fi-considerer-na ny viavy miaraka @izay. @itsy scandale itsy, dia ireo orphelins noraisin-dry Masera, dia no-abuser-ny, ary no-declarer-ny ofisialy, hono, fa "marary saina".. satria t@izay, raha mikarakara marary saina ny institution iray dia amen'ny fanjakana vola. Mbola tezitra be ihany ireo voany h@izao, ary i Kardinaly aty Montreal, h@izao, dia mbola TSY mety miala tsiny ihany @ fanimbana fiainan'olona io.

(fijery sy fahazoako azy ireo, fa raha misy namana aty Quebec afaka hanampy/hanitsy/...)
6. rhaj ( 16/03/2004 13:20)
ny @ temoin de jehovah TSY kristiana araka ny lazain'Ikaretsaka k'aloha dia tsy haiko..

fa ny eglizy koa 'nge hono toa tsy niforona raha tsy t@ taonjato faha-2 sa 3.. izany hoe ara-pamaritana dia "secte" daholo ny rehetra.. fa ny fotoana no samy hafa..
7. librepenseur ( 17/03/2004 19:15)
rhaj> Marina io !
8. jhouhlambout ( 17/03/2004 19:44)
Secte izy raha mbola tsy feno taonjato maromaro, avy eo lasa manana ny maha izy azy......
9. rasta ( 17/03/2004 09:55)
ie manimba.
10. rhaj ( 17/03/2004 13:08)
Ny aty Quebec, satria moa 20-50 fotsiny no miangona ao @ ireto cathedrale be, dia tsy maha-araka ny $$. Ka ny sous-sol-n'ny eglizy dia ameny ampiasain'ny communaute.. ny gasy aty ohatra dia saika t@ireny foana no nanao reveillon (bal io) na koa aza mifamorivory hilalao beloty.. ny kebany moa dia ao no manao bingo (lotto)..

Fa ny any Etazonia no pire.. T@ izaho nandalo tao NewYork, ilay eglizin'i Saint-Patrick, dia tetsy aoriana nisy hotry ny tsanganana feno sovenira. Dia mba naka ny badolahy, dia lasa. Kay tokony nandoavam-bola ilay izy. Kay fivarotana io ao anaty eglizy io.

Ilay eglizy iray izay indray, novidian'olona dia nanaovany boite de nuit. Alaivo sary an-tsaina fa etsy @ ilay nisy ny alitara, dia eo no fanaovana fampisehoana: "wet t-shirt contest" sy "strip amateur"..

K'inona indray no hifandraisan'ity resako @ sujet? asa.. izao no (sisa) anaovan'ny fiaraha-monina aty ny ...
11. hendry ( 17/03/2004 14:53)
Misy fanimbazimbana ny resa-pivavahana nefa matoa tsy misy mihetsika ny mpino dia mety mahalala ny antony nahatonga ny fanimbazimbana ary mety mihevitra fa ny rariny ny ataon´ny mpanimbazimba. Tsy afaka ny hitsara anefa aho satria tsy mahalala ny zava-misy marina.
Ny zavatra tokony ho tsapan´ny mpanenjika ny mpitondra fivavahana fotsiny dia ity: olombelona nofo sy ra ihany re ka mety ho solafaka. Tsy tokony ny ataony no jerena fa rehefa mivavaka enao dia mivavaka, ny fivavahana no omeo lanja fa aza ilaozana mitsikera sy manenjika ny mpitondra ary manimbazimba ny fivavahana. Fa ny fivavahana no naninona?
12. ikaretsaka ( 17/03/2004 18:20)
misy architecte izay aty USA eo an-dalam-pananganana trano any Las Vegas izay sady lasa fiangonana rehefa maraina ny andro, no boite de nuit ilay izy rehefa alina, vokatry ny tsy fahampian'ny vola dia nikambana ny fiangonana sy ilay tompona boite de nuit ni financer ilay project.

Izany mao ef atsy mahagaga eto USA fa firifiry moa no manoa bingo sy lotto ao ampiangonana, ny gasyaza manao lavatim-bokatra ao ampiangonana, fa miankina ilay fomba fisainan'ilay olona io
13. rhaj ( 18/03/2004 20:46)
raha hoy i hendry hoe "ny fivavahana no omeo lanja...", dia miombo-kevitra tokoany aho ny @ hoe ny tsirairay no samy mikolo sy manabe voho ny azy ao..

fa raha ohatra kosa ka hoe "aza ilaozana mitsikera sy manenjika ny mpitondra...", dia tsy afaka ny tsy hiteny ny tena, satria lalina ihany ny fahasimbana vokatry ny ataon'ireo.. ary mbola mitohy izany.

ny hoe "manenjika" ny mpitondra fivavahana (katolika) dia tsisy hotr'ity etsy ambany itsy, izay mampiseho hoe hatraiza ny vokan'ny ataon'ny mpitondra, na dia @ olona hoentiny ao fotsiny aza..

http://perso.wanadoo.fr/nsae-france/jeanpaul2_hanskung5015.htm
Jean-Paul II n’a pas reconnu les signes des temps...

raha ny @hoe "manimbazimba" indray dia.. midika hoe mi-"critique" ve izany?
14. ikaretsaka ( 18/03/2004 09:01)
arakarak'ilay fandraisan'ny olona azy io.. resapivavahana io tsy takatry ny olombelona .. ohatran'nymaha mistery ny finoana
15. fijo ( 18/03/2004 11:18)
tsy ny kristianina ihany fa ny finoana rehetra no manimba ny fiaraha monina.
16. kitjo ( 18/03/2004 13:02)
fa ts misy milaza koa ange hoe ny kristianina ihany no tena izy e, na kristiana aza aho
fa misy koa olona tena mino be kanefa tsy mahalala dia any @ secte no mifatratra
dia misy koa anefa kristiana be mitsy nefa ....
araka2 ilay olona io sy ny fampiharana azy ao @ firahamonina.
17. librepenseur ( 18/03/2004 19:49)
Izay anie no tiako holazaina fa spiritisme daholo ny christianisme e !
18. mompera ( 18/03/2004 09:29)
Manimba ny fiaraha-monina ve ny Fivavahana Kristianina?

Ny fahitako ny zavatra nolazainareo teo ambony dia hoe manimba ny fiaraha-mipetraka... manembatsembana ny "entente" ny fivavahana. Tsy mahagaga izany... efa hatramin'izay no nanembatsembana ny politika sy ny culture isankarazany ny fivavahana. Izany rahateo no nahatonga ny martiry. Izany ve anefa no tanjon'ny Fivavahana Kristiana?

Ny tanjon'ny fivavahana Kristiana dia ny hampiely ny Fitiavana (Andriamanitra = fitiavana). Ka raha manembatsembana ny fiaraha-monina ny fitiavana dia anjaran'ny fiaraha-monina izany... fa tsy maintsy mbola mampiely izany fitiavana izany ihany ny Fivavahana Kristianina.

Fa ny fanontaniana dia hoe... manembatsembana fiarahamonina marina ve ny fitiavana?
19. rhaj ( 18/03/2004 13:21)
hoy mompera hoe: "tanjon'ny fivavahana Kristiana dia ny hampiely ny Fitiavana"..

Izaho dia manaja ary tena manondrotra ny fivavahana rahefa io no ataony.. rehefa mitondra fifanantonana, fifankaherezana, fifanohanana, fifanotronana,...

Fa misy zavatra hafa ataon'ny sasany, ary @ anarany koa..

- mampiely "ignorance" hoy ireo mpanabe t@ fandaharana t@ tele izay ho'a: tsy hamerina ny resaka kaondOma aho, fa ny resaka OGM indray izao no mampatahotra;
http://portland.indymedia.org/en/2003/11/274670.shtml
Vatican looks to GMO food as panacea for hungry and
burgeoning global population

- mampiely "fifankahalana".. rehefa injay ho'a ny sasany milaza fa "ny azy IHANY no tsara", dia midika fa ny an'ny hafa tsy ao anatin'le "ihany" dia.. ho hosena.. ohatra, h@izao dia mbola misy miezaka "hanova" (sa hanosy) ny (tsy-)finoan'ny olona ireo (milaza-tena ho) "misionera" vaovao any Mkara...

Raha namaky ilay http://perso.wanadoo.fr/nsae-france/jeanpaul2_hanskung5015.htm ianareo, dia ahita fa tsy vitan'ny "manimba" ny fiainan'olona sy/na fiaraha-monina ireo "sasany", fa "manimba-tena" koa..
20. ikaretsaka ( 19/03/2004 13:32)
ka io miakina aminao sy ny finoanao rahaja an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6728