Fiainana aorianany fahafatesana

1. xxx ( 11/03/2004 09:21)
Nalahelo mihitsy aho tamty fiainako indray mitoraka ity nefa tsy foiko ihany ilay izy rehefa nataoko ny fandinihana, tsy safidiko akory anefa ilay izy,dia ho sanatria marina ve de ity fotsiny ny fiainan-tsika,sa mety mbola misy fiainana aorinany fahafatesana hanarenana izay tsy nety?
Tsy ny tarehy sy bika aloha no tena nampalahelo ahy fa teo amny fiainana aram-pianankaviana no tena ilaiko fanantenana ny fiainana manaraka aorinany fahafatesana raha ho hisy satria tsy nahita fahasambarana mihitsy aho e!nefa nge hoa ilay izy tsy safidiko akory e!,mitsiriritra ny any sasany fotsiny aho.
2. ikaretsaka ( 11/03/2004 09:53)
ka aza mijery ny fiainan'ny olona... aty jerena!
3. fijo ( 11/03/2004 12:13)
izay.ny anao atao izay mahatsara azy,ary aza mijery izay tsy mbola nisy nahita any,fa izay hiainana izao aloha hatao tsara
4. xxx ( 11/03/2004 19:42)
Ny fahasambaranny ankizy niara nianatra tamiko taminizany anie no
nahatsapako fa tsy fidiny ho ahy,satria tia azy ny rayamandreniny,amzao,tsy ny vola no mahory ahy fa ilay fitiavana tsy nananako taloha no mbola tsy afaka ato an-tsaiko foana.Fizany hoe tsy mino aho fa ny fahafatesana no mamarana ny fitiavako manao ny marina sy manampy ny malahelo fa tsy maintsy mbola hisy ihany ny fiainana manaraka ary amzay dia mino koa aho fa honefa amzay ny zavatra niriko.
5. xxx ( 11/03/2004 19:46)
Ary nareo ve mba mitovy amiko?

Mino ny fiainana aorinany fahafatesana ve ianareo sa dia indray mandeha tsy miverina ihany ny fiainana?
6. librepenseur ( 11/03/2004 12:40)
Ny ety an-tany sy ny samy velona aza tsy mitovy hevitra aminao ka mainka fa ny tsy hita maso indray tsy hisy baraingo ?
Ataovy fotsiny izay tsy hanenenana @ zavatra rehetra, ankafizo am-pahamarinana ny fiainana ety an-tany dia ho hitanao fa ho finaritra hatrany ianao...
7. fijo ( 12/03/2004 11:37)
marina izany.izay ita eto aloha hatrehana. sy hezaho ho tsara.
8. jhouhlambout ( 12/03/2004 09:06)
Zay ny tanjon' ny fiainana e!
Miezaka hatrany hanatsara azy na efa tsy hita intsony zé mety...
Tant qu'il y a de la vie, hono,
il a y de l' éspoir!!!(aza hadino zay)
9. kally ( 12/03/2004 14:45)
Torohevitra ho an'i xxx,mizarà fitiavana handraisanao fitiavana vaovao indray e!aza miasa saina loatra amin'izay tsy nananao,angamba raha tsy izay ianao tsy ho toy izao .Mitiava mba hitiavana anao.
10. jhouhlambout ( 14/03/2004 11:46)
:-) Bien!
11. tia_ery ( 15/03/2004 19:47)
IZAHO no Lalana sy Fahamarinana ary FIAINANA...

Tenin'Andriamanitra anankiray izay tena tsapa ho nampisy fiovana teo amin'ny olona maro io teny io. IZAHO no ... FIAINANA hoy JESOSY.

''Ary raha ny amin'izao fiainana izao ihany no antenantsika an'i Kristy dia mahantra indrindra isika''.

Ny tena fiainana dia tsisy afatsy ilay fiainana miorina eo amin'ny Kristy. Ny mahatsara na maharatsya ny fiainanao dia tsisy afatsy izay ihany. KRISTY ilay maty nisolo heloka anao, hamonjy anao mba hanananao fiainana be dia be.

Koa raha mitady ny TENA FIAINANA ianao dia hoy izy manao hoe : ''Katsao aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anao izany rehetra izany''. Ambony lavitra ny mikatsaka ny tena fiainana ao amin'Andriamanitra.

'Fa ampy ho anao ny fahasoavako ...''

Sôtra ê!
12. xxx ( 15/03/2004 17:40)
Fa aza afangaro kosa anefa ny fiainana ara-batana sy ny ara-panahy fa manjary mitorona ny olona.
Sao anao lay namana izay hoe za tsy mila mianatra fa Jesosy no mamelona ahy.
Na koa hoe tsy mila dokotera ny marary fa ametrahan-tanana dia sitrana.
13. xxx ( 15/03/2004 17:44)
Raha tian'ny olona tokoa mantsy ny hanavatsava ny lanitra sy ny habakabaka dia tsy maintsy maty aloha izy.
Mazava izany satria ny vatana anantsika amin'izao dia voafetra : 8g ihany ny hafainganana farany ambony zakany, 100 taona raha be indrindra dia montsana.
Dia ahoana no ahatakarana ny kintana 1 tapitrisa taonam-pahazavana. Sarotra, tsy maintsy maty izany. Dia izay ny fanahy vao afaka miala amintsika ka hananika iny lanitra iny, na hanao ankisitrika any ambany ranomasina lalina any mba mijery ny tsy hita fony fahavelona.
14. ikaretsaka ( 16/03/2004 20:30)
ny roplanina izao manavatsava ny lanitra sy ny habakabaka.. ahoana izy tsy maty?
15. jhouhlambout ( 17/03/2004 19:45)
Fait scientifique:
Rehefa maty ny olona dia mihena 21 grammes foana ny lanjany,
Le poids de l'âme?!?
16. rasta ( 17/03/2004 09:58)
Tena tsy haiko aloha e. Mbola tsy nilaza tamiko izay olona rehetrafantatro fa maty. Nefa afaka mino ianao.
17. hendry ( 17/03/2004 15:00)
Ho an´i xxx. Tsy enao irery ihany fa betsaka ny olona mahatsiaro mijaly fiainana. Eo ny mijaly ara-bola, ara-pihavanana, ara-pitiavana sy ny sisa. Ny anao ny tsy fahampiam-
pitiavana teo amin´ny fianakaviana na ray aman-dreny no nampijaly anao. Aza atao mahakivy zany. Rehefa hanana olon-tiana (sipa na vady) enao dia afaka hanonitra ny fitiavana tsy nananao hatramin´zay na dia tsy hitovy aza ny fitiavan-drad sy ny fitiavana olon-tiana. Miezaha manao zay hahafalifaly anao eo amin´ny fiainana dia hadinonao zany. Mahereza.
Ny fiainana any ankoatra? ho an´zay mino zany dia andrandrao hatrany ary miomana lalandava. Sambatra zay tsy mahita nefa mino.
18. ikaretsaka ( 17/03/2004 18:22)
tsy misy afaka milaza hoe ahoana marina ny any satria tsy mbola nisy avy tany ka niverina (izany no tsy hinoako ilay silamo manapoaka baomba dia lasa any an-danitra miaraka @ virijiny 7 efa nisy tany di aniverina angaha?) .. fa mino koa hoe misy any aloah e matoa lasa any ry zalahy dia tsy niverina
19. kitjo ( 18/03/2004 13:07)
ry Nenilava aloha nilaza fa efa tany dia niverina ,toa efa in7 izy no maty vao tena maty iny ny farany ...
Fa asa,miankina @ tsiray2 io
Ny oe fiainana aorian'ny fahafatesana aloha za mino e,
Fa araraoty ny fiainana mandalo zao ety ambonin'ny tany kanefa tadidina koa fa hotsaraina amzany.....
20. librepenseur ( 18/03/2004 19:51)
Fa na izany na tsy izany dia spiritisme daholo no dokan'izany e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4274