karemy

1. isrine ( 10/03/2004 13:26)
inona ry zareo no tena hevitry ny karemy raha toa ka tsy hanaraka be fahatany ny voalazan'ny baiboly?
novalian'i ramaso ny 14/04/2004 04:48
2. ikaretsaka ( 10/03/2004 16:53)
tsy teolozianina aho fa anampiako an'ilay zalahy io ambony dia avy amin'ny teny latinina hoe cqrqntq (na 40) ny teny hoe karemy
3. fijo ( 11/03/2004 12:15)
fampijaliana tena.na fampahizana tena
4. fijo ( 12/03/2004 11:38)
adalana io e.izay no marina kokoa.
5. jhouhlambout ( 12/03/2004 09:02)
fifehezan-tena
6. isrine ( 12/03/2004 09:44)
rehefa tsy mivavaka ry fijo dia aza miteny an!
7. tsimisitoazy ( 12/03/2004 14:30)
tsy fampijaliana tena izany ny karemy koa ratsy arabo koa ny arabe no tsy mihinana mihintsy raha tsy maty masoandro fa ny karemy mihinana fa fanaova asa soa no tena izy fanampiana ny mahantra sy fifamelana ny alarobia sy ny zoma raha azo atao de azandrano no atao laoka ary ny atao fanampiny de ny fifantohana @ Andriamanitra tanteraka raha misy ny hasivin'andro raha mahay ianareo de io fivavahana tsy miato mandritra ny sivy andro ora mitovy no anaovana azy io ary mangataka izay tadiavinao ianao @ olomasina ny olontsabatra ary masina maria sy ny sisa ary efa nandaitra tamiko io vavaka io
8. kally ( 12/03/2004 14:43)
Ny karemy dia ilay fiainan'ny tena ny fahoriana sy fahasahiranan'ny hafa mandritry ny andro vitsivitsy.
9. isrine ( 18/03/2004 20:24)
tsimisitoazy: amiko ny karemy dia mitovy @ an'ny arabo ihany, samy fifadiankanina, fitsinjovana ny mahantra, fanampiana ny hafa, fandinihantena... fa ny an'ny arabo manko toa hita miharihary ny zavatra ataondry zareo
10. mompera ( 18/03/2004 09:33)
Tsy mitovy ny Karemin'ny Kristianina sy ny Ramadan an'ny Arabo.
Ny fampijalian-tena amin'ny fifadian-kanina ataon'ny arabo ohatra dia fampijalian-tena tsotra fotsiny... tehirizina hohanina amin'ny alina izay tsy hanina amin'ny atoandro?
Ny an'ny Kristianina kosa dia hanaovana asa fiantrana ny vokatry ny fampijalian-tena.
Hisy fanazavana lehibebe kokoa eto amin'ny manaraka fa mbola handray olona aho.
11. xxx ( 18/03/2004 13:57)
marina zany damopra an! o ry isrine a! ary ny zavatra ataony arabo ve mifanaraka amin'izany maditra saina sy ny sisa donc tsary mitovy izany marina ny any tsimisitoazy
12. ikaretsaka ( 18/03/2004 19:48)
aiza no hitovy? ny izay hoe arabo ny iray hoe kristianina.. sa efa mitovy koa izao ny paoma sy ny voasary?
13. hendry ( 20/03/2004 13:50)
Ny karemy tsy dia voatery hoe fandinihana ny hafa fotsiny fa misy ezaka be ho anao tenanao irery koa. Karemy = fandinihan-tena, fanatsarana ny tsy nety ary fibebahana, fihafiana ( ohatra: ahena ny rendrarendra ary ny vola avy @ zany entina manampy ny sahirana)
Fifantohana @ fivavahana ary fiainana ilay vavaka. Amen!
14. ikaretsaka ( 22/03/2004 09:08)
izay no marina kokoa ..merci hendry
15. xxx ( 05/04/2004 08:00)
Karemy = miezaka mampandefitra ny nofo fa manome lanja ny fanahy satria hihomana hiatrika ny lalan'ny hazo fijalian'i Jesoa Kristy. Toy ny hoe miara-miaritra aminy satria mpanaradia Azy. Ka mila fandinihan-tena lehibe mandritra io vanim-potoana io satria hiatrika ny fiainam-pandresena afaka andro vitsivitsy dia ny Paska, Ary ny fianam-bavaka no misongadina.
"Koa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka"
16. ikaretsaka ( 05/04/2004 13:56)
zay zany.. dia mazotoa mano herinandro masina aby o
17. ravatorano ( 07/04/2004 08:54)
karemy lebe izao ny zoma masina (vendredi saint).Ny voalazan ikaretssaka no mahafehy ny karemy ary marina fa ny ramadan dia izao ny sakafo tokony ohanina ny hariva dia petahana ny alina ary mahazo mamely betsaka aza ny tena.Ny karemy anie amizao dia miankina betsaka amin ny finoanao an i Jesoa izay nanao an io fifadiankanina tany an efitra io , hany ka ny fanaovana soa , ny fanaovana fandeferana eo anivon ny FM,fianakaviana, ny tena ,sns dia zava d b, ny abstinence ,ny fampijaliana tena amin ny alalan ny fampidinana ny fatran ny sakafo raisina isan andro.
18. kitjo ( 08/04/2004 03:25)
amiko aloha io miankina @ tsirairay no hanaovany azy e
Refa te hanao enao d anao rery fa tsy voatery.
NY finoanao iany no mahavonjy anao, ny finoana tsy arahin asa nefa d maty hoy ko ny baiboly, ka eo amzay le miankina @inspiration tsiray2 le asa, manao asa soa, karemy sns.
Fa tsy ny fanaovana karemy akory amiko no hahavonjy anao na oe ahamasina anao satria misy refa tapitra ny karemy d lasa zao ndray.
Na koa oe manao karemy mampijaly tena fts nefa mitsiriritra an le kaly iany,d tsy araka ny sitrapo zany d tsy mety fa oh oe fisehosehoana ety ivelany dol

Fa ny karemy ange azo ataonao foana isan andro e,ohatra oe refa misy zvt tsy tokony ataonao dia ny fandresenao zay envie zay @ alalan fahamafisan finoanao dia efa karemy, fa fatiantoka aloha amiko ra oe hanokana andro d rfveo nefa miverina @laoniny iany
fa ra oe natao andinhantena le izy d nandinika tokoa enao d niova aveo, d tsara zay.
19. jhouhlambout ( 08/04/2004 08:18)
signes religieux ostensibles
20. ikaretsaka ( 08/04/2004 15:11)
arakaraka ny finoana io.. fa tsy mahafaty ny manao na tsy manao azy.. ianoa sy ny fanahinao no mifandinika @ ilay olona na zavatra anaovanao azy any aoriana any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1233