firenena mandroso tsy ampy fitiavana

1. hendry ( 05/03/2004 17:03)
Toa hita taratra eny @ fiainan´ny olona miaina ao anaty firenena mandroso ny tsy fahampiam-pitiavana.
Ny ao an-trano tsisy firaisam-po, ny manodidina toy ny tsy misy fa dia lasa sahala @ machine ny olona.
novalian'i kitjo ny 13/03/2004 12:38
2. six ( 06/03/2004 19:16)
ka le fandrosoana ihany no mahatonga izany, nefa raha vao tsy izay koa anie d mety tsy hisy le fandrosoana e!
3. hendry ( 06/03/2004 20:01)
Dia ahoana zany raha sady te hitazona ny fihavanana (famangiana havana matetika), firaisan-kina (famponjena fivoriam-pokontany sy fivoriam-pokonolona, fanaovana asa iombonana toy ny fandiovana lalana), ny fifampitakosenana @ havana aman-tsakaiza ary ny mpifanolo-bodirindrina
( fiaraha-misakafo(iray latabatra) intelo isan´andro @ ao an-trano, firesahana @ manodidina, fihaonana @ namana) toy hita @ fiainan´ny ankamaroan´ny gasy no te handroso ihany koa?
Sady tsy "machine" toy ny olona @ firenena mandroso nefa te handroso?
4. kally ( 06/03/2004 20:52)
Ka marina izany voalzan'i Hendry izany satria ny firenena mandroso dia firenena matanjaka ara-toe-karena,ny vola izany no laharam-pahamehana,ka mazava ho azy raha tsy misy fotoana hifamangiana sy hifampitsidihina intsony satria maika ny hitady vola daholo ny olona.Ny ankamaroan'ny tsirairay koa samy "manana ny ampy" ka tsy mila ny fanampian'ny ao varatra na ny ao atsimo intsony,raha manana fahasahiranana ara-bola ohatra dia mandeha mifampiraharaha any @ banky,aty amintsika anefa ny mpinamana sy ny mpihavana no mifanavotra ka mazava ho azy olona mifanohana izany mifampitsiditsidika sy mahay miara-miaina.Raha te-handroso no sady hitazona ny fiaraha-monina dia tazonina ny olona hahay ifanohana fa tsy samy haka ho azy :tsy asiana fampindramam-bola ho an'ny tena manokana(hividy trano,fiara..) any @ banky,izany hoe raha te-hanao zavatra dia voatery manatona ny havana na ny namana raha sanatria tsy manam-bola ,ankoatr'izay tsy hitako sa misy manan-kevitra hafa?
5. kitjo ( 06/03/2004 11:10)
Marina aloha zany e,refa manankarena matetika d mieritreritra ho mahavita tena,tsy d misy resapiarahamonina tsn

Ny ao antrano koa lasa oh hotely sisa,atao fisakafoanana sy fatoriana fts, tsy misy fotoana iresahana @ fianakaviana fa efa samy reraky ny asa dol.

Ny ankapobeny io fa ra raisina ny aty SInga zao,d ry zareo vitsy antrano,zaza 1na 2 iany,dia toa oh tsy oh zay lotra,sady ny aty koa tsy d misy miasa tontolo andro fa maraina fts na hariva fts,na 11h jsk 5h, dia ny hariva matetika dia feno olona mandende miaraka @ fianakaviany.
Fa aty ndray resaka namana aloha tsy misy lotra afatsy ny kristianina no mba be namana ivelany fa miaraka @ fianakaviana fona

Fa mba zvt tsikarotro aloha io e,ry zareo tatsinana ngamba fa ny hafa tsy fatako
6. pitchou ( 06/03/2004 13:11)
d ahoana izany? tsy handroso ve? fa mety tsy ho tonga aty @tsika kosa angamba io toetra io noho ny malagasy tia tafasiry @ namana sy mpiara-monina ka! tsy ny manahirana ihany tsinona no ifanantonan'ny gasy aty fa ny lanonana mifandraika @ kolontsaina rehetra ohatra: fanambadiana, famadihana, ala-volon-jaza ...
7. kitjo ( 07/03/2004 19:14)
io ko aloha misy resaka toe-tsaina e,le fihavanana zany hafa be amintsika, izay koa no hita @ zareo aty atsinanana aty,mitovy2 amintsika iany, na miasa aza dia mba mi consacre ftona oh an\'ny fiankaviana iany.
refa manao fety d miaraka @ fianakaviam-be zareo.Nefa tany mandroso an
8. fijo ( 12/03/2004 11:15)
io fivoarana any amin'ny tany tatsinanana io no mety azo hianarana any mada satria mitovitovy fisainana isika.fa ny europeanina dia manana ny toe tsainy izay tsy mifanaraka amin'ny an tsika ,ka raha ireo no arahina any dia very isika.
9. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:36)
samia manaraka ny toe-tsainy
10. kitjo ( 13/03/2004 12:38)
zay aloha e, samihafa ny toetsaina sy ny zavatra iainana, ny vazah tandrefana tsy manana zany ambanivohitra e..... zanaka ampielezana e.... misy ny azo alaintahaka ny tsara kanefa ny fahendrena ananana tsy ariana nohon'ny fandrosoana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2018