matin´ny haingo?

1. hendry ( 05/03/2004 17:01)
Niady izy sy ny cousine-ny fa nangalarin´ilay cousine-ny hono ny firavaka sy akanjony vitsivitsy raha sendra nandalo namangy tao aminy ilay cousine-ny.
Dia efa tena matin´ny haingo ve lasa manao mpamosavy malemy?
répondu par fijo le 30/03/2004 20:42
2. ikaretsaka ( 05/03/2004 17:25)
sao kosa fauten'ilay cousine
3. donemaskit ( 06/03/2004 10:13)
hono fotsiny zany
4. tequila ( 06/03/2004 13:09)
Ka na hono aza , nankaiza zany ny zavatr'ool tao ?
Mampalahelo be zany , tokony samy mifanaja amin'ny zavatra ananana , ngah moa dia tsy maintsy hoe hananana daholo ity haingo rehetra ity e
5. six ( 06/03/2004 18:33)
na mety misy fialonana koa e! indrisy mantsy
6. hendry ( 06/03/2004 19:37)
Hono fotsiny zany hoy io doné. Hono satria notantaraina ilay izy fa zavatra tena nisy io a, ary mino aho fa tsy ao @ ireo cousines ireo ihany fa tranga mpiseho matetika.
Na tsy mpihavana aza fa mpinamana dia mety hitranga ny olana toa izao satria zay lay te hanenji-damaody nefa ny atoraka tsisy.
7. kitjo ( 06/03/2004 10:11)
reny olona mangalatra reny aloha matetika noho izay e,misy zvt tiany ananana efa tsy azony d aleony angalarina.
Misy koa le sipakely ao Dago lasa mitady vazah na maka vadin'olona le efa rangah b reny satria "matin'ny haingo",tsy oe kory oe tsy mahavelona azy ny RAR-ny fa asa mba te hitovy amindry J. Lo ngamba
8. nananie ( 06/03/2004 10:29)
Zany ve tsy resaka fihalonana!Mampalahelo aloha e! indrindra fa ra resaka ôtr'izany no iadiana @ cousine.
9. donemaskit ( 06/03/2004 11:53)
manin ra alaina any aminy lé izy ?
10. ikaretsaka ( 07/03/2004 17:48)
ka te hitovy @ cousine ko.. lalien anie ity te hitovy @ zanakolona ity na cousine aza e
11. bice ( 08/03/2004 09:02)
Nga tsy anaran`olla le Haingo e
Izy zao no mety naka ireo
Mbo ty Aho eto f`izy mintsy

Zay kou nareo de le cousine nefa i haingo tsy mpanontany
12. nirhy ( 08/03/2004 12:11)
Matin'ny haingo angamba dia lasa mpamosavy malemy. Mafy tokoa aloha ity te-hitovy aman'olona ity ka dia manao izay fika rehetra ahazoana haingo e. Ny fiaraha-monina ihany koa no anton'io. Tsy efa voan'ilay voavandravandra hatran'ny hatampon-doha ka hatrany hampaladia ve ianareo? Toa lasa voatery ho mpanara-damody daholo isika vehivavy no hiafarany satria mati-kenamaso....Rehefa tsy manana dia ny havana sy ny akaiky no asiana mafy. Fa aleo aloha izay toa izay lasa mivaro-tena e!!!!

Miarahaba ny vehivavy rehetra amin'izao 8 marsa izao
13. kally ( 08/03/2004 12:37)
Ka na voavandravandra maninona?Rehefa madio sy milamindamina ny zavatra anaovana?Ny mpivandravandra anie hivontirika foana na inona na inona anaovanao e!Angaha ny haingo ihany no hanajàna ny vehivavy eo @ fiarahamonina?Tsy hitako izay tokony hahamati-kenamaso amin'izay tsy fanarahan-damaody,toe-tsaina tokony hovaina io.Ka na hihaingo sy hiraratra ohatry ny inona nefa maivana dia maivana ny ao an-dohany,tsy ho vao mainka aza fahafaham-baraka no azo.Dia izay haingo ve no hampivary lavo hangalarana?Rehefa madio sy mipasoka tsara ny fitafianao,milamina tsara ny volonao tsy olana izany io!Ny maha-anao anao no mameno azy.
14. kally ( 08/03/2004 12:38)
Ka na voavandravandra maninona?Rehefa madio sy milamindamina ny zavatra anaovana?Ny mpivandravandra anie hivontirika foana na inona na inona anaovanao e!Angaha ny haingo ihany no hanajàna ny vehivavy eo @ fiarahamonina?Tsy hitako izay tokony hahamati-kenamaso amin'izay tsy fanarahan-damaody,toe-tsaina tokony hovaina io.Ka na hihaingo sy hiraratra ohatry ny inona nefa maivana dia maivana ny ao an-dohany,tsy ho vao mainka aza fahafaham-baraka no azo.Dia izay haingo ve no hampivary lavo hangalarana?Rehefa madio sy mipasoka tsara ny fitafianao,milamina tsara ny volonao tsy olana izany io!Ny maha-anao anao no mameno azy.
15. nirhy ( 08/03/2004 12:51)
Kally,
Tsy misy mandà ny voalazanao fa ny valiteny hitamaso io nomeko io. Maro ny manaja tena sy manao izay hananany fa ao koa ny mpamorona ny tsy misy, matahotra ny "Qu'en dira-t-on?". AZA ADINO, gasy isika ary tsy rahampitso no hiova io toe-tsaina io. Manana ny maha-izy avy isika rehetra saingy tsindraindray dia l'habit qui fait le moine aloha no jeren'ny olona. Pression be io ary be ny te-hampiseho ny maha-izy azy ka maka ny entana sy haingon'ny cousine aloha...dia izay vao mety ho hitan'ny sasany ny maha-iza azy.
16. kally ( 08/03/2004 16:32)
Izay no lazaiko an'i Nirhy hoe fahamaivanan-doha ny fieritreretana fa ny fanarahan-damaody no maha-olona ny olona iray,tsy i Nhiry akory sanatria no lazaiko eto an!fa ireo izay mitsara ny olona amin'ny alalan'ny hoe mahara-damaody sa tsia,ary tsy mandà ny voalazanao aho,mahafinaritra ny mijery vehivavy mihaingo,mahafinaritra ny mijery ny ankizy tsara fitafy fa maneho fahamaivanan-doha ny tsy fahaiza-mionona amin'izay ananana ka asakasak'izay hivary lavo noho ny haingo.
17. ikaretsaka ( 08/03/2004 17:41)
marina ny an'i kally
18. jhouhlambout ( 08/03/2004 18:17)
Lamaody mandeha ihany , fa ny tena mety dia ny fahaizana mandanjalaja ihany!
19. ikaretsaka ( 08/03/2004 18:34)
betsaka koa ange ilay vehivavy mitady hivalandrivotra ambony kokoa nohon'ny fitombenany dia mitifitra ny tsy zakan'ny Bala pilesiny dia mahatonga io mangalatra io e
20. fijo ( 09/03/2004 09:46)
za aloha dia tia vehivavy mihaingo,fa raha nindramina na koa hoe nangalarina dia aleoko ihany mijery azy amin'izay eo aminy.ny ahy na io fomba mihindrana akanjo io aza dia efa tena tsy voako mihintsy.tsy maninona ny manao izay hananana e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102