Avaka

1. xxx ( 04/03/2004 16:17)
Rahoviana no hiaraka eh ?
Eto Eropa, frantsa indrindra indrindra, dia misy ny fanondrona ny hoe gasy vao tonga. Ary dia andosirana mihintsy sao mitady trano. Ny olona avy ao Antananarivo indrindra indrindra no tena manao io. Rahoviana no mba hiova saina?
novalian'i booboo ny 07/05/2004 15:29
2. ikaretsaka ( 05/03/2004 10:47)
fa inona hono ny antony adosirana ilay gasy vao tonga.. sao heo misitrika any an-tranonao ve?
3. peluche ( 05/03/2004 09:51)
ny gasy any frantsa aloha dia malaza hafahafa toetra mihitsy
4. samoina ( 05/03/2004 12:00)
"Saonjo iray lohasaha hono tsy hilaozan'izay mamarara"
Raha olona iray na 2 no nanondro an'i 6x tsy tokony hampangaina izahay "sady gasy no tananariviana " eto Frantsa rehetra !
Ilay mandositra sao mitady trano aloha tsy mbola nahita koa ny tenako; Izaho manokana raha misy manontany trano, raha mahita aho ilazako izy, raha tsy mahita kosa sady tsy afaka ny hampiantrano, tsy misalasala aho miteny hoe " tsy possible" fa tsy hitako izay handosirana !!
Raha tsy mandiso an'i peluche aho @ izy miteny hoe ny gasy eto misy hafahafa toetra dia ahitsiko kosa fa tsy ny "avy ao Antananarivo" irery no ahitàna izany.
5. samoina ( 05/03/2004 12:09)
...ary hanoherako ny tenin'i 6X koa: tsy ela aho nahita gasy vao tonga izay sady nangarika ny arahabako no nanao fijery ambony ambany.Tsy notondroko anefa izy no sady tsy nandosirako koa fa natoniko mihintsy aza !!!
6. hendry ( 05/03/2004 15:38)
Zaho aloha tsy mahita zay any Frantsa ka tsy afaka hilaza hoe marina ve zany sa diso fa ny zavatra fandreko matetika dia hoe: ny gasy vao tonga tokoa hono any Frantsa any dia tsy mba naman´ny gasy efa ela nipetrahana tany. Hoy ilay namako iray zay mipetraka any Frantsa efa ho enina taona teo ho eo ngamba na mehry kely: Zaho hoy izy t@ vao tonga dia tsisy niraharaha fa na mba te hifandray @ ry zareo efa ela taty aza dia toa mangatsiatsiaka ry zareo.
7. hendry ( 05/03/2004 15:40)
Dia niezaka nioitra irery teny aho hoy izy. Nony mba nahita zay antom-pivelomana sy azo nisitrahana hoy izy dia mba namonjy fety ho an´ny malagayy aty Frantsa. Dia tena nahatsiaro tena ho niavaka hono izy satria ny gasy noheverina ho namana tonga tao HONO dia tsisy tena vonona hifandray aminy afa-tsy ireo zay mba te hampidera ny haingony sy ny fananany fotsiny.
Miala tsiny aho fa zay no nambarany ka tanteriko eto fotsiny.
8. hendry ( 05/03/2004 15:44)
Taty aoriana, rehefa nipetraka naharitraritra sy nanana situation stable hono izy vao mba nanomboka tafiditra tsikelikely t@ ireo gasy nonina efa ela ary teo vao fantany ny antony nahatonga iretsy ankilany nihafahafa hatr@ zay. Mihevitra hono izy ireo fa ny gasy noho ny fahantrana niainana tany Madagasikara dia mety tsy miala @ hafetsifetsena madinidinika ka miaro ny fananany ry zareo ary miezaka tsy handray gasy vao tonga raha mbola azo atao.
Tsy hevitro io fa zavatra notantarain´ny namako iray mipetraka any Frantsa ary nolazainy fa niainany. Zay fahamarinany tsy haiko.
9. hendry ( 05/03/2004 15:46)
Raha marina zany, toa mampalahelo ilay toe-tsaina e? Koa raha sika samy gasy aza mifanilika, iza ndray no azo antenaina? Samy tsy an-tanin´ny tena koa tsy ny fifanampiana ve ny tsara indrindra raha misy ny azo ifanampiana. Tsy midika zany hoe miantehitra @ hafa fa na dia firaisan-kina fotsiny aza e.
10. pitchou ( 06/03/2004 13:05)
tena marina io tantarain'i hendry io! rizareo ao Paris no mpanao an'izany ary tsy ny gasy vao tonga ihany no ataony an'izany fa ny gasy mipetraka any @ province koa! izaho efa niharan'izany, satria aho moa izany tany tao anatin'ilay ataony hoe "provinciale", ary olona tena namako be taty dago aza nanao ahy an'izany! fa nony fantany ny situation-ko tany dia avy manantona saingy tsy nisy niresahako intsony. Rehefa mifankahita aty dago aza @ izao, rehefa manao vancances rizareo ka manaka-dresaka amiko dia ampatsiahiviko azy ny fomba fanao ao Paris. Fa ny gasy rehetra nifanena tamiko tany @ province aloha dia tsy handainga mihitsy aho fa tsy mbola nisy na iray aza nampiseho toetra otran'izany. Mandray daholo rizareo, ary izy aza no tonga dia manantona.
11. fijo ( 12/03/2004 11:19)
jereo fa efa misy resaka nataoko momba io "gasy ao paris"ary zavatra misy io aty.
12. xxx ( 12/03/2004 14:09)
Misaotra @ fanazavana.

Za le tsy mitonona anarana moa izany le tratran'ilay izy ary dia tao Paris tokoa tamin'io. Mbola tsy tao Frantsa aho raha tsy tamin'io satria nisy fitsidihana natao andro iray tao raha tany Soeda ny tena no nipetraka. Nisy olona tena miresaka teny gasy izao, olona roa. Dia rehefa nanontaniako dia niova niteny vahiny ary dia milaza fa tsy malagasy. Nefa dia eo an-damosiko amin'ny metro eo no misy azy.
Fa tsy izay ihany fa nisy namana teto antanana hita teny akaikin'ilay misy manezy ngeza be iny. Dia nilaza fa maika be hono. Dia mba natsafaina hoe aiza no mipetraka, fa ny valiny dia hoe lavitra be. Nefa fantatro fa eo Paris ihany ny akama.
Taty aoriana aho vao nilazan'ny namana avy any Luxambourg hoe tsy mba fanontany izany any.
Dia gaga aho.
13. hendry ( 12/03/2004 11:25)
Mampalahelo ilay toe-tsaina. Maninona au moins rehefa tsy te hanampy ilay olona mba tsy miavonavona, mba mamaly arahaba sy miresaka.
Tsisy azo terena @ zany nefa raha mandinika ny afrikanina zay ananantsika gasy prejugés ohatra sika aza no tena ambany saina.
Mahita aho aty ivelany, afrikanina, vao mihaona @ olona mainty hoditra toa azy dia miarahaba ary miezaka mifandray @ ilay olona na dia tsy fantany akory. Nanontany aho moa nony farany fa tsy naharitra hoe inona ny mahatonga an-dry zareo hanao zany dia hoy ilay iray hoe: on se salue ao nom de l´Afrique.
Aiza sika gasy sy ny maha-malagasy ary maha mpiray tanindrazana @ zany?
14. hendry ( 12/03/2004 11:27)
Rehefa dinihina ny zava-misy dia toa théorie fotsiny ilay hoe: "gasy sy ny fihavanana ary ny fahendrena malagasy" na ny marimarina kokoa mihalefy zany ankehitriny ary saika tsy hita taratra ntsony @ fiainana andavanandron´ny gasy.
15. ikaretsaka ( 15/03/2004 13:03)
sy aty aminay aloha izany e.. za rery manko nmy aty.. sa za re hanavaka koa e
16. booboo ( 05/05/2004 15:14)
ny aty aminay indray zay vô tonga rehetra dé tafihana sô mi-déprime !
17. fijo ( 05/05/2004 22:28)
marina tokoa io voalazan'i hendry tamin'ny 12/03/04 14h25 io.tsy misy ampiana io fa tena efa niainako tami'izaho vao tonga taty.ny mahakamo dia misy mamaly ilay izy hoe za natao an'io ka ahoana aho no tsy hanao koa.
18. booboo ( 06/05/2004 10:34)
zay ilay toe-tsaina mi-souzy zay !
19. yonikafopl ( 06/05/2004 15:48)
toa nihemontra indray ny diako ry zareo saika mba hitsidika anareo aty France, sa na dia en visite koa ve reto ataonareo izany?
20. booboo ( 07/05/2004 12:02)
hum-hum iza ilay "nareo" ? Tsy ny namana kosa angamba :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3976