drogué par l´internet

1. hendry ( 03/03/2004 11:45)
Tena miala tsiny fa tsisy lohahevitra mahasahina zay tiako ambara ka ampidiriko ato fotsiny.
Asa ry reto fa mahatsapa ho miankina tanteraka @ internet zany aho a. Raha vao tsy mahita net ao anatin´ny telo andro raha be indrindra dia ohatran´ny tsy normal zany. Mba misy toa zany koa ve?
novalian'i ndriana ny 14/04/2004 11:12
2. peluche ( 03/03/2004 12:07)
ny ahy moa dia mifandray @ fianarako ny internet,dia mitovy aminao zany.tsy maintsy mijery e-mail kely,messenger sns,hafahafa vo tsy mijery.
Ezahana mba tsy hatao ela fotsiny fa mankarary maso.
3. tia_ery ( 03/03/2004 12:14)
Aiza kosa no de ho izany eh !!!!!

Mbô mampalahelo 'nareo zany. Zà an'isany ilay mba mahazo tombony angamba mba manana fahalalahana hanao INTERNET 7j/7 ary 24h/24. Nefa tsy maintsy miala eto zà de tsy maintsy misakafo sy matory sy miasa. Ary indrindra rehefa week-end de tsy maintsy manao zavatra hafa.

Fa mbola tsy nametraka an'izany hoe drogué par l'internet zany. 20ans aho zay no nampiasa ordinateur, depuis 1990 no nampiasako internet voalohany t@'izany mbola ny messagerie fotsiny no nisy de hatramin'izao fa mbola tsy nampiasa na niteny an'izany hoe drogué par l'internet zany zà.

Tsy haiko ary tsy fantatro fa mahavariana ny an'ny tanora ankehitriny !!!!

Sôtra eh !
4. hendry ( 03/03/2004 14:14)
O ry tia_ery a! Ka tsy niteny anie aho hoe tsy mandeha misakafo mihitsy, tsy mandeha matory, dia tsy manao zavatra hafa mihitsy e.
Mianatra aho tontolon´ny andro, misakafo toy ny olona rehetra ary matory toy ny torimason´ny mpianatra rehetra. Fa ny tiako ambara dia hoe raha ao anatin´ny telo andro tsy nahita internet mihitsy, tsy afaka nisurf dia ohatran´ny misy manque kely zany.
5. hendry ( 03/03/2004 14:20)
Misaotra ny webmaster aloha namindra ilay hevitra ato.
Ny hanapiako ny fanazavana ho an´i tia_ery. Mety efa leo ngamba enao satria efa ho 20 taona nampiasàna azy. Zaho manko vao efa-taona raha nisy no nampiasa ny internet koa, mbola mamba be hoy ny fitenin´ny tanora.
6. samoina ( 03/03/2004 16:17)
Drogue tsy mahafaty ity na mankarary maso tsindraindray eny ihany aza e !
7. aladin ( 04/03/2004 12:07)
'zay rehefa mambany e!
'za 'zao de @ 3 vao mahalala mikaly atoandro de@ iray maraina vô matory
8. ikaretsaka ( 05/03/2004 10:58)
ny drogue dia mila desintonksikena vao afaka.. fa inona ny desintox an'ny internet?
9. aladin ( 05/03/2004 18:39)
mila mandeha manao vacance any @'ze tanana tsisy net.de manadino kely alou
10. donemaskit ( 05/03/2004 20:32)
mandàna mints mankany ambanivohitra e
11. 2689 ( 05/03/2004 12:05)
Raha samy ho andevozin-javatra ihany, aleo andevozin' ny nety (toy izay hoe sigara, toaka, fitaovam-pananahana, ...). Mba fidio fotsiny ny sehatra tsidihina mba ho irony sehatra mampitombo fanahy sy saina irony fa tsy ho fialam-boly fotsiny. Izaho izao mitsidika sehatra momba ny filozofia dia mahita tsirony be ... tahak' izay mba nahita an' itony fony tany @ kilasy famaranana fa tamin' izany ange ka tena halako mihitsy ny filô e! Izaho mba manoro hevitra anareo mamba net be loatra mba hijery an' ireny.

Carry on :) ing, and the world will :) with you!
12. hendry ( 05/03/2004 15:22)
Koa tsy lasa gaigy ve ry aladin raha olona mila zavatra iray no alavirina @ ilay zavatra ilainy? Enao manko miteny hoe mandehana any @ tanàna tsisy nety, toa tsy ho vita koa. Trois jours tsisy nety aza ohatran´ny mahatsiaro tena ho gadra zany.
13. aladin ( 06/03/2004 18:38)
mba maka saina kely e!ohatra hoe miaraka @ sipa de manal'azy be atao tsentsina ny programma e! ôtran'ny hoe nisaraka t@ sipanô enô de manary dia mba hanadinoana izany. Oay! ôtran'ny lasa sipa(na vady)faharoa marina ange 'zany le nety ho antsika mambany e!
Io le hira hoe"vô tsy mahita anazy e! marary² manavy e!.........."
14. ikaretsaka ( 07/03/2004 17:44)
rehefa tena tratran'ny tsisy tampoka io afaka ihany ko..
15. aladin ( 07/03/2004 19:45)
hita oa!
16. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:27)
taloha aza mbola tsy nisy io!
nefa tsy drogué ny oll
17. hendry ( 12/03/2004 12:01)
ny an´i jhouhlambout koa! ka zany aza hoe tsisy koa ho drogué @ inona?
18. kitjo ( 13/03/2004 13:10)
fa marina aloha io resaka io e, fa le izy ange refa tsy misy le toerana d ts manin e, fa vao oe misy n aany @ cyber aza d tsy mety fa lasa foana,
sady nddra moa refa oe hhmmm
19. jhouhlambout ( 14/03/2004 11:34)
>koa ho drogué @ inona?

Tsisy, noho izany miala alavitry ny Internet fotsiny dé vita
20. kitjo ( 14/03/2004 17:27)
hevitra ko zay nefa ra ts maintsy ho eo moa enao, sady misy zvt ts maintsy atao
ny ahy alohany fanafodiny ra misy zvt ts maintsy atao eto, d tsy mi connecte chat mitsy, ra vao miatyd hiditra sera2 d deconnecter-na misty aloha ny internet,hiihih
fa nddray vao mahavita anzay an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2897